FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 22-23
  • Ratsy Foana ve ny Mahatsiaro Tena ho Meloka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ratsy Foana ve ny Mahatsiaro Tena ho Meloka?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe meloka?
  • Mety ho tsara ny fahatsiarovan-tena ho meloka
  • Fomba fijery voalanjalanja momba ny fahatsiarovan-tena ho meloka
  • Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fanatitra Noho ny Heloka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Hoavy Banjinina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Aza Milavo Lefona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 22-23

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ratsy Foana ve ny Mahatsiaro Tena ho Meloka?

OLONA maro ankehitriny no mihevitra fa ratsy ny mahatsiaro tena ho meloka. Mieritreritra toy ilay filozofa alemà antsoina hoe Friedrich Nietzsche, izy ireny. Hoy izy hoe: “Ny fahatsiarovan-tena ho meloka no aretina ratsy indrindra mpahazo ny olombelona hatramin’izay.”

Hafa anefa ny fanatsoahan-kevitry ny manam-pahaizana sasany ankehitriny. Hoy ny Pr. Susan Forward, dokotera sady mpanoratra fantatra maneran-tany: “Tena ilaina ny mahatsiaro tena ho meloka, satria izany no manampy mba hananana fihetseham-po sy hahaizana mandray andraikitra. Anisan’ny feon’ny fieritreretana ny fahatsiarovan-tena ho meloka.” Moa àry ve ratsy foana ny fahatsiarovan-tena ho meloka? Mety hanampy ve izy io amin’ny tarehin-javatra sasany?

Inona no atao hoe meloka?

Manomboka mahatsiaro tena ho meloka isika rehefa mahatsapa fa nampalahelo olona tiantsika na koa tsy nankatò fitsipika heverintsika fa tokony harahintsika. Milaza ny loharanon-kevitra iray fa ny fahatsiarovan-tena ho meloka dia mifandray amin’ny “fahatsapana fa mila manonitra ny fahadisoan’ny tena, toy ny tsy fahombiazana, fandikan-dalàna, heloka bevava, na fahotana.”

Isiraelita tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra no lazaina fa meloka ao amin’ny Soratra Hebreo, ka hita ao amin’ny bokin’ny Levitikosy sy Nomery ny ankamaroan’ny firesahana momba izany. Mahaliana fa tsy dia hita firy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io teny io. Saika mifandray avokoa amin’ny fahotana lehibe amin’Andriamanitra anefa ireo andinin-teny vitsy miresaka azy io ao.—Marka 3:29; 1 Korintiana 11:27.

Mampalahelo fa mety hahatsiaro tena ho meloka isika na dia tsy tena meloka akory aza. Ohatra, raha fatra-pikatsaka ny tonga lafatra ny olona iray ary mitady zavatra tsy ho arany mihitsy, dia hahatsiaro tena ho meloka tsy amin’antony isaky ny misy zavatra mahakivy azy. (Mpitoriteny 7:16) Na mety ho nanenina tokoa noho ny fahadisoana iray isika. Mety havelantsika hitombo anefa izany nenina izany, ka ho lasa henatra mahatonga antsika hanasazy tena tsy amin’antony amin’ny farany. Inona àry no mety hahatsara ny fahatsiarovan-tena ho meloka?

Mety ho tsara ny fahatsiarovan-tena ho meloka

Antony telo, fara fahakeliny, no mety hahatsara ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Voalohany: Mampahafantatra amintsika izy io fa ao an-tsaintsika ny fitsipika tsara ary miasa ny feon’ny fieritreretantsika. (Romana 2:15) Milaza tokoa ny boky navoakan’ny Fikambanana Amerikanina Mitsabo Aretin-tsaina fa fitondran-tena manimba ny fiaraha-monina ny tsy fahatsiarovan-tena ho meloka. Tsy afaka manavaka ny mety sy ny tsy mety ireo manana feon’ny fieritreretana simba na tsy miasa intsony, ary mety hampidi-doza izany.—Titosy 1:15, 16.

Faharoa: Afaka misakana antsika tsy hanao ratsy ny feon’ny fieritreretana mahatsiaro ho meloka. Fantatsika fa mety hisy aretina hahazo antsika rehefa manaintaina ny vatantsika. Toy izany koa fa mety hanana olana ara-pitondran-tena na ara-panahy mila ny hojerentsika isika, matoa marary ny fontsika rehefa mahatsiaro tena ho meloka isika. Ho mora amintsika ny tsy hampalahelo intsony ny tenantsika, ny havan-tiantsika, na ny olon-kafa amin’ny hoavy raha fantatsika ilay fahalementsika.—Matio 7:12.

Fahatelo: Afaka manampy an’ilay meloka sy ilay nasiany ratsy ny fieken-keloka. Nahatsapa fahoriam-po faran’izay mafy, ohatra, i Davida Mpanjaka, rehefa nahatsiaro tena ho meloka. Hoy ny nosoratany: “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva.” Nihira tamim-pifaliana toy izao anefa i Davida rehefa avy niaiky ny fahotany tamin’Andriamanitra: “Fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.” (Salamo 32:3, 7) Mampionona an’ilay nasian-dratsy mihitsy aza ny fieken-keloka, satria manome toky azy izany fa tena tia azy ilay meloka ka nanenina noho izy nahavita nampahory azy toy izany.—2 Samoela 11:2-15.

Fomba fijery voalanjalanja momba ny fahatsiarovan-tena ho meloka

Mariho ny fahasamihafana tanteraka teo amin’ny fomba fiheveran’i Jesosy sy ny Fariseo ny mpanota sy ny ota, mba hananana fomba fijery voalanjalanja momba ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Hitantsika ao amin’ny Lioka 7:36-50 ny momba ny vehivavy iray naloto fitondran-tena izay niditra tao an-tranon’ny Fariseo iray. Nisakafo tao i Jesosy. Nanatona an’i Jesosy ilay vehivavy, nosasany tamin’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, ary nohosorany menaka manitra lafo vidy.

Nanambany ilay vehivavy sy tsy niraharaha azy akory ilay Fariseo mpivavaka. Hoy izy anakampo: “Raha mpaminany Ity [Jesosy], dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.” (Lioka 7:39) Nanitsy haingana ny fisainany i Jesosy. Hoy izy: “Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy.” Azo inoana fa nampahery an’ilay vehivavy ireo teny feno hatsaram-panahy ireo ary nanamaivana ny fony.—Lioka 7:46, 47.

Tsy nanala tsiny velively ny fahalotoam-pitondran-tena akory i Jesosy. Nampianatra an’ilay Fariseo niavonavona kosa izy fa ny fitiavana no antony lehibe indrindra hanompoana an’Andriamanitra. (Matio 22:36-40) Mazava ho azy fa rariny raha nahatsiaro tena ho meloka noho ny fitondran-tenany naloto taloha ilay vehivavy. Hita fa nibebaka izy satria nitomany, tsy niezaka nanala tsiny ny fitondran-tenany taloha, ary nanao zavatra mba hanomezam-boninahitra an’i Jesosy ampahibemaso. Hitan’i Jesosy izany, ka hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.”—Lioka 7:50.

Nanohy nanambany azy ho mpanota anefa ilay Fariseo. Angamba izy nikasa hanao izay hahatsapan’ilay vehivavy ny fahadisoany sy hampahamenatra azy. Tsy fanehoam-pitiavana anefa ny fiezahana foana hanao izay hahatsapan’ny olon-kafa fa meloka izy rehefa tsy manao zavatra araka ny itiavantsika azy. Ary hiteraka vokatra tsy araka ny nirintsika izany amin’ny farany. (2 Korintiana 9:7) Ny manahaka an’i Jesosy no ahazoana vokatra tsara indrindra. Manao izany isika rehefa mamela ohatra tsara, midera ny olona amim-pahatsorana ary matoky azy ireny na dia ilaina aza indraindray ny mananatra sy ny manome torohevitra.—Matio 11:28-30; Romana 12:10; Efesiana 4:29.

Araka izany, dia mety ho tsara, tena ilaina mihitsy aza, ny fahatsiarovan-tena ho meloka, rehefa nanao fahadisoana isika. Milaza ny Ohabolana 14:9 (fanamarihana ambany pejy) fa “ihomehezan’ny adala ny heloka.” Afaka manosika antsika hiaiky ny helotsika sy hanao asa hafa ilaina ny feon’ny fieritreretana mahatsiaro ho meloka, ary tokony hanao izany izy io. Fitiavana hatrany anefa, fa tsy fahatsiarovan-tena ho meloka, no tokony ho antony lehibe indrindra hanompoantsika an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Manome toky antsika ny Baiboly fa raha noho izany no hampaherezana sy hamelombelomana ny olona, dia hanao izay rehetra vitany izy. Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, dia ho sambatra izy hanao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara