ASYNKRITO
(Asynkritô) [Tsy Manan-tsahala].
Kristianina iray tany Roma, ary nataon’ny apostoly Paoly mampamangy rehefa nanoratra ho an’ny Romanina izy tany Korinto, tamin’ny taona 56 tany ho any. (Ro 16:14) Izay ihany no lazain’ny Soratra Masina momba an’i Asynkrito. Asehon’ny soratra na taratasy papyrus hita tamin’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany anefa, fa be dia be ny olona nanana an’io anarana io tamin’izany.