22 Jereo àry fa sady tsara fanahy+ Andriamanitra no hentitra.+ Hentitra izy amin’izay lavo,+ fa tsara fanahy kosa aminao, raha mbola miezaka+ ny ho mendrika ny hatsaram-panahiny ihany ianao. Raha tsy izany, dia hokapaina+ koa ianao.
14 Fantatsika fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana+ isika, noho isika tia ny rahalahintsika.+ Izay tsy tia kosa dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana.+
10 Aza matahotra an’izay fijaliana efa hiaretanao.+ Fa tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja ny Devoly.+ Amin’izay dia hozahan-toetra+ tanteraka ianareo, ary hiharam-pahoriana+ folo andro. Aoka ianao tsy hivadika mandra-pahafatinao,+ dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.+