FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 5 p. 18-p. 19 feh. 5
  • Ny Sambofiaran’i Noa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Sambofiaran’i Noa
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanamboatra Sambofiara Iray i Noa
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Nifaoka Tontolo Iray ny Rano
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • “Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra Izy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 5 p. 18-p. 19 feh. 5
Noa mianakavy, manao an’ilay sambofiara

LESONA 5

Ny Sambofiaran’i Noa

Lasa be dia be ny olona teto an-tany, rehefa nandeha ny fotoana. Nanao ratsy anefa ny ankamaroan-dry zareo. Na ny anjely sasany tany an-danitra aza lasa nanao ratsy. Niala tany ry zareo ary nanketỳ ambonin’ny tany, dia mody nanao olombelona. Fa maninona? Amin’izay ry zareo afaka manambady an’izay vehivavy tiany.

Niteraka lahikely ireo anjely ireo sy ny vadiny. Lasa natanjaka be ireny zanany ireny rehefa lehibe, dia nampijalijaly olona. I Jehovah ve anefa dia hijery fotsiny an’izany rehetra izany? Tsy izany ka! Nanapa-kevitra izy hoe hasiany safodrano be, dia ho faty daholo ny olona ratsy.

Noa mianakavy, manao an’ilay sambofiara sy mikarakara sakafo

Nisy lehilahy iray izay anefa tsy mba hoatran’ny olon-drehetra. Tia an’i Jehovah mantsy izy. Noa no anarany. Nanambady izy ary nanan-janaka telo lahy. Sema sy Hama ary Jafeta no anaran-dry zareo. Nanambady koa ireo zanany ireo. Nasain’i Jehovah nanamboatra sambofiara i Noa. Hoatran’ny boaty ngezabe ilay izy, ary afaka mitsingevana eny ambony rano. Tsy ho faty amin’ilay Safodrano i Noa sy ny fianakaviany rehefa miditra ao. Nasain’i Jehovah nampiditra biby be dia be tao koa i Noa, amin’izay koa izy ireny tsy ho faty.

Tonga dia nanamboatra an’ilay sambofiara i Noa. Afaka 50 taona teo ho eo vao vita ilay izy, ary nataon-dry zareo hoatran’izay notenenin’i Jehovah mihitsy. Sady nanamboatra an’ilay sambofiara izy no nampitandrina ny olona hoe ho avy ny Safodrano. Tsy nisy nihaino anefa izy.

Tsy maintsy niditra tao amin’ilay sambofiara amin’izay àry ry Noa. Dia inona no nitranga avy eo?

“Ho toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”​—Matio 24:37

Fanontaniana: Nahoana no nasian’i Jehovah Safodrano teto an-tany? Inona avy no nasain’i Jehovah nataon’i Noa?

Genesisy 6:1-22; Matio 24:37-41; 2 Petera 2:5; Joda 6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara