FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/4 p. 75-79
  • Fivavahana mahatoratorana: ny pentekotista

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivavahana mahatoratorana: ny pentekotista
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MANANA NY FIANDOHANY NY PENTEKOTISTA
  • SAMPANA MAROBE
  • FIHEZAHANA HO AMIN’NY FIRAISANA
  • NY ZAVATRA INOAN’IZY IREO
  • Fantatro Amin’izay Ilay Andriamanitra Ivavahako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • ‘Aoka isika ho tia amin’ny asa sy amin’ny marina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/4 p. 75-79

Fivavahana mahatoratorana: ny pentekotista

“HALELOIA!” “Derao ny Tompo!” “Voninahitra ho an’Andriamanitra!” “Jesosy o!, Jesosy o!” “Aoka hovonjena hianao!” “Amena!” Izany no antsoantso re ao amin’ ny fivoriana ao amin’ny fiangonana pentekotista. Mahery dia mahery ny fihetseham-po ara-pivavahana. Ny mpihaino izay vehivavy sy ankizy ny ankabiazany, dia mihararetra sy marikoditra raha mandre ny feon’ny langorony sy aponga na valiha. Manaraka ny feon’ny zava-maneno ny tehaka sy hira rehefa mitombo ny hafanam- po ara-pivavahana. Amin’ny fotoana mahamety izany, dia misy toriteny mafana atao amin-kafanampo mampangorakoraka indraindray, ary dia rendrika ny mpihaino rehetra azon’ny fangorakorahana.

Mety hisy fisehoan-javatra avy amin’ny fihetseham-po sy ara-batana amin’izay, anisan’izany ny fitomaniana sy ny fitolokoana, ny fidabohana, ny fipararetana ary ny fangovitana. Noho ireo fisehoan-javatra ireo, dia nantsoina hoe: ‘mpandihy masina’ na ‘mpitsambikina’ indraindray ny Pentekotista. Na izany aza anefa, dia tsy fanahy iniana matetika ny zavatra ataon’ izy ireo ary heverina fa avy amin’ny hery amboniny. Indraindray dia misy olona mahatsiaro fa misy hery manosika azy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ary indraindray amin’izay fotoana izay ihany,dia misy olona hafa mihevitra fa nasaina nandika ny hevitr’izany hafatra izany.

Amin’ny fotoana izay tena mampahery ny fihetseham-po ara-pivavahana, dia misy antsoantso re avy ao amin’ny alitara ary misy olona hafa mihevitra fa voahetsika hamaly. Dia amporisihana hanatona ny alitara ny marary sy ny kilemaina, ary ao anatin’ny fitalahoan’ny mpanatrika hafa, dia handramana ny fanasitranana. Rehefa naharitra adiny roa eo ho eo ny fihetsehana ara-pivavahana, dia mody ny olona. Sahalahala amin’izany, raha fintinina, no mitranga isan-kerinandro ao amin’ny fotoam-pivavahana ataon’ireo antokon’ny pentekotista.

MANANA NY FIANDOHANY NY PENTEKOTISTA

Ny fiverenana ara-pivavahana nitranga teo amin’ny fiandohan’ity taon-jato iainantsika ity, no fototry ny fihetsiketsehana pentekotista. Ao amin’ny bokiny atao hoe: The Assemblies of God: A Popular Survey, dia izao no nolazain’i J. R. Flower solon-tena ambonin’ny Pentekotista: “Nandritry ny taon-jato fahasivy ambin’ny folo no nitrangan’ny fiverenana ara-pivavahana notarihin’ny olona toa an’i Peter Cartwright”, ka nahatonga ny “fihetsiketsehana pentekotista avy amin’izany fanavaozana izany”.

Tena mampitolagaga ny tantara momba ireny fanavaozana voalohany ara-pivavahana ireny. William W. Sweet izay nandinika fitantarana maro nosoratan’ny vavolombelona nanatri-maso, dia nilazalaza ny fomba “fidarabohan’ilay olona ‘mikiakiaka mafy, eo amin’ny ngorodona na ny tany’, toy ny maty mitsitra eo mandritry ny ora maro, amin’ny fotoana sasantsasany. Samy milaza ireo vavolombelona nanatri-maso marina fa miseho matetika izany toe-javatra izany. Misy isan-karazany ny fomba fihovitrovitry ny olona. Matetika dia ny tanana na ny tongotra ilany ihany no mihovitrovitra, indraindray ny tena manontolo, ary mazana dia ny loha fotsiny (...) ‘Indraindray ny loha dia mihodikodina miankavia sy miankavanana somary miolana ary mafy dia mafy hany ka tsy hita mihitsy ny faritra rehetra amin’ny tarehy’ ”. Nambaran’i Peter Cartwright, mpitoriteny malaza tao amin’ny fanavaozana ara-pivavahana tamin’izany andro izany, fa raha toa ny olona “tsy manohitra ka mivavaka amin-kafanampo, dia mazana no mitsahatra ny fihovitrovitana”, fa ‘’arakaraky ny hanoherany kosa no hihovitrovitany”.

Tamin’ny taona 1906, taona vitsivitsy foana taorian’ny nahaterahan’ny fihetsiketsehana pentekotista, dia nisy antokon’olona nivory tao an-tranon’olona tany Los Angeles, mba hihaino an’i W.J. Seymour mpitoriteny. Raha mbola nitory teny io, dia “tafainga avy teo amin’ny sezany daholo ny mpihaino ary dia nianjera tamin’ny tany”. Nanintona olona marobe izay tonga avy atsy sy avy aroa mba hijery izay niseho, izany fisehoan-javatra nahery izany. Izao no nolazain’ny The Pentecostal Evangel tamin’ny 6 avrily 1946: “Nikiakiaka faran’izay mafy izay rehetra tao, hany ka nirodona ny trano, kanefa tsy nisy olona naratra.” Dia lasa nankany amin’ny trano tranainy iray azo saratsarahina vita tamin’ny hazo ny mpanatrika rehetra, tany amin’ny toerana fantatry ny Pentekotista tsara: 312, Azusa Street. Tao amin’io toerana io no natao ny fivoriana andro aman-alina, nandritry ny telo taona. Nahatonga fitaomana lehibe tokoa ho amin’ilay fihetsiketsehana izany.

Noho ny fisehoan-javatra avy amin’ny hery ara-panahy, dia misy mpanatrika sasany mahatsiaro fa misy mikasika ny tarehiny sy ny tenany. Niteraka ahiahy ho an’i Seymour izany zava-miseho izany. Izao no nosoratan’i Carl Brumback ao amin’ny bokiny atao hoe, Suddenly from Heaven: “Izany no antony niangaviany an’i Parham mba ho avy fa nisy ‘hery mangeja sy fiolanolanan’ny tena toy ny hita tamin’ny fivoriana tany an-tobin’ny olo-mainty, tany atsimo, namely mafy ny mpivory’. Nitaraina tamin’i M. Parham izy mba ho tonga haingana hanampy azy amin’ny fanavahana ny marina amin’ny diso sy hanaisotra izay rehetra tsy avy amin’Andriamanitra.’’

Araka ny filazan’i Klaude Kendrick, lehiben’ny mpikambana tao amin’ny Fikambanan’Andriamanitra, ny “misiona Azusa dia heverina fa foibe nipoiran’ny hery pentekotista izay niely tsy tao amin’ny faritra samihafa tao Etazonia ihany, fa tany amin’ ny ankamaroan’ny firenena amin’izao tontolo izao koa.”

SAMPANA MAROBE

Lalana roa lehibe no nahatonga ny fitaran’ny fihetsiketsehana pentekotista. Taorian’ny taona 1906 aloha, dia nisy fivondronan’ny Fahamasinana izay nandray ny teolojia pentekotista ho fitsipiny, ary tato aoriana dia nisy fikambanana noforonin’ny mpino pentekotista izay niala na tsy anisan’ny fikambanana efa fantatra anarana, teo aloha.

Arakaraky ny nandrosoan’ny fihetsiketsehana, dia nisy antoko pentekotista maro niforona na niendaka tamin’ireo voalohany. Tsy ho azo hatao ny hamantatra ireo anaran’ny antoko pentekotista marobe sy isan-karazany. Ireto ny anaran’ny sasantsasany aminy, anisan’ny malaza: Fikambanan’Andriamanitra, Fiangonan’Andriamanitra, Fiangonan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, Fiangonana pentekotista tafakambana, miforona ho fikambanana ary Fiangonana pentekotist’Andriamanitra any Amerika. Nomarihin’i Charles W. Conn, mpanao tantara, ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra, ao amin’ny bokiny atao hoe Pillars of Pentecost fa “misy eo amin’ny efa-polo eo no isan’ny antoko pentekotista any Amerika avaratra fotsiny amin’izao fotoana izao”, satria araka ny fiaikeny dia nisy “fisarahana sy fifampiandaniana nampalahelo koa tao amin’ny fihetsiketsehana pentekotista”.

Ho hitanareo eto ambany ny anaran’ny sasantsasany amin’ireo antoko pentekotista sy ny isan’ny mpikambana ao aminy avy, araky ny anarana navoaka tao amin’ ny Yearbook of American Churches tamin’ ny taona 1963:

[Efajoro

Fikambanan’Andriamanitra 514.317

Fiangonan’Andriamanitra ao amin’ Kristy 411.466

Fiangonana pentekotista tafakambana miforona ho fikambanana 175.000

Fiangonana pentekotist’Andriamanitra any Amerika 109.000

Fiangonan’ny fitsipika voambara araka ny Baiboly 26.000

Fiangonana iraisam-pirenen’ny filazantsara mahery 84.741

Fikambanana pentekotista eto amin’izao tontolo izao 45.000

Fiangonan’Andriamanitra (Cleveland, Tenn.) 179.651

Fiangonan’Andriamanitra, foibe eran’izao tontolo izao 71.606

Fiangonan’Andriamanitra momba ny faminaniana 35.349

Fiangonan’Andriamanitra (voalohany) 6.000

Fiangonana pentekotisty ny Fahamasinana 55.502

Fiangonana batista pentekotistin’ny safidy malalaka, niforona ho fikambanana 7.000

Fiangonana pentekotistin’ny Fahamasinana avy amin’ny batisan’ny afo 573

Fiangonana masin’Andriamanitra, apostolika sy mpandresy 75.000

Fiangonana pentekotist’i Kalvary 8.000

Fikambanan’ny minisitry ny filazantsara Elim 4.000

Fiangonan’ny Fahamasinana Emmanuel (Imanoely) 1.200

Fikambanana pentekotista iraisam-pirenena 15.000

Fiangonana pentekotist’i Kristy 1.198

1.826.503

FIHEZAHANA HO AMIN’NY FIRAISANA

Nandritr’izao taona faramparany izao, dia nisy fihezahana natao mba hampiraisana ny fikambanan’ny Pentekotista voazarazara. Na dia afaka nampiray antoko sasantsasany aza izany fanakambanana izany, dia toa tsy azo antenaina loatra ny fifanatonan’ireo antoko lehibe. Na izany aza anefa, tao anatin’izao fotoana faramparany izao, dia nisy antoko pentekotista nanatona hiaraka amin’ireo fandaminana manana tarigetra mitovitovy amin’ny azy. Antoko pentekotista maro, ohatra, no mikambana ho anisan’ny Fikambanam-pirenen’ny protestanta evajelika tarihin’i Thomas F. Zimmerman, filohan’ny Fikambanan’Andriamanitra.

Ny fihezahana mafy indrindra ho amin’ny firaisana, dia tsy isalasalana fa ilay fandaminan’ny Lahateny pentekotista eran’izao tontolo izao. Tamin’ny fivoriany voalohany natao tany Zurich, any Soisa, tamin’ny taona 1947, dia namporisihina ny famoronana fikambanana isam-paritany. Nifanaraka tamin’izany toro-hevitra izany, dia nisy fanamboarana natao tamin’ny taona 1948 mba hampijoroana ny Fivondronana pentekotista any Amerika avaratra.

NY ZAVATRA INOAN’IZY IREO

Mino ny Pentekotista fa ny fihetsiketsehana pentekotista ankehitriny izay miankina indrindra amin’ny fahaiza-miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia fanatanterahana ny fampanantenan’ny Baiboly. Lazainy fa ny filatsahan’ny fanahy masina tamin’ ny andro Pentekosta sy nandritry ny taonjato voalohany, dia tsy nahatapitra ny fisehoan-javatra hita maso sy mahagaga avy amin’ny fanahy. Araka ny fiheviny, “ny ranonorana aloha sy aoriana” voalaza ao amin’ny Jakoba 5:7, dia mikasika ny filatsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Noho ny fiheverany fa mifanaraka amin’ny ranonorana aloha, ny filatsikan’ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny taon-jato voalohany, ary porofoiny avy amin’izany fa tokony hisy ranonorana aoriana koa. Ny fihetsiketsehana pentekotista hoy izy no vokatry ny filatsahan’ny ranonorana aoriana.

Hampianarin’ny Pentekotista fa miaraka amin’ny batisan’ny fanahy masina mandrakariva ny fahaiza-miteny amin’ny fiteny tsy fantatra; izany no fampianarana mampiavaka io fihetsiketsehana io. Araka ny fihevitr’izy ireo, izay rehetra mahay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia manana mariky ny nandraisany io batisa io, kanefa tsy omena izay rehetra vita batisan’ny fanahy masina ny “fahaiza-miteny amin’ny fiteny fantatra”. Tsy amarinin’ny Soratra Masina anefa izany fampianarana pentekotista izany.a

Ny fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, anisan’izany ny fahaiza-miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia toy ny taratasy fanomezam-pahefana nomena. ny fikambanana kristiana mbola teo amin’ny fahazazany, tamin’ny taon-jato voalohany. Tsy maintsy hofoanana ary izany rehefa tonga matotra ny fikambanana, araka ny nambaran’i Paoly mazava hoe: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay. Fa raha ny fahaiza-maminany, dia ho levona; raha ny fahaiza-miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra.” — I Korintiana 13:8, MN.

Noho izy ireo mitady fahaizana tsy omen’Andriamanitra amin’izao androntsika izao intsony, dia manaiky hofitahin’i Satana sy ny demoniany ny Pentekotista (I Timoty 4:1). Ny kiakiaka, ny fimonomononana, ny fingonongononana, tsy mazava, ny fianjerana, ny fipararetana, dia tsy fisehoan-javatra avy amin’ny fanahin’ Andriamanitra. Na dia ny Pentekotista fanta-daza aza, dia miaiky fa tsy avy amin’Andriamanitra ny fisehoan-javatra mahery setra sasantsasany. Tsarovy fa nangataka an’i Parham ho tonga tany Azusa Street i Seymour mba “hanavaka ny marina amin’ny diso”.

Ny fifanintontsintonan’ny tena va tsy sahala amin’ny fipararetana mampihovitrovitra ny olona tsindrian-javatra manao ny tromba? Mipararetra ny tongotra aman-tanan’ireny olona tsindrian-javatra ireny, raha mijoro izy mandritry ny ora maro. Tsy sahala amin’ny fifanintontsintonana nahazo ny zaza iray tamin’ny andron’i Jesosy va ireny fihetsiketsehana ireny, raha nisy hery ara-panahy nahazo azy? “Dia nentiny teo aminy izy, fa nony nahita azy ny fanahy (esprit), dia nampifanintontsintona ny tenany, ary lavo tamin’ny tany izy ka nitsinkasinkasina sy nandoa vory.” — Marka 9:20, MN.

Rehefa tonga amin’ny olona iray ny fanahy masin’Andriamanitra, araka ny asehon’ny Soratra Masina amintsika, dia misy vokany nampahazava saina sy mampaha-mendrika ilay olona; tsy miteraka fihetsiketsehana na fiolanolanana tsy misy antony akory izany. Tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly ny filazana fa nanao toy izany ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta, raha nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina. Nanosika azy ireo kosa ny fanahin’Andriamanitra mba ho vavolombelona mampandroso, hanambara ny marina, hanasoa olona maro izay tonga tao Jerosalema avy tamin’ny tany hafa. Ary dia niteny tamin’ny fiteny samihafa izy ireo, dia tamin’ny fitenin-drazan’ireo olona ireo. — Asan’ny Apostoly 2:1-4, 14-40.

Marina fa ao amin’ny fivoriana pentekotista dia handrenesana antsoantso betsaka hoe: “Tompoko, Tompoko”, atao amim-pahatsorana. Kanefa araka ny nolazain’i Jesosy, dia ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no fototry ny fivavahana marina fa tsy ny fitenenana toy izany. “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: ‘Tompoko, Tompoko’, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay ary tsy efa nanao asa lehibe tamin’ny anaranao va izahay?’ Kanefa dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay!” — Matio 7:21-23, MN.

Notantaraintsika tery amin’ny fiandohan’ity andalana ity ny iray amin’ireny fivoriana ara-pivavahana ataon’ny fihetsiketsehana pentekotista ireny. Mandrakariva dia saiky fihetseham-po no hita fa tsy fitadiavana fahalalana natao hanovana saina sy fo. Ny fivoriana dia atao ao anatin’ny fihetsiketsehana mirindra izay toy ny andraisan’ny mpivory rehetra anjara. Ireo izay vesaran’ny ahiahy sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana, dia manadino ny fahasahiranany, ao anatin’ny fotoana fohy. Toy ny fanairana, izay miseho. Mihevi-tena ho zavatra amin’izany ny olona tsy dia manao ahoana, satria mifampiraharaha aminy mivantana Andriamanitra; nahazo toky ara-pivavahana izy. Amin’ireny fivoriana ireny, dia tsy ilaina ny hieritreretanao, fa ny hahatsiarovanao fotsiny no ilaina. Milaza zavatra maro tsy misy porofo manamarina azy ny mpitoriteny. Mahatsapa fotsiny ny mpihaino fa marina ny lazainy.

Na dia mety hahazo fifaliana noho ny fihetseham-po aza, ao anatin’ny fihetsiketsehana pentekotista, ka mety ho tratr’ izay lazain’ny Pentekotista fa fisehoan-javatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, dia tokony ho tsarovana fa lehibe noho ny fihetseham-po ara-pivavahana ny fahamarinana araka ny Baiboly. Ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina no tokony hokatsahin’ny olona ao amin’ny fivavahana marina fa tsy ny famantarana ara- batana. Tokony hanana finoana avy amin’ny fahamarinana araka ny Baiboly nianarana izy, fa tsy famantarana ara-batana azo jerena. Tsarovy izao fampianarana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izao: ‘’Fa ny fihavian’ilay ratsy, dia araka ny fanaon’i Satana, amin’ny asa mahery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra, ary ny famitahan’ny faharatsiana ho valin’ny nataon’ireo izay haringana noho ny tsy netezany ho tia ny fahamarinana natao hamonjena azy.” — II Tesaloniana 2:9, 10, MN.

Koa satria misy tsy marina ny fisehoan- javatra mitranga eo amin’ny Pentekotista, araky ny filazan’ny maro, araky ny fiaiken’izy ireo ihany ary araka ny hita tamin’i W. J. Seymour, moa ve izany tsy antony tsara tokony hampiahiahy ny amin’ireny fisehoan-javatra rehetra ireny? Noho ny fanindrian’ny demonia mety hahatonga fiolanolanan’ny tena, moa ve tokony hilaza isika fa ny sasantsasany amin’ireny fiolanolanana ireny, dia avy amin’ny fanahy masina fa ny sasany kosa avy amin’ny herin’ny demonia, ary izany dia hanery antsika hanavaka ny marina amin’ny diso? “Moa ny loharano va mamoaka ny mamy sy ny mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?” (Jakoba 3:11, MN). Tokony hodinihina amim-pahatoniana sy fieritreretana tsara ny porofo manambara ny herin’ny demonia ao amin’izay miseho eo amin’ny Pentekotista. Tadidio izay nosoratan’ny apostoly Paoly avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ho an’ny kristiana, raha nampitandrina azy ireo izy tsy ho azon’ny “fanaon’i Satana amin’ny asa mahery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra”, mba hamitahana ireo izay tsy mety “ho tia ny fahamarinana”. — II Tesaloniana 2:9, 10, MN.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha te-hanadihady izany amin’ny an-tsipiriany, dia jereo “Ny Tilikambo Fiambenana” amin’ny teny frantsay tamin’ny 15 Septambra 1963.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara