15 Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.+
18 Koa hanendry mpaminany ho azy aho, avy eo amin’ny rahalahiny, dia mpaminany toa anao.+ Ary hataoko eo am-bavany tokoa ny teniko,+ ka holazainy amin’izy ireo ny teny rehetra handidiako azy.+
6 Fa misy zaza teraka ho antsika,+ zazalahy no homena antsika,+ ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana.+ Ny anarany dia hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga,+ Andriamanitra Mahery,+ Ray Mandrakizay,+ Andrianan’ny Fiadanana.+