FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda,+ ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.+ Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.+

  • Nomery 24:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hahita azy aho,+ nefa tsy izao ankehitriny izao,

      Hahatazana azy aho, nefa tsy akaiky.

      Hisy kintana+ hivoaka avy amin’i Jakoba,

      Ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely.+

      Hovakiny ny fihirifan’i Moaba,+

      Sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.

  • Lioka 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary raiki-tahotra+ ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany+ lehibe no efa mitsangana eto amintsika”, sy hoe: “Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.”+

  • Lioka 24:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia hoy izy: “Zavatra inona?” Hoy ireo: “Ny momba an’i Jesosy avy any Nazareta,+ izay tonga mpaminany+ mahery tamin’ny zavatra nataony sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona rehetra.

  • Jaona 1:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nahita an’i Natanaela+ i Filipo, ka nilaza hoe: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna+ sy voasoratry ny mpaminany,+ dia i Jesosy, zanak’i Josefa+ avy any Nazareta.”

  • Jaona 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Rehefa hitan’ny olona ny famantarana nataon’i Jesosy, dia hoy ireo: “Tena io mihitsy ilay mpaminany+ ho tonga amin’izao tontolo izao.”

  • Asan’ny Apostoly 3:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Hoy tokoa mantsy i Mosesy: ‘I Jehovah Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy,+ ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo. Henoy izy, na inona na inona lazainy aminareo.+

  • Asan’ny Apostoly 7:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 “Izy ilay Mosesy nilaza tamin’ny zanak’Israely hoe: ‘Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy, ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara