FIRAISANA AMIN’NY BIBY
Firaisana ataon’ny lehilahy na vehivavy amin’ny biby. Noraran’ny Lalàn’i Mosesy izany fanao maharikoriko izany, ary nomelohina ho faty ilay olona sy ilay biby. Hoy ny Baiboly: “Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny biby, dia tsy maintsy vonoina ho faty izy, ary hovonoina koa ilay biby. Ary raha misy vehivavy manakaiky biby mba hanao firaisana aminy, dia hovonoinao ho faty ravehivavy sy ilay biby.”—Le 20:15, 16; 18:23; Ek 22:19; De 27:21.
Nanaraka an’io didy io sy ny lalàna hafa nomen’Andriamanitra momba ny firaisana ny Israelita, ka lasa tsara fitondran-tena kokoa noho ireo firenena nanodidina azy. Niray tamin’ny biby mantsy ireo nivavaka tamin’ny biby, tany Ejipta. Lazain’ny mpahay tantara, ohatra, fa nisy vehivavy nanao firaisana tamin’ny osy tany. Fanaon’ny Kananita koa ny niray tamin’ny biby (Le 18:23-30), ary nisy nanao toy izany koa, hono, tany Roma.
“Fijangajangana” (gr.: pôrneia) koa ny firaisana amin’ny biby. (Jereo FIJANGAJANGANA.) Maloto fitondran-tena ny olona manao an’izany fanao maharikoriko izany. Horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana izay Kristianina manao izany.—Ef 5:3; Kl 3:5, 6.