3 Fa nisy zavatra tsy vitan’ny Lalàna,+ satria nampahalemy+ azy ny nofo. Noho izany, dia nanameloka ny ota ao amin’ny nofo Andriamanitra ka naniraka ny Zanany+ izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota,+ mba hanesorana ny ota,+
19 Fa ny Lalàna dia tsy nahatonga na inona na inona ho lavorary,+ fa ny nahavita izany kosa dia ny nampidirana fanantenana+ tsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra.+
10Koa satria aloky+ ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy, dia tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hahalavorary+ an’ireo manatona an’Andriamanitra, eny, tsy ho vitany amin’ny alalan’ny sorona tsy miova atolony isan-taona.