FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/12 p. 24-27
  • Louis Pasteur — Ny Nahariharin’ny Asany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Louis Pasteur — Ny Nahariharin’ny Asany
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fikarohana teo am-boalohany
  • Pasteurisation
  • Avy amin’ny fiainana ny fiainana
  • Ady tamin’ny areti-mifindra
  • Asa mahasoa
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Fitsaboana Maoderina—Ho Tafakatra Hatraiza?
    Mifohaza!—2001
  • Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Ilay raharaha lehibe — Inona moa izy io?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/12 p. 24-27

Louis Pasteur — Ny Nahariharin’ny Asany

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

AFAKA mipoitra ho azy ve ny fiainana? Tamin’ny taonjato faha-19, dia nihevitra toy izany ny mpahay siansa sasany. Nihevitra izy ireo fa afaka niandoha ho azy avy tamin’ny zavatra tsy manana aina ny fiainana, tsy nisy fisalovanan’ny mpamorona iray.

Indray takariva tamin’ny lohataonan’ny Aprily 1864 anefa, dia nandre zavatra hafa ny olona nanatrika tao amin’ny efitrano fivoriana iray tao amin’ny Oniversiten’i Sorbonne ao Paris. Tamin’ny alalan’ny fampisehoana iray tamim-pahakingana teo anatrehan’ny vaomieran’ny mpahay siansa, i Louis Pasteur dia nanaporofo tamim-pahombiazana, isaky ny hevitra tsirairay, fa diso ilay teorian’ny fipoiran’ny fiainana ho azy.

Nahatonga azy ho “ny iray tamin’ireo mpahay siansa nalaza indrindra teo amin’izao tontolo izao”, io lahateny io sy ireo zava-baovao hitany hafa tatỳ aoriana, araka ny filazan’ny The World Book Encyclopedia. Nahoana anefa io lehilahy io no nampiaiky volana toy izany an’ireo olona tamin’ny androny, ary ahoana no nahatonga azy ho fanta-daza maneran-tany? Amin’ny fomba ahoana no andraisantsika soa ankehitriny avy amin’ny zava-baovao hitany sasany?

Fikarohana teo am-boalohany

Teraka tamin’ny 1822 tao amin’ny tanàna kelin’i Dôle, any atsinanana amin’i Frantsa, i Louis Pasteur. Naniry fatratra fisondrotana ho an’ny zanany lahy ny rainy, izay mpandon-koditra. Na dia nanana fironana ho amin’ny zavakanto sady tena nanan-talenta ara-javakanto aza i Louis, dia nifidy ny siansa izy. Nahazo diplaoma doctorat ès sciences izy teo amin’ny faha-25 taonany.

Ny fikarohana teo am-boalohany nataony dia nisy ifandraisany tamin’ny asidra taritarìka, fitambaran-tsinga nisy tao amin’ireo faikan-javatra tavela tao amin’ny barìka-na divay. Nampiasain’ny mpikaroka hafa, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ireo vokatra azo tamin’io fikarohana io mba hametrahana ny fototry ny simia organika maoderina. Avy eo i Pasteur dia nifindra tamin’ny fandinihana an’ireo kavingy.

Talohan’ny fikarohana nataon’i Pasteur, dia efa fantatra ny fisian’ny kavingy, toy ny lalivay. Noheverina anefa fa vokatry ny fahatongavan-javatra ho mavingy izy ireny. Kanefa, noporofoin’i Pasteur fa tsy vokatry ny fahatongavan-javatra ho mavingy ireny kavingy ireny, fa antony nahatonga izany kosa. Nasehony fa samy hafa ny fahatongavan-javatra ho mavingy nateraky ny karazana kavingy tsirairay. Ny tatitra navoakany momba an’izany tamin’ny 1857 dia heverina amin’izao andro izao ho “ny taratasy fanamarinana ny fahaterahan’ny mikraobiolojia”.

Nanomboka tamin’izay, dia nihafaingana ny asany sy ireo zava-baovao hitany. Noho ny lazany, dia nampiantso azy ireo mpamokatra vinaingitra tany Orléans mba hamaha ireo olana ara-teknika maro be nahazo azy ireo. Noporofoin’i Pasteur fa ilay nahatonga ny fiovan’ny divay ho vinaingitra dia izay antsoina ankehitriny hoe zavamananaina bitika, izay nisy teo amin’ny fanambonin’ilay ranoka. Tamin’ny faran’ny fikarohana nataony, dia nampiseho teo anatrehan’ireo mpamokatra vinaingitra sy olo-nanan-kaja tao an-tanàna ilay “Lesona Momba ny Vinaingitra avy Amin’ny Divay” nalaza nataony izy.

Pasteurisation

Ny fikarohana nataon’i Pasteur tamin’ny fahatongavan-javatra ho mavingy dia nahatonga azy ho afaka hanatsoaka hevitra fa ny ankamaroan’ireo olana momba ny fahasimban-java-pihinana tao amin’ny indostrian-tsakafo, dia nateraky ny mikraoby. Nisy mikraoby teo amin’ny rivotra na tao amin’ny fitoeran-javatra ratsy sasa. Nanipy hevitra i Pasteur fa azo sakanana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fahadiovana ny fanimban’ny bakteria ny entam-barotra ara-tsakafo, ary koa fa azo sakanana amin’ny alalan’ny fihazonana maripana eo anelanelan’ny 50 sy 60 degre Celsius mandritra ny minitra vitsivitsy ny fahasimban’ny ranoka. Nampiasaina teo amin’ny divay aloha io fomba io mba hisorohana ny fahatongavany ho mavingy amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Maty ireo mikraoby lehibe, kanefa tsy nahatonga fiovana be teo amin’ny tsiro na ny hanitra izany.

Nampivoatra ny indostrian-tsakafo io fomba fanaovan-javatra io, izay nantsoina hoe pasteurisation, sady nahazoan’i Pasteur fankatoavam-pamoronana. Amin’izao fotoana izao io teknika io dia tsy ampiasaina intsony amin’ny divay, saingy mbola sahaza ho an’ny entam-barotra maro be, toy ny ronono na ny ranom-boankazo. Kanefa, misy fomba hafa koa azo ampiasaina, toy ny famonoana mikraoby amin’ny fitanehana amin’ny maripana ambony lavitra.

Ny indostria lehibe hafa nandray soa avy tamin’ny fikarohana nataon’i Pasteur dia ny indostria fanamboaran-dabiera. Tamin’izay fotoana izay, dia nanana olana maro momba ny famokarana sy niatrika fifaninanana henjana avy tamin’ny Alemà ny Frantsay. Nanomboka niasa tamin’izany i Pasteur ary nanome torohevitra be dia be an’ireo mpanamboatra labiera. Nanipy hevitra izy ny amin’ny hanehoan’izy ireo fiheverana ny amin’ny fahadiovan’ilay ranoka fanaovana labiera ary koa ny fahadiovana ankapoben’ny rivotra manodidina. Niseho avy hatrany ny fahombiazana, ary nahazo fankatoavam-pamoronana maro izy taorian’izay.

Avy amin’ny fiainana ny fiainana

Hatramin’ny fahagolan-tany, dia naroso ireo hevitra an-taingina indrindra mba hanazavana ny fipoiran’ny bibikely, ny olitra, na ny zavaboary hafa, teo amin’ny zavatra nihalo. Ohatra, tamin’ny taonjato faha-17, dia nirehareha ny simista belza iray fa nahavita nampipoitra totozy izy tamin’ny nanesehana lobaka maloto iray tao anaty siny iray feno varimbazaha!

Nandritra ny andron’i Pasteur, dia nafana ilay ady hevitra teo amin’ny antokon’olona mpahay siansa. Tena fihaikana ny fanoherana an’ireo mpanohana ny fipoiran’ny fiainana ho azy. Vokatr’izay nianaran’i Pasteur tamin’ny fikarohana nataony momba ny fahatongavan-javatra ho mavingy anefa, dia natoky tena izy. Koa nirotsaka tamin’ny fanandramana nokendrena hamarana, indray mandeha tsy hiverina, ilay hevitra momba ny fipoiran’ny fiainana ho azy, izy.

Ny fanandramana nataony tamin’ny fampiasana tavoara lava tenda no iray tamin’ny fanandramana nalaza indrindra nataony. Vetivety dia tafiditry ny otrikaretina ny ranon-kanina navela ho azon-drivotra tsara tao anaty tavoara nisokatra. Kanefa, rehefa tahirizina ao anaty tavoara lava tenda toy ny an’ny gisa io ranon-kanina io ihany, dia mitoetra ho tsy tafiditry ny mikraoby. Nahoana no izany no izy?

Tsotra ny fanazavan’i Pasteur: Rehefa mamakivaky ilay tenda ny bakteria eny amin’ny rivotra, dia mipetraka eo amin’ilay tavoara fitaratra, hany ka tsy misy otrikaretina ilay rivotra amin’ny fotoana ahatongavany eo amin’ilay ranoka. Tsy naterak’ilay ranon-kanina ho azy, fa nentin’ny rivotra ireo otrikaretina mitombo ao anaty tavoara misokatra.

Mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny rivotra amin’ny maha-mpitondra mikraoby azy io, dia nankany amin’ny Mer de Glace, ranomandry be iray any amin’ny Alpes frantsay i Pasteur. Teo amin’ny haambo 1 828 metatra, dia nanokatra ireo tavoarany nihidy izy ka namela azy ireo ho azon-drivotra. Tamin’ireo tavoara 20, dia iray monja no tafiditry ny mikraoby. Avy eo izy dia nankeo am-pototry ny Tendrombohitra Jura ka namerina io fanandramana io ihany. Teo amin’ilay haambo ambany lavitra teo, dia tavoara valo no nanjary tafiditry ny mikraoby. Noporofoiny tamin’izany fa noho ny rivotra nadio kokoa teny amin’ny haambo ambony kokoa, dia kely kokoa ny nety hidiran’ny mikraoby.

Tamin’ny alalan’ny fanandramana toy ireo no nampisehoan’i Pasteur tamin’ny fomba nampiaiky fa tsy mipoitra afa-tsy avy amin’ny fiainana efa nisy teo aloha ny fiainana. Tsy manjary misy ho azy mihitsy izy io.

Ady tamin’ny areti-mifindra

Koa satria mitaky ny hisian’ny mikraoby ny fahatongavan-javatra ho mavingy, dia nanjohy hevitra i Pasteur fa tsy maintsy ho marina koa izany ny amin’ireo areti-mifindra. Noporofoin’ny fandinihana nataony tamin’ny aretin’ny bibin-dandy, izay olana ara-toe-karena lehibe ho an’ireo mpamokatra landy tany atsimo amin’i Frantsa, fa marina ny azy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nahita ireo antony niteraka aretina roa izy ka nanolotra fomba hentitra mba hifantenana bibin-dandy salama. Hisoroka valanaretina izany.

Teo am-pandinihana ny kôleràn’ny akoho, dia nahamarika i Pasteur fa ny voly mikraobin’ny kôlerà izay natao volana vitsivitsy monja dia tsy nampaharary ireo akoho, fa niaro azy ireo tamin’ilay aretina kosa. Raha ny marina, dia zava-baovao hitany ny hoe afaka nanome hery fanefitra an’ireo akoho tamin’ny alalan’ilay mikraoby lefy hery izy.

Tsy i Pasteur no voalohany nampiasa vaksiny. Ny anglisy iray atao hoe Edward Jenner no nampiasa azy io talohany. I Pasteur anefa no voalohany nampiasa ilay otrikaretina mihitsy izay lefy hery, fa tsy nampiasa mikraoby nitovitovy tamin’izy io. Nahomby koa izy tamin’ny fanaovana vaksiny hiarovana tamin’ny tomboka (charbon), areti-mifindra iray mpahazo ny biby mafana ra, toy ny omby aman’ondry.

Nanaraka izany, dia nirotsaka hanao ny adiny farany sady nalaza indrindra izy, dia ny ady tamin’ny haromotana. Na dia tsy takany aza ilay izy, dia nifandray tamin’ny tontolo hafa tanteraka noho ny an’ny bakteria i Pasteur tamin’ny nanoherany ny haromotana. Izao izy dia nifandray tamin’ny virosy, dia tontolo iray tsy nety hitany tamin’ny mikiraosikaopy.

Tamin’ny 6 Jolay 1885, dia nisy reny iray nitondra ny zanany lahy sivy taona nankao amin’ny laboratoaran’i Pasteur. Vao avy nokaikerin’ny alika romotra ilay ankizy. Na dia teo aza ny fiangavian’ilay reny, dia tsy nazoto hanampy an’ilay ankizilahy i Pasteur. Tsy dokotera izy, ary nety ho nampangaina ho nanao fitsaboana tsy ara-dalàna. Ankoatra izany, dia mbola tsy nandramany teo amin’ny olombelona ilay fomba fiasany. Na dia izany aza, dia nangataka ny Dr. Grancher, mpiara-miasa taminy, izy mba hanao vaksiny an’ilay ankizilahy. Nataony izany, ka nitondra vokany tsara. Tamin’ireo olona 350 notsaboina tao anatin’ny herintaona latsaka, dia iray monja — nentina tara loatra — no tsy velona.

Tetsy an-danin’izany, dia nieritreritra ny amin’ny fahadiovan’ny hopitaly i Pasteur. Niteraka fahafatesam-behivavy maro be isan-taona tao amin’ny hopitaly fiterahana tao Paris ny fièvre puerpérale (fanaviana aorian’ny fiterahana). Nanipy hevitra ny amin’ny teknika fiarovana amin’ny fidiran’ny otrikaretina sy ny fahadiovana tanteraka, indrindra ny an’ny tanana, i Pasteur. Noporofoin’ny fandinihana tatỳ aoriana nataon’i Joseph Lister, mpandidy anglisy, sy ny hafa, fa araka ny marina ny fanatsoahan-kevitr’i Pasteur.

Asa mahasoa

Maty tamin’ny 1895 i Pasteur. Nahasoa anefa ny asany, ary mandray soa avy amin’ireo endrika isehoan’izy io isika na dia amin’izao andro izao aza. Izany no antony niantsoana azy hoe “mpanasoa ny olombelona”. Mbola ampifandraisina amin’ireo vaksiny sy fomba fanaovan-javatra izay ekena amin’ny ankapobeny fa noforoniny, ny anarany.

Ny Institut Pasteur, institut naorina tao Paris nandritra ny androm-piainan’i Pasteur ho amin’ny fitsaboana ny haromotana, dia foibe malaza tokoa amin’izao andro izao noho ny fandinihana areti-mifindra. Fantatra indrindra izy io noho ny asany momba ny vaksiny sy ny fanafody — ary vao mainka fantatra kokoa nanomboka tamin’ny 1983, rehefa nisy ekipan’ny mpahay siansa ao aminy, notarihin’ny Profesora Luc Montagnier, nanavaka voalohany ny virosin’ny SIDA.

Tsy fanoherana madinika ara-tsiansa fotsiny ilay ady hevitra momba ny fipoiran’ny fiainana ho azy, izay nandraisan’i Pasteur anjara sady nivoahany ho mpandresy. Mihoatra noho ny hevitra mahaliana nanaovan’ny mpahay siansa na avara-pianarana vitsivitsy fiaraha-nidinika teo amin’izy samy izy, izy io. Nifono heviny lehibe lavitra izy io — tafiditra tamin’izy io ny porofo nisy ifandraisany tamin’ny fisian’Andriamanitra.

Manao fanamarihana i François Dagognet, filozofa frantsay nifantoka manokana tamin’ny siansa, fa “nino ireo fahavalo[n’i Pasteur], izay sady materialista no tsy mpino an’Andriamanitra, hoe ho afaka hanaporofo izy ireo fa mety hisy zavamananaina tokan-tsela hipoitra avy amin’ny molekiola mihalo. Namela azy ireo hanilika an’Andriamanitra Mpamorona izany. Kanefa, tamin’i Pasteur, dia tsy nety hisy lalana hiampita avy tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”.

Hatramin’izao andro izao, ny porofo rehetra avy amin’ny fanandramana, ny tantara, ny biolojia, ny arkeolojia, sy ny siansa mandinika momba ny olombelona, dia manohy mampiseho izay noporofoin’i Pasteur — fa tsy mipoitra afa-tsy avy amin’ny fiainana efa nisy teo aloha, fa tsy avy amin’ny zavatra tsy manana aina, ny fiainana. Ary mampiseho mazava koa ilay porofo fa miteraka “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina, araka ny ambaran’ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy. Ny ateraka dia iray ‘karazana’ amin’ny ray aman-dreniny foana. — Genesisy 1:11, 12, 20-25.

Araka izany, na fantatr’i Louis Pasteur izany na tsia, tamin’ny alalan’ny asany izy dia nanome porofo sy fanamarinana mahery manohitra ny teorian’ny evolisiona sady manohana fa tena ilaina tanteraka ny fisian’ny mpamorona iray mba hipoiran’ny fiainana teto an-tany. Nampiseho taratry ny zavatra neken’ny mpanao salamo nanetry tena toy izao ny asany: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, fa tsy isika”. — Salamo 100:3, fanamarihana ambany pejy.

[Sary, pejy 25]

Nampiasaina mba hamonoana an’ireo mikraoby tsy nirina tao amin’ny divay ilay fitaovana etsy ambony; asongadina eo amin’ny kisary etsy ambany izy io

[Sary, pejy 26]

Noporofoin’ny fanandramana nataon’i Pasteur fa diso ilay teorian’ny fipoiran’ny fiainana ho azy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary rehetra pejy 24-26: © Institut Pasteur

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara