FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia hatolotro ho amin’ny sabatra+ ny tanànanareo, sady hataoko lao tsy misy olona ao amin’ny toerana masinareo,+ ary tsy hahafinaritra ahy ny hanitra mampitony avy amin’ny fanatitrareo.+

  • 1 Mpanjaka 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 dia haringako tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho eo anatrehako,+ ary ny Israely hatao teny fanarabiana+ sy teny fanesoana eo amin’ny firenena rehetra.

  • Salamo 69:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Aoka ho foana ny tobiny misy manda,+

      Ary aoka tsy hisy honina intsony ao an-tranolainy.+

  • Isaia 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Lao ny taninareo,+ kilan’ny afo ny tanànanareo,+ ary lanin’ny hafa firenena+ eo imasonareo ny vokatry ny taninareo.+ Eny, lao ny taninareo, toy ny hoe noravan’ny hafa firenena.+

  • Jeremia 12:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Nilaozako ny tranoko,+ ary nafoiko ny lovako.+ Natolotro eo am-pelatanan’ny fahavalony ilay malalan’ny foko.*+

  • Jeremia 22:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “‘Fa raha tsy mankatò izany teny izany kosa ianareo, dia mianiana amin’ny tenako aho’,+ hoy i Jehovah, ‘fa ho rava tanteraka ity trano ity.’+

  • Mika 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa hasaina toy ny saha i Ziona noho ny nataonareo, ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara