FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/12 p. 8-9
  • Vavaka inona avy no henoin’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vavaka inona avy no henoin’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vavaka Ataon’iza no Mahazo Valiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ireo vavaka mahazo valiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Vonton’alahelo Izy ka Nivavaka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/12 p. 8-9

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Vavaka inona avy no henoin’Andriamanitra?

TSY isalasalana fa fantatrao ity tantara ity. Eo am-pivavahana ao amin’ny lohasahan’i Getsemane i Jesosy. Fa iretsy lehilahy matory etsy akaiky iretsy dia i Petera, Jakoba ary Jaona apostoliny. Fantatr’i Jesosy, noho ireo faminanian’ny Baiboly fa hovonoina ho faty miaraka amin’ny mpanao ratsy izy. Kanefa dia nivavaka izy hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity [ny fahafaham-baraka sy ny fahafatesana tsy maintsy niaretan’i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra]; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao!”—Lioka 22:42; Isaia 53:12.

Alina mampangirifiry io ho an’i Jesosy. Izao no tantarain’ny Baiboly: “Ary fadiranovana Izy, ka nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.” (Lioka 22:44). Kanefa nohenoina ve ny vavaka nataon’i Jesosy?

Tsy isalasalana fa nisaintsaina io alina io ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy [fitalahoana tamin-kafanam-po] sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” — Hebreo 5:7.

Eny, nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Jesosy. Mariho tsara fa nanao izany izy “noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. Nahazo hery noho ny tahotra mahavonjy i Jesosy, dia ny tahotra sao tsy hankasitrahan’Andriamanitra. Izao tokoa no nolazainy: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva. “ (Jaona 8:29). Tia ny Rainy any an-danitra i Jesosy ka vonona mandrakariva hanatanteraka ny sitrapony. Manome toky antsika toy izao àry ny Baiboly: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” — I Jaona 5:14.

Kanefa ahoana no fomba namalian’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Jesosy? Tsy namaly azy mba hialany tamin’io toerana nisy azy io akory Izy. Tsia, fa nosamborina marimarina tokoa i Jesosy, nentina toy ny olo-meloka iray ratsy fanahy ary novonoina tamin-kasiahana. Kanefa jereo indray ity sary faharoa ity. Asehony ny fomba nandraisan’i Jesosy ny hery nilainy mba hiatrehana io fitsapana io: Raha mbola nivavaka izy, hoy ny Baiboly amintsika, dia “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery azy.” — Lioka 22:43; I Korintiana 10:13.

Afaka nanatsoaka lesona sarobidy avy amin’io tantara ao amin’ny Baiboly io isika. Dia izao izany: Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tokony hanao ny sitrapony isika ary hankatò ny didiny. Izany no soritan’ny Soratra Masina mazava aoka izany amin’ireto teny ireto: “Ary na inona na inona angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.” (I Jaona 3:22). Amin’ny fomba fiteny hafa dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika, mba hanehoana amin’Andriamanitra amin’ny asantsika fa mitana marina tokoa izay angatahintsika aminy isika. Izany ve no ataontsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara