FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:18-20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia tsy maintsy adikany ao anaty boky* ity Lalàna ity, mba hampiasainy, ka ataony mitovy amin’ilay Lalàna tehirizin’ny Levita mpisorona ilay izy.+

      19 “Hotehiriziny any aminy foana izy io, ary hovakiny amin’ny andro rehetra iainany,+ mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny, sy hianarany hankatò an’izay rehetra voalazan’io Lalàna io sy ireto fitsipika ireto.+ 20 Amin’izay dia tsy hanandra-tena ho ambony noho ny rahalahiny izy, fa hanaraka foana ny didy ka tsy hivily hiankavanana na hiankavia. Dia haharitra eo amin’ny fitondrana izy ka hanjaka eo amin’ny Israely izy sy ny taranany.

  • Salamo 119:105
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 105 Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,

      Sady fahazavana ho an’ny lalako.+

  • 2 Timoty 3:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra,+ ary mahasoa mba hampianarana,+ hananarana, hanitsiana an’izay tsy mety, hanabeazana* mifanaraka amin’ny fahamarinana,*+ 17 mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara