FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • sgd p. 34-35
  • 5 Ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 5 Ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly
  • Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra
  • Lohatenikely
  • Taorian’ny 4026 T.K.
  • 1943 T.K.
  • Taorian’ny 1070 T.K.
  • 29 A.K.
  • 33 A.K.
  • 1914 A.K. tany ho any
  • Amin’ny hoavy
Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra
sgd p. 34-35

5

Ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly

Endrika Sary

I Jehovah no manan-jo hitondra, ary ny fitondrany no tsara indrindra. Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona.

Adama sy Eva sy ilay menarana tao amin’ny Zaridainan’i Edena

Taorian’ny 4026 T.K.

Nendrikendrehin’ilay “menarana” i Jehovah hoe tsy mahay sady tsy manan-jo hitondra. Nampanantena àry i Jehovah fa hisy “taranaka” hanorotoro an’ilay menarana na Satana. (Genesisy 3:1-5, 15) Navelan’i Jehovah anefa aloha ny olombelona hitondra ny fiainany sy hobaikoin’i Satana.

Mihaino ny zavatra lazain’Andriamanitra i Abrahama

1943 T.K.

Niteny tamin’i Abrahama i Jehovah fa izy no ho razamben’ilay “taranaka” nampanantenaina.—Genesisy 22:18.

Davida Mpanjaka

Taorian’ny 1070 T.K.

Nanome toky an’i Davida Mpanjaka sy Solomona zanany i Jehovah fa ho avy amin’izy ireo ilay “taranaka” nampanantenaina.—2 Samoela 7:12, 16; 1 Mpanjaka 9:3-5; Isaia 9:6, 7.

Jesosy tamin’izy natao batisa

29 A.K.

Nampahafantarin’i Jehovah fa i Jesosy ilay “taranaka” nampanantenaina, izay handova ny seza fiandrianan’i Davida.—Galatianina 3:16; Lioka 1:31-33; 3:21, 22.

Jesosy tamin’izy efa ho faty

33 A.K.

Toy ny nandratra vetivety an’ilay “taranaka” nampanantenaina i Satana rehefa namono an’i Jesosy. Natsangan’i Jehovah anefa izy ary niakatra tany an-danitra. Neken’i Jehovah ny vidin’ny aina lavorary natolony, ka afaka mahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ny taranak’i Adama.—Genesisy 3:15; Asan’ny Apostoly 2:32-36; 1 Korintianina 15:21, 22.

Satana, na ilay menarana, nazera tetỳ an-tany araka ny voalazan’ny Apokalypsy

1914 A.K. tany ho any

Noroahin’i Jesosy avy any an-danitra i Satana, ka navelany ho etỳ an-tany mandritra ny fotoana fohy.—Apokalypsy 12:7-9, 12.

Manjaka eran-tany avy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra i Jesosy, araka ny fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy.

Amin’ny hoavy

Hogadrain’i Jesosy 1 000 taona i Satana ary horinganiny avy eo ka toy ny hoe hotorotoroiny ny lohany. Ho tanteraka amin’izay ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. Ho voaporofo koa fa izy no mahay mitondra ary tsy hisy hanaratsy intsony ny anarany.—Apokalypsy 20:1-3, 10; 21:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara