FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Korintsana”
  • Korintsana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Korintsana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Zavamaneno teo Amin’ny Israely Fahiny
    Mifohaza!—2011
  • Ny Fiainana Fahiny: Ny Zavamaneno
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mozika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ampongatapaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Korintsana”

KORINTSANA

Miseho indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly ny hoe menaʽanʽim (heb.; “korintsana”), ary toa avy amin’ny fototeny midika hoe “mihetsiketsika” na mandroso mihemotra. (2Sa 6:5) Ahetsiketsika ny korintsana ka maro ny mpanao diksionera sy mpahay tantaran’ny mozika ary mpandika Baiboly milaza hoe “korintsana” no dikan’ny hoe menaʽanʽim.​— DIEM, Prot., TV.

Vy kely boribory lavalava nisy tahony ny korintsana fahiny, izay nirefy 20 ka hatramin’ny 46 sm teo ho eo ny lavany, rehefa jerena ny korintsana fahiny mbola misy ankehitriny sy ny sary ejipsianina ary ny sary hafa eo amin’ny tsangambato. Nisy vy kely lavalava nitsivalana sady nigoragora ilay izy, ary namoaka feo maranitra sy mikitrana ireo vy ireo rehefa nahetsiketsika. Mety ho tsy nitovy halava izy ireo ka namoaka feo samy hafa. Ny korintsana hafa indray nisy vy boribory teo amin’ireo vy nitsivalana, ka ireo no naneno rehefa nahetsiketsika ilay izy. Tamin’ny fety no nampiasana ilay hany korintsana resahin’ny Baiboly. Nampiasaina rehefa nisy fahoriana koa anefa ny korintsana, hoy ny lovantsofina jiosy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara