FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 6 p. 20-p. 21 feh. 5
  • Olona Valo Sisa no Velona!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona Valo Sisa no Velona!
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifaoka Tontolo Iray ny Rano
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ny Sambofiaran’i Noa
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Ny Safodrano Lehibe
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nanamboatra Sambofiara Iray i Noa
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 6 p. 20-p. 21 feh. 5
Avy be ny orana dia mitsingevana ilay sambofiara

LESONA 6

Olona Valo Sisa no Velona!

Mivoaka an’ilay sambofiara i Noa sy ny fianakaviany ary ny biby

Niditra tao anatin’ilay sambofiara i Noa sy ny vady aman-janany ary ny biby. Dia nohidian’i Jehovah ny varavarana, ary nanomboka avy ny orana. Avy be mihitsy ilay izy, ka lasa nitsingevana ilay sambofiara. Difotry ny rano ny tany tamin’ny farany. Maty daholo ny mpanao ratsy tany ivelan’ilay sambofiara, fa avotra kosa ry Noa. Mba hoatran’ny ahoana re izao ny hafalian-dry zareo hoe nankatò an’i Jehovah e?

Avy be foana ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Rehefa nitsahatra ilay izy, dia nihena tsikelikely ny rano. Tafajanona teny ambony tendrombohitra àry ilay sambofiara tamin’ny farany. Mbola nisy rano be anefa teto an-tany, ka tsy afaka nivoaka ry Noa.

Ritra ihany ilay rano rehefa nandeha ny fotoana. Herintaona mahery ry Noa no nijanona tao anatin’ilay sambofiara. Niteny tamin-dry zareo i Jehovah avy eo hoe afaka mivoaka amin’izay. Hoatran’ny hoe tany vaovao mihitsy no hitan-dry Noa satria tsy nisy mpanao ratsy intsony. Nisaotsaotra an’i Jehovah izy mianakavy fa novonjeny, dia nanao fanatitra ho an’azy.

Avana

Tian’i Jehovah ilay fanatitra. Nampanantena izy avy eo fa tsy hasiany safodrano hoatran’iny intsony eto an-tany. Nisy famantarana nomeny àry taorian’izay. Nasiany avana nipoitra teny amin’ny lanitra, ary io no avana voalohany indrindra! Efa nahita avana ve ianao?

Niteny tamin’i Noa sy ny vadiny ary ny zanany i Jehovah avy eo mba hiteraka, amin’izay ho feno olona ny tany.

‘Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa. Ary tsy niraharaha ny olona mandra-pahatongan’ilay Safodrano nifaoka azy rehetra.’​—Matio 24:38, 39

Fanontaniana: Inona no nitranga rehefa nohidian’i Jehovah ny varavaran’ny sambofiara? Inona no tokony hotadidintsika rehefa mahita avana isika?

Genesisy 7:1–9:17

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara