9 sy ny hanao izay hahitan’ny olona ny fomba itantanana+ ny zava-miafina masina+ izay nafenina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra, ilay namorona ny zava-drehetra.+
6 Fa i Kristy kosa mendri-pitokisana amin’ny maha Zanaka+ miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra rehetra azy. Isika izany tranony izany,+ raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiantsika miteny sy ny fireharehantsika noho ny fanantenantsika.+
6 Sambatra+ sy masina+ izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana+ amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa,+ fa ho mpisoron’Andriamanitra+ sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.+