Nahoana no matahotra izao tontolo izao?
Moa miaina ao anatin’ny tahotra tokoa va izao tontolo izao? Eny, miaina ao anatin’ny tahotra tokoa ny olona, dia ny tahotry ny mpangalatra, ny heloka vitan’ny tanora sy ny sisa; ivelan’izany dia mbola matahotry ny aretina toy ny “cancer” koa ny olona; ary mbola matahotra ihany koa ny tsy fahitana asa hatao, matahotra ny hisaraka amin’ny olon-tsy foiny, matahotra ny loza mety hateraky ny ady ataomika.
Na ireo firenena “lehibe” aza, dia samy matahotra ny ady lehibe fahatelo. Boky kely navoakan’ny Firenena mikambana mitondra ny lohateny hoe: Disarmement and its Economic and Social Consequences, no manome antsika ny porofon’izany tahotra izany. Voalaza ao anatin’izany fa mandany vola be mihitsy ankehitriny ny firenena mba hiarovana ny taniny tsirairay avy. Ary mbola hanampy izany ihany koa ny isan’ny lehilahy izay manao ny asa miaramila. 20 tapitrisa ny isan’izy ireo eran’izao tontolo izao, kanefa ny isan’ny olona hampiasaina ho amin’ny fanaovana fiadiana, dia mahatratra 30 tapitrisa, ka raha fehezina izany, dia hita fa olona 50 tapitrisa no miasa toy izany noho ny tahony ihany.
Nahoana moa no misy tahotra sahala amin’izany? Noho ny tsy fisian’ny fitiavana sy ny tsy fifampitokisan’ny firenena tsirairay avy, noho ny fitiavan-tenan’ny olona, noho ny fahalemen’ny olona sy ny tsy fahatanterahany. Ary, tsy maintsy lazaina, ambonin’izany rehetra izany, fa noho ny fitarihan’i Satana, Devoly izay romotra tokoa satria fantany fa manakaiky ny fandringanana azy (Apokalypsy 12:12). Noho izany, dia azo lazaina fa tanteraka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” — Lioka 21:25, 26.
Kanefa tsy ny olon-drehetra akory no azon’izany tahotra izany. Marina aloha fa misy ireo izay tsy mahalala ny anton’ny fahoriana eran’izao tontolo izao, ireo izay tsy mahalala ny fomba hielàna amin’izany, ireo izay tsy mahita fomba handaminana izany fahasahiranan-tsaina izany. Misy kosa anefa olona sasantsany izay mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy inona izany fa ny Baiboly, ary mino azy tanteraka. Na dia mivelona eo anivon’ity izao tontolo izao ity aza izy, dia tsy mba mahazo azy ny tahotra hananan’izao tontolo izao ankehitriny. Hitany ao amin’ny Baiboly ny fahamarinana izay hahafahany mijery manatrika ny fahasahiran- tsaina eo amin’ny fiainana, ary izany fahamarinana izany dia manampy azy hahazo ny fandresena sy hijery ny ho avy tsy amin-tahotra.