Fanontanian’ny Mpamaky
Inona ilay “hevitra” hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo firenena atsy ho atsy?
Miresaka ny zavatra hitranga eo am-piandohan’ny fahoriana lehibe ny Apokalypsy 17:16, 17, hoe: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba an’izay ananany rehetra sy hampiboridana azy. Dia hohanin’izy ireo ny nofony, ary hodorany tanteraka amin’ny afo izy. Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo mantsy ny hanatanteraka ny heviny, izany hoe ny hanatanteraka an’ilay hevitra tokana iombonan’izy ireo, dia ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia.” Nilaza ny bokintsika taloha fa ilay “hevitra” hataon’Andriamanitra ao am-pon’ireo firenena dia ny handringana ny fivavahan-diso rehetra.
Mila ahitsy anefa izany. Ilay “hevitra” hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo firenena dia hoe “hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia” ry zareo. Ahoana no hahatanterahan’izany? Diniho ireto fanontaniana ireto:
Iza avy no resahina ao amin’ilay faminaniana? “Ilay mpivaro-tena”, izay antsoina koa hoe Babylona Lehibe, dia ny fivavahan-diso rehetra eran-tany. Ilay “bibidia mena midorehitra” dia ny Firenena Mikambana. Niforona izy io tamin’ny 1919 mba hampisy fandriampahalemana eran-tany, ary nantsoina hoe Fikambanam-pirenena izy io tamin’izany. (Apok. 17:3-5) Ny “tandroka folo” kosa dia ny fitondrana rehetra manohana an’ilay bibidia.
Inona no fifandraisana misy eo amin’ilay mpivaro-tena sy ilay bibidia mena midorehitra? ‘Mitaingina’ an’ilay bibidia ilay mpivaro-tena. Midika izany hoe manohana an’ilay bibidia izy sady miezaka mifehy azy io mihitsy aza.
Hatao ahoana ilay mpivaro-tena? “Hankahala an’ilay mpivaro-tena” ilay bibidia sy ireo tandroka folo manohana azy. Ahoana no hataon’izy ireo? Handroba an’izay ananany rehetra ry zareo, dia hampiharihary ny faharatsiany. Hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah ry zareo ka handringana azy tanteraka. (Apok. 17:1; 18:8) Izay no hiafaran’ny fivavahan-diso. Alohan’izay anefa, dia hataon’i Jehovah izay hanaovan’ireo firenena zavatra mbola tsy nitranga mihitsy hatramin’izay.
Inona no hasain’i Jehovah hataon’ireo firenena? Hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo tandroka folo “ny heviny” dia ny hoe ‘hanome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia’, na ny Firenena Mikambana, ry zareo. (Apok. 17:13) Saintsaino anie izany e! Sitrapon’ny fitondran’olombelona ve ny hanome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia? Tsia! Resahin’ilay faminaniana hoe Andriamanitra no mahatonga an-dry zareo hanao an’izany. (Ohab. 21:1; ampitahao amin’ny Isaia 44:28.) Tsy hitranga tsikelikely izany fa ho tampoka. Hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah avy eo ilay bibidia vao avy nahazo fahefana, ka handringana tanteraka ny fivavahan-diso rehetra.
Inona no hitranga atsy ho atsy? Tsy hanantena isika fa hilaza ny filazam-baovao hoe mihamanohana tsikelikely ny Firenena Mikambana ny fitondram-panjakana. Ho tampoka kosa ilay hoe hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo firenena ny hanomezan-dry zareo ny fahefany ho an’ilay bibidia. Raha vao miseho izany dia ho fantatsika hoe efa hanomboka ny fahoriana lehibe. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia andao isika “hiambina foana sady hisaina tsara foana” satria hisy fiovana tampoka aoriana kely ao.—1 Tes. 5:6.