Toko 32
Inona no Fialam-boly Azoko Atao?
Marina sa diso izao:
Milaza ny Baiboly fa...
Tsy azo atao mihitsy ny manao fanatanjahan-tena.
□ Marina □ Diso
Misy vokany ratsy daholo ny filma sy fandaharana ao amin’ny tele.
□ Marina □ Diso
Ratsy daholo ny dihy rehetra.
□ Marina □ Diso
NIANATRA mafy ianao tany am-pianarana. Tonga ity ny faran’ny herinandro. Efa vitanao ny raharahanao rehetra. Mbola tsy reraka anefa ianao, ary izany no tombony ananan’ny tanora. (Ohabolana 20:29) Ny hiala voly àry izao no masaka ao an-tsainao.
Mety hiteny ny namanao fa hentitra loatra ny Baiboly, satria voalaza ao, hono, fa tsy azo atao ny miala voly. Marina ve anefa izany? Andeha hodinihintsika ireo fehezanteny etsy aloha ireo, ary hojerentsika izay tena lazain’ny Baiboly momba ny fialam-boly.
● Tsy azo atao mihitsy ny manao fanatanjahan-tena.
Diso. Milaza ny Baiboly fa ‘mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Maro be ankehitriny ny fanatanjahan-tena mahasoa sady mahafinaritra. Anisan’izany ny mitaingina bisikileta, mihazakazaka, manao tenisy, baskety, voley, ary baolina kitra.
Ilaina anefa ny mitandrina. Nahoana? Diniho ilay andinin-teny manontolo. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ilay tovolahy atao hoe Timoty: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” Voalaza eo fa tokony hahafoy tena ho an’Andriamanitra isika, na hoe hampifaly azy. Izany foana no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, na dia rehefa mifidy fanatanjahan-tena aza. Ahoana no hahavitantsika izany? Saintsaino ireto:
1. Mampidi-doza ve ilay fanatanjahan-tena? Aza mianina amin’izay lazain’ny olona, na izay tenenin’ny ankizy tia be an’ilay izy. Fantaro kosa ny tena marina. Ohatra hoe: Firy ny olona maratra rehefa manao azy io? Efa misy fepetra raisina ve mba hisorohana loza? Inona, ohatra, no zavatra mila ianarana na fitaovana ilaina? Marina fa mety hampidi-doza daholo ny fanatanjahan-tena, nefa inona no tena tanjona amin’ilay tianao hatao? Ny hisetra loza ve?
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina. Voalaza tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra fa tsy maintsy sazina mafy izay Israelita nahafaty olona, na dia tsy fanahy iniany aza. (Eksodosy 21:29; Nomery 35:22-25) Nisy fepetra tsy maintsy narahin’izy ireo àry mba hisorohana loza. (Deoteronomia 22:8) Tsy maintsy manao toy izany koa ny Kristianina ankehitriny, ho fanajana ny aina.
2. Ahazoana namana tsara ve ilay izy? Mety hampirisika mafy anao hiditra ao amin’ny ekipan’ny sekoly ny namanao sy ny mpampianatra anao, raha mahay ianao amin’ny fanatanjahan-tena. Ary tena tianao koa angamba izany. Hoy i Rindra, tanora kristianina iray: “Tsy rariny kosa ny ataon’ny dada sy mamanay, fa tsy avelany hiditra ao amin’ny ekipa any am-pianarana aho.” Aza maika hanery ny ray aman-dreninao hanaiky ny fanirianao anefa, fa eritrereto aloha izao: Aorian’ny ora fianarana matetika no anaovana ny fanazaran-tena sy ny lalao. Raha tena mahay an’ilay fanatanjahan-tena ianao, dia hampirisihin’ny olona hanokana fotoana bebe kokoa amin’ilay izy. Raha tsy tena mahay kosa ianao, dia lasa te hanao fanazaran-tena bebe kokoa. Matetika koa no lasa mpinamana be ny ankizy ao amin’ilay ekipa, satria miara-mifaly rehefa mandresy ary miara-malahelo rehefa resy.
Saintsaino àry izao: ‘Hahasoa ahy ve ny mandany fotoana hanaovana zavatra mety hahatonga ahy hinamana be amin’ny tanora tsy mitovy finoana amiko?’ (1 Korintianina 15:33) ‘Inona avy no tsy maintsy hafoiko mba hidirana ao amin’io ekipa io? Vonona amin’izany ve aho?’
3. Adiny firy no ho laniko amin’io fanatanjahan-tena io, ary ohatrinona ny vola hilaiko? Manoro hevitra antsika ny Baiboly mba ‘hamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Inona no hanampy anao amin’izany? Diniho ireto: ‘Mbola hanam-potoana hanaovana devoara na ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve aho, raha manao an’io fanatanjahan-tena io? Ohatrinona ny vola hilaiko? Manam-bola ho amin’izany ve aho?’ Ho hainao hoe inona no tokony hatao voalohany, raha saintsaininao ireo.
● Misy vokany ratsy daholo ny filma sy fandaharana ao amin’ny tele.
Diso. Marina fa mandidy ny Kristianina ny Baiboly hoe: “Mifikira amin’izay tsara. Fadio ny ratsy amin’ny endriny rehetra.” (1 Tesalonianina 5:21, 22) Tsy ratsy daholo anefa ny filma sy fandaharana ao amin’ny tele.a
Hevitra tsara ny mandeha mijery sinema, satria fotoana azo hararaotina iarahana amin’ny namana izany. Hoy i Leigh, ankizivavy atsy Afrika Atsimo: “Miantso ankizy iray aho rehefa misy filma tiako hojerena. Ilazanay avy eo ny namanay hafa.” Amin’ny antoandro ireo ankizy ireo matetika no mijery sinema. Tsenain’ny ray aman-dreniny izy avy eo, ary miara-misakafo any amin’ny hotely ry zareo.
Marina fa vao haingana ihany no nisy ny sinema na filma na tantara ao amin’ny tele. Efa nitantara zavatra koa anefa ny olona fahiny. Anisan’ireny i Jesosy, ary tena nahay nanohina ny fon’ny olona izy. Nahatonga ny olona hahay hangoraka, ohatra, ilay fanoharany momba ilay Samaritanina tsara fanahy, ary nampianatra toetra tsara hafa tokony haseho amin’ny mpiara-belona.—Lioka 10:29-37.
Mampiana-javatra antsika koa ankehitriny ny mpamorona filma, ary misy vokany eo amintsika izany. Ataony izay hitiavantsika ny mpilalao ao amin’ilay izy, na dia jiolahy aza izy io, na koa tia mampijaly olona mba hahazoana fahefana. Raha tsy mitandrina ianao, dia mety hanantena fa handresy ilay jiolahy. Lasa tsy mampaninona anao ny mahita azy mijangajanga na manao habibiana! Inona no azonao atao mba tsy hitranga aminao izany?
Eritrereto àry izao rehefa mifidy filma na fandaharana ao amin’ny tele ianao: ‘Hanampy ahy hahay hangoraka ve ilay izy?’ (Efesianina 4:32) ‘Sa hahatonga ahy ho faly amin’ny fahavoazan’ny hafa?’ (Ohabolana 17:5) ‘Sao dia ho sarotra amiko ny “hankahala ny ratsy”, raha mijery azy io aho?’ (Salamo 97:10) ‘Sao dia lasa mankasitraka ny ataon’ny “mpanao ratsy” aho?’—Salamo 26:4, 5.
Jereo koa ny famintinana an’ilay filma sy ny dokam-barotra momba azy io. Ho fantapantatrao amin’izay ny zavatra ho hitanao ao. Aza ‘mino ny teny rehetra renao’ anefa. (Ohabolana 14:15) Mety ho ny heviny fotsiny mantsy no lazain’ilay mpanao famintinana. Mety hanafina koa ny mpanao dokam-barotra hoe misy zavatra maharikoriko ao amin’ilay filma. Hoy i Zo: “Hitako hoe tsara ny mamantatra izay mpilalao tena hisongadina ao amin’ilay filma. Ho fantapantatrao amin’izay hoe inona no ho hitanao ao.”
Azonao anontaniana koa izay namanao tena mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Tadidio anefa, fa izay zavatra tena tiany tao amin’ilay filma ihany matetika no resahin’ny olona. Nahoana àry raha mba anontaniana koa izay zavatra ratsy ao amin’ilay izy? Ataovy mazava ny fanontanianao. Ohatra hoe: ‘Misy olona mahery setra na mijangajanga na mifandray amin’ny Devoly ve ao amin’ilay izy?’ Hahasoa anao koa ny torohevitry ny ray aman-dreninao. Hoy i Vanessa: “Manontany an’ny dada sy mamanay aho aloha. Rehefa miteny ry zareo hoe azoko jerena ilay filma, izay aho vao mijery.”
Aza mieritreritra hoe tsy mampaninona izay filma na fandaharana amin’ny tele jerenao. Mampiharihary ny ao am-ponao sy ny fitsipika tena tianao hankatoavina mantsy, izay fialam-boly fidinao. (Lioka 6:45) Ho hita koa hoe olona manao ahoana no tianao ho namanao, ary inona no fomba fiteny sy fitondran-tena tsy mampaninona anao. Mahaiza àry mifidy!
● Ratsy daholo ny dihy rehetra.
Diso. Nitarika ny vehivavy rehetra handihy i Miriama, rehefa avy niampita ny Ranomasina Mena ny Israelita, ka afaka tamin’ny tafika ejipsianina. (Eksodosy 15:20) Nisy “mozika sy olona nandihy” koa tamin’ilay fety natao handraisana ilay zanaka adala, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.—Lioka 15:25.
Samy tia mandihy koa ankehitriny, na antitra na tanora, rehefa tafaraka ny havana aman-tsakaiza. Ilaina ihany anefa ny mitandrina. Marina fa tsy raran’ny Baiboly ny fiaraha-mikorana tsotsotra. Mampitandrina antsika kosa izy io mba tsy hanao “lanonana feno filibana.” (Galatianina 5:19-21) Hoy i Isaia mpaminany: “Lozan’izay mifoha maraina mba hitady toaka, sady misotro foana mandra-pahamaizin’ny andro mba ho mamon-divay! Ary misy harpa sy lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary divay ao amin’ny fanasan’izy ireo, kanefa tsy ahoany ny zavatra ataon’i Jehovah.”—Isaia 5:11, 12.
Fahita tamin’ireny fety ireny ny toaka sy ny mozika mitabataba be. Nanomboka vao maraina be izy ireny, ary nitohy mandra-pahamaizin’ny andro. Mariho koa ny zavatra nataon’ireo olona tao amin’ilay fety: Toy ny hoe tsy nisy Andriamanitra taminy! Tsy mahagaga àry raha halan’Andriamanitra ny fety toy ireny.
Raha asain’olona amin’ny fety àry ianao, ka hisy dihy any, dia mieritrereta hoe: ‘Iza avy no nasainy? Malaza ho maditra sa hendry izy ireo? Iza no ho tompon’andraikitra ao amin’ilay fety? Ho voara-maso tsara ve ilay izy? Avelan’i Dada sy Neny handeha ve aho? Inona no dihy hatao any?’ Maro ny karazana dihy tsy natao afa-tsy hanaitairana ny filan’ny nofo. Ho mora aminao ve ny ‘handositra ny fijangajangana’ raha manao an’ilay dihy ianao, ary na dia mijery olona manao an’ilay izy fotsiny aza?—1 Korintianina 6:18.
Ahoana kosa raha misy manasa anao ho any amin’ny boîte de nuit na toeram-pandihizana? Diniho ny tenin’i Samy. Mpandeha tany amin’ireny toerana ireny izy tamin’izy mbola tsy Kristianina. Hoy izy: ‘Mozika tsy mety amin’ny Kristianina no alefa any matetika. Dihy mahamenatra no ataon’ny olona. Be dia be koa no mankany mba hitady olona hanaovana firaisana.’ Niova anefa i Samy rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana hoy izy? “Tsy natao ho an’ny Kristianina ny boîte de nuit.”
Nahoana ianao no tokony hitandrina foana?
Rahoviana ny miaramila no mora tafihin’ny fahavalony, araka ny hevitrao? Rehefa any an’ady ve? Sa rehefa miala sasatra miaraka amin’ny namany? Rehefa miala sasatra, satria varimbariana izy amin’izay. Toy izany koa ny aminao. Any am-pianarana na any am-piasana ianao no mitandrina kokoa, ka miezaka mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Mailomailo ianao raha vao mitady hisy fakam-panahy. Rehefa miala voly miaraka amin’ny namanao kosa ianao no tena mora resin’ny fakam-panahy.
Mety hihomehezan’ny tanora sasany ianao, satria mankatò ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fialam-boly. Mety ho zanaka Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza ilay mihomehy. Efa tsy miasa tsara intsony anefa ny feon’ny fieritreretan’izy ireny. (1 Timoty 4:2) Mety hilaza izy ireo fa tery saina ianao na miseho ho masina be. Aza manaiky hotaominy anefa. Aoka kosa ianao ‘hanana feon’ny fieritreretana madio.’—1 Petera 3:16.
Izay eritreretin’i Jehovah momba anao no tena zava-dehibe, fa tsy izay eritreretin’ny ankizy! Aleo mitady namana hafa raha tenitenenin’izy ireo lava ianao, noho ianao miezaka mihaino ny feon’ny fieritreretanao. (Ohabolana 13:20) Tadidio fa ianao ihany no tokony hifidy ny fitsipika harahinao, na dia momba ny fialam-boly aza.—Ohabolana 4:23.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 37, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Miparitaka be izao ny sary vetaveta, ka tsy mila mikaroka intsony ny olona. Inona no azonao atao mba tsy ho voasarika hijery azy ireny?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky teo aloha, toko 36, raha mila fanazavana fanampiny.
ANDININ-TENY
“Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao, ... ka ataovy izay irin’ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Fantaro anefa fa hotsarain’Andriamanitra ianao amin’izany rehetra izany.”—Mpitoriteny 11:9.
SOSO-KEVITRA
Anontanio ny ray aman-dreninao, raha mba afaka manokana fotoana tsy ijerena tele ianareo mianakavy isam-bolana, fa iarahana miala voly.
FANTATRAO VE... ?
Anisan’ny zava-dehibe ny dihy sy mozika, teo amin’ny fivavahana marina fahiny.—Salamo 150:4.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hoteneniko raha asaina miditra ao amin’ny ekipan’ny sekolinay aho: ․․․․․
Izao no hataoko raha tsy mety amin’ny Kristianina ny filma jerenay sy ny namako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany:
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanao fanatanjahan-tena hita fa mampidi-doza?
● Ahoana no hahalalanao raha azon’ny Kristianina jerena ny filma iray na tsia?
● Inona no dihy azon’ny Kristianina atao?
[Teny notsongaina, pejy 269]
Tia mandihy aho. Hitako anefa hoe hay tsara ny mihaino ny tenin’ny ray aman-dreny. Miezaka tsy mandany fotoana be amin’ny dihy àry aho.’’—Tiana
[Sary, pejy 268]
Rehefa miala sasatra ny miaramila no mora tafihina. Rehefa miala voly koa ianao no mora resin’ny fakam-panahy