FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 15:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka,+ fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.+

  • Galatianina 6:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ry rahalahy isany, raha misy olona sendra manao fahadisoana+ nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy+ eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy.+ Etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka ny tsirairay aminareo mba hitandrin-tena tsara+ sao halaim-panahy ihany.+

  • Efesianina 4:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 ary hanao izany amim-panetren-tena+ sy amim-pahalemem-panahy tanteraka, ary amin’ny fahari-po,+ ka hifampizaka amim-pitiavana,+

  • 1 Timoty 6:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, andosiro izany zavatra izany.+ Fa katsaho kosa ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.+

  • 2 Timoty 2:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky,+ fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka,+ ka hahalala marina tsara ny fahamarinana+ izy.

  • 1 Petera 3:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Manamasìna kosa an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo,+ ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo+ eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy+ sy amim-panajana lalina anefa izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara