Nataon’i Davida.
א [Alefa]
37 Aza sosotra amin’ny ataon’ny mpanao ratsy,
Na mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina.+
2 Ho vetivety dia maina toy ny ahitra izy ireo,+
Ary halazo toy ny ahi-maitso.
ב [Beta]
3 Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara;+
Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+
4 Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah,
Dia homeny anao izay irin’ny fonao.
ג [Gimela]
5 Ankino amin’i Jehovah ny lalanao;+
Miantehera aminy, dia hanampy anao izy.+
6 Hataony miharihary toy ny hazavana vao maraina ny fahamarinanao,
Ary toy ny masoandro amin’ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny.
ד [Daleta]
7 Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+
Ka hanam-paharetana hiandry azy.
Aza sorena amin’ny olona
Mahavita manatanteraka ny tetika ataony.+
ה [He]
8 Ialao ny hatezerana ary atsaharo ny fahavinirana;+
Aza tezitra ary aza manaiky hanao ratsy.
9 Fa horinganina ny mpanao ratsy,+
Ary izay manantena an’i Jehovah kosa no handova ny tany.+
ו [Vao]
10 Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy;+
Hijery an’izay nisy azy ianao,
Nefa tsy ho eo intsony izy.+
11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany,+
Ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana.+
ז [Zaina]
12 Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy;+
Mihidy vazana aminy izy.
13 Hihomehy azy anefa i Jehovah,
Satria fantany fa ho avy ny androny.+
ח [Heta]
14 Manatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy sady manomana ny tsipìkany,
Mba handavoana an’izay ampahorina sy ny mahantra,
Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy.
15 Hitsatoka amin’ny fony ihany anefa ny sabany;+
Ho tapaka ny tsipìkany.
ט [Teta]
16 Aleo ny kely ananan’ny olona iray manao ny marina,
Toy izay ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.+
17 Ho tapaka mantsy ny sandrin’ny ratsy fanahy,
Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina.
י [Yôda]
18 Fantatr’i Jehovah izay manjo ny olona tsy misy tsiny,
Ary haharitra mandrakizay ny lovan’izy ireo.+
19 Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana;
Hanana sakafo be dia be izy ireo amin’ny fotoanan’ny mosary.
כ [Kafa]
20 Ho ringana kosa ny ratsy fanahy;+
Ho foana tahaka ny kijana maitso be ny fahavalon’i Jehovah;
Tsy ho hita intsony toy ny setroka izy ireny.
ל [Lameda]
21 Mindrana ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina,
Fa ny olo-marina kosa malala-tanana sy tia manome.+
22 Izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany,
Fa izay ozoniny kosa ho ringana.+
מ [Mema]
23 Mitarika ny dian’ny olona i Jehovah,+
Rehefa mahafaly azy izay ataon’ilay olona.+
24 Na dia solafaka aza izy dia tsy hidaraboka,+
Fa i Jehovah no mitantana azy.+
נ [Nona]
25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao,
Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy,+
Na nahita ny zanany nangataka sakafo.+
26 Vonona hampisambotra foana izy,+
Ary hahazo fitahiana ny zanany.
ס [Sameka]
27 Aza manao ratsy intsony fa manaova ny tsara,+
Dia honina eto an-tany mandrakizay ianao.
28 Fa tia rariny i Jehovah,
Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+
ע [Aina]
Ho voaro foana izy ireo,+
Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+
29 Ny olo-marina no handova ny tany,+
Ka honina eo mandrakizay.+
פ [Pe]
30 Mampita fahendrena ny vavan’ny olo-marina,
Ary miresaka momba ny rariny ny lelany.+
31 Ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra;+
Tsy ho solafaka izy rehefa mandeha.+
צ [Tsade]
32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,
Ka mitady fomba hamonoana azy ho faty.
33 Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy,+
Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+
ק [Kôfa]
34 Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,
Dia hanandratra anao izy ka handova ny tany ianao.
Ho hitanao+ ny handringanana ny ratsy fanahy.+
ר [Resa]
35 Hitako hoe ny olona ratsy fanahy sy tsy misy antra,
Dia miroborobo toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany naniriany hatramin’izay.+
36 Nanjavona tampoka anefa izy, ka tsy eo intsony;+
Nitady azy foana aho, nefa tsy hita izy.+
ש [Shina]
37 Diniho ny olona tsy misy tsiny,
Ary jereo ny olona manao izay mahitsy,+
Fa hiadana izy amin’ny hoavy.+
38 Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna;
Ho ringana ny ratsy fanahy amin’ny hoavy.+
ת [Tao]
39 Avy amin’i Jehovah ny famonjena ny olo-marina;+
Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin’ny fotoam-pahoriana.+
40 Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.+
Hanafaka azy ireo tsy ho azon’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy,
Satria mialoka aminy izy ireo.+