10 Koa mananatra+ anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i+ Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo,+ ary mba tsy hisy fisaratsarahana+ eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.+
11 Farany, ry rahalahy, miezaha foana ianareo hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana,+ hifanara-tsaina,+ hiaina amim-pihavanana.+ Ary ho aminareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!+