FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda,+ ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.+ Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.+

  • Deoteronomia 18:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.+

  • Salamo 16:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana* aho.*+

      Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.+

  • Isaia 7:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa hanome famantarana ho anareo i Jehovah: Ho bevohoka ny tovovavy+ ka hiteraka zazalahy,+ ary ny anarany hataony hoe Imanoela.

  • Mika 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ary ianao, ry Betlehema Efrata,+ izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda+ akory, avy ao aminao+ no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.+ Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.+

  • Malakia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Hirahiko ny irako,+ ary hikarakara ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo+ tadiavinareo sy ilay iraky+ ny fifanekena+ izay sitrakareo.+ Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.+

  • Asan’ny Apostoly 9:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa vao mainka kosa i Saoly nahazo hery, ary gaga sady very hevitra ny Jiosy nonina tany Damaskosy, rehefa nanome porofo tsara lahatra izy fa i Jesosy no Kristy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara