Manampy antsika ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah
“Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.” — SALAMO 20:4.
1. Karazana fetra inona no ferana matetika (Deoteronomia 25:15)?
TAMIN’NY 1266, i Henri faha-3, mpanjakan’i Angletera dia namoaka didy fa ny ‘penny’ iray dia tokony hitovy lanja amin’ny voambarimbazaha 32. Nanorina lalàna izy tamin’izany na fetra. Zavatra maro no manaraka fetra. Araka izany dia mampifanaraka ny vata fandefasam-peontsika na fahita lavitra amin’ny onjam-peo sasany (na lalana fampitohizana) araka ny fetra voafaritra tsara isika. Azo atao koa ny mamaritra ny fahaizan’ny olona iray, ohatra amin’ny lafin’ny famalian-teny, amin’ny alalan’ny fitsapana izay atao araka ny fetra sasantsasany.
2. Fetra inona avy na fotopoto-pitsipika inona no toa somary tsy fahita firy ary nahoana?
2 Kanefa, ireo fetra na fotopoto-pitsipika amin’ny lafiny ara-tsaina na ara-pitondrantena dia zava-dehibe hafa lavitra. Raha tsy misy ireo, ny fetra amin’ny sokajiny voalohany dia tsy misy vidiny. Ohatra, ny fitambaran’olona nandinika ny amin’ny fianarana ambony dia nampibaribary fa eo amin’ny 50 isan-jato amin’ny mpianatra 25 000 nanontaniana no nilaza marina tokoa fa nahomby tamin’ny fanadinany ireo namany, tsy hoe noho ny fianaran’izy ireo tamin-jotom-po fa tamin’ny fangalarana. Inona koa no holazaina ny amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondratena avy amin’ny ankamaroan’ny mpitondra, ankehitriny? Ny mpanoratra tantara anankiray, Barbara Tuchman dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao: “Lavina izay rehetra mety ho fitarihana ara-pitondratena, amin’ny heviny hoe tsy vonona firy handraikitra fetra.”
3. Nahoana moa no tokony antenaina ny ananan’i Jehovah fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena?
3 Ary Jehovah Andriamanitra? Manana fotopoto-pitsipika izy, tsy misy hafa amin’ny ray anankiray mety hifikitra amin’ny zavatra misy vidiny ny amin’ny fetra raha ny amin’ny fomba fitondrantena ao an-tokantrano na ny fomba fifandraisana amin’ny hafa. Jehovah, ilay Mpitsara, ilay Mpanao Lalàna sy Mpanjakan’izao rehetra izao dia manome antsika, ao amin’ny Baiboly, lalàna na fotopoto-pitsipika tena mazava izay namaritany ny fetra ara-pitondratena sy izay antenainy amin’ny olombelona, — fitsipika izay manoro antsika ny fomba tokony handehanana. — Salamo 26:4, 5; 86:10, 11; Isaia 33:22.
4. Nahoana isika no tokony hihevitra ireo antony tokony hanekena ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah?
4 Iza amintsika no hisalasala ny amin’ny hasarobidin’ny fotopoto-pitsipik’i Jehovah? Ary anefa dia mety ho sosotra isika rehefa mifanohitra amin’ny faniriantsika sasantsasany izany. Angamba isika hanamaivana ny hasarobidin’izany na hahita hotsinina amin’ireny fotopoto-pitsipika ireny. Na hihevitra ihany koa isika fa maningana ny toerantsika ka mitaky fanalefahana ireo fitsipik’Andriamanitra. Aoka àry isika hijery ireo antony tokony hanekentsika ireo fetra nofaritan’Andriamanitra, ireo lalàna sy fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena, ary ny amin’ny fomba mety ahazoantsika soa amin’ny fanarahana azy ireny.
Ireo lalàn’Andriamanitra ampitahaina amin’ny an’ny olombelona
5, 6. Inona no azontsika ianarana amin’ireo asa notanterahan’i Jehovah nandritra ireo andro famoronana?
5 Taorian’ny enin’andro famoronana dia nanambara Andriamanitra fa izay nataony dia “tsara indrindra” (Genesisy 1:31) Namorona ny zavatra rehetra tamin’ny filaharana ara-dalàna izy, tsy nisy tsininy na dia kely aza. Teo amin’ny toerana tsara ny zavamaniry sy ny biby, ary nitombo araka ny karazany avy tsy nisy nilàna fivoarana miandalana mba hisehoan’ny karazana vaovao (Genesisy 1:25). Apetraho amin’ny tenanao ity fanontaniana ity: Tsy maintsy nitady ireo fitarihan-dalana ireo tamin’ny olona iray na zavatra iray ve Jehovah mba hanatanterahany ny asa famoronany? Miharihary fa ny tenany dia nanana ny fahalalana rehetra sy ny fahendrena ilaina mba hanaovana izany rehetra izany, ary hanatanterahana izany tsara mba hamerana lalàna fizika (Isaïa 40:12-14). Noho ireo fetra na lalàna naorin’Andriamanitra, dia azo atao ny mandahatra sy mamantatra ireo karazana zavamaniry tsy hita isa, trondro, vorona ary biby.
6 Jehovah dia nametraka fanontaniana vitsivitsy tamin’i Joba indray andro, izay manampy antsika hampitaha ny fahalalany, ny fahaizany sy ny lalàny amin’ny an’ny olombelona. Nanontany azy izy hoe: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.” Ireo manam-pahaizana dia tsy afaka mandroso afa-tsy vinavinan’ny taonan’izao rehetra izao. Mazava àry fa tsy teo ny olombelona mba hahalala ny fomba sy ny fotoana namoronan’Andriamanitra azy. “Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va hianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’andro?” Ireo fizisiana dia mandinika ny fihodinan’ny tany, mitady izay hanahafana ny fikambanana izay mahatonga ny masoandro hamokatra ny hery ilaina amin’ny fiainana ary mamorona fomba fanoratra sarotra mba hanazavana ny toe-tenan’ny zavatra tsotra aoka izany toy ny hazavana. Inona moa ny zava-bitan’izy ireo ampitahaina amin’ny an’Andriamanitra? Nanontany ihany Jehovah hoe: “Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va hianao? Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va hianao, mba hanafotra anao ny rano mandriaka? Mahay mandefa ny helatra va hianao? Voatery niaiky Joba tamin’ny farany hoe: “Indro, tsinontsinona aho, ka inona no azoko avaly anao? “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.” Mitovy fihetseham-po aminy ve ianao? — Joba 38:4, 12, 33-35; 40:4; 42:2.
7, 8. Amin’ny ahoana moa ny tenanao, amin’ny maha-zavaboary olombelona, no afaka hanome porofo ny amin’ny zava-bitan’Andriamanitra?
7 Ny olombelona no ambony indrindra amin’ny famoronan’Andriamanitra teto an-tany. Ny fakan-tsary faran’izay be pitsony dia tsy inona fa fakan-tahaka matroky ny modely ambony lavitra iray, dia ny masonao. Ny fomba fandevonan-kanina sy ny fomba fiasan’ny vatanao rehetra dia mihoatra lavitra izay rehetra vitan’ny simista sy biologista. Na dia eo aza ny tsy fitoviana tsy hita isa eo amin’ny olombelona, ny tenantsika mahatalanjona aoka izany dia voaforon’ny fetra mitovy tsy maintsy ilaina. Raha tsy maintsy mandidy anao amin’ny rambo-tsinay àry ny dokotera mpandidy, manahy ve ianao ary manontany tena sao mahita ny kambo-tendanao na ny atidohanao ao amin’ny kibonao izy? Tsia, ireo fetra (izay nofaritan’Andriamanitra tamin’ny famoronana) dia ahafahan’ny dokotera mpandidy iray mahafantatra ny toetry ny momba ny tena rehetran’ny olombelona sy hanaovana ny fandidiana ilaina.
8 Ao amin’ny karandohanao fa tsy ao amin’ny kibonao, ianao dia manana “ordinateur” ambony lavitra amin’ny fisampanana maro sy amin’ny fahaizana noho ny “ordinateur” faran’izay tsara voatra nataon’ny olombelona hatrizay. Noho ny atidohanao dia azonao atao ny ho gaga, ho talanjona manoloana ny famoronan’Andriamanitra, izay ahitana masoandro an’arivony tapitrisa ao amin’ny vahindanitra an’arivony tapitrisa. Nametra lalàna izay mifehy ny fihetsehany mirindra sy hentitr’ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra Andriamanitra, ka izany rehetra izany dia mahaforona fetra koa izay ahazoana manisa ny fotoana na ny andro sy ny alina ary ny fizaran-taona sy ny taona. — Genesisy 1:14; Salamo 8:3, 4.
9. Inona no famaranan-kevitra azontsika tsoahina rehefa mampitaha ny zava-bita sy ireo lalàn’Andriamanitra amin’ny an’ny olombelona isika?
9 Ampitahao amin’izay zava-bitan’Andriamanitra ny an’ny olombelona. Na dia eo aza ireo lalàna isan-karazany avoak’ireo fitondram-panjakana, izy ireo dia nandoto ny rano sy ny rivotra, namongotra karazana biby maro, niteraka fisaratsarahana ara-politika, ara-pivavahana sy ara-pirazanana ary nilentika tao amin’ny fitebitebena tamin’ny fanontanian-tena raha toa ny ady, ny fandotoana na ny mosary handringana izay rehetra mety ho fiainan’olombelona eto an-tany. Tsy nanitatra àry akory Andriamanitra rehefa nanambara hoe: “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55:9). Araka izany, tsy mety ve ny hiheverana ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah toy izay hanaiky hotarihin’ny olon-kafa mba hamaritra ireo fetran’ny fitondrantenantsika?. — Ohabolana 16:25; Isaia 30:21.
10. Inona no asehon’ny famoronana ara-batana raha ny amin’ny fihetsika tokony harahina eo anatrehan’ny lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra?
10 Ny famoronan’Andriamanitra ara-batana dia manamafy fa “tanteraka ny asany [rehetra]”. Nefa ny Deoteronomia 32:4 avy eo dia miresaka ny amin’ireo toetran’i Jehovah ara-pitondrantena. Raha heverina araka ireo zava-bita sy lalàna fizikan’Andriamanitra, — manomboka amin’ny kintana ka hatramin’ny vatantsika amin’ny fandalovana amin’ireo fizara bitika amin’ny ataoma sy ireo faran’izay kely amin’ny taova, — moa ve isika tsy tokony hanaiky amim-pahatokiana tanteraka ny lalàna sy fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena? Ny zava-misy dia nanome fotopoto-pitsipika ara-pitondratena faran’izay tsara azontsika hampiharina amin’ny fifandraisantsika aminy sy amin’ireo namantsika izy. — Mika 6:6-8.
11. Amin’ny lafiny inona avy ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra no mety hahasoa antsika?
11 Ny torohevitra omen’i Jehovah dia tsy voafetra amin’ny lafiny voafaritra iray amin’ny fiainantsika, toy ny finoana na fombafombam-pivavahana. Ny fitsipiny ara-pitondrantena dia mahafaoka marina tokoa ireo lafiny rehetra amin’ny fiainana, anisan’izany ny fianakaviana, ny anton-draharaha, ny fihetsika eo anoloan’ny olona iray tsy lahy na vavy toa anao sy amin’ireo rahalahintsika kristiana ary koa ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoam-pivavahana (Isaia 48:17; Jakoba 1:25). Araka ny Isaia 55:11, Jehovah dia milaza fa “ny teny izay aloaky ny vavany dia ambinina”. Toy izany koa, raha miezaka amim-pahatsorana hanaraka ireo lalàny sy fitsipiny isika, dia tsy isalasalana fa hahazo vokatra tsara kokoa, hanao asa tsara kokoa ary ho sambatra kokoa.
Ireo fotopoto-pitsipika masina sy azo antoka avy amin’Andriamanitra
12, 13. Zava-nitranga vao haingana inona mikasika ny fahasalamam-bahoaka no manintona ny saina ho amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondrantena mikasika ny lahy sy ny vavy?
12 Ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia mety hahasoa antsika amin’ny fomba maro mivantana amin’ny lafiny ara-batana. Ohatra, ny New York Times Magazine (tamin’ny 6 febroary 1983) dia nampiharihary ny amin’ny aretina vaovao iray izay ‘antsoin’ireo mpanao fikarohana hoe ny areti-mifindra amin’ny fara-tampony indrindra amin’ny taonjato’. Izany dia ny fitambarana famantarana aretina mahatonga ny tena tsy hanam-piarovana (syndrome immunodéficitaire acquis) (anarana famantarana azy: SIDA). Io aretina io dia mahatonga ny firodanan’ny fandaharam-piarovan-tena, ka ilay marary amin’izay dia manjary lasibatra voafidy ho an’ny endrika homamiadana sasany somary tsy fahita (sarcome de Kaposi), ny pnemonia sy aretina hafa mahagaga. Mahafaty ve ny SIDA? Tonga ao anatin’ny roa taona ny fahafatesana amin’ny 65 isan-jaton’ny miseho.
13 Mihevitra ireo mpitsabo fa ny SIDA dia mifindra amin’ny alalan’ny fampisarahan-javatra avy amin’ny tena (sécrétions) (indrindra avy amin’ny tsirin’aina) sy ny rà. Hatramin’izay dia ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy indrindra no voan’ny io aretina io noho ny firaisana maloto, na dia voa koa aza ny sasany amin’ireo miray lahy sy ny vavy. Nanao izao fiekena izao ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy anankiray: “Toy ny amin’ny fotoan’ny ady izany. Tsy fantatray hoe rahoviana no hianjera ny baomba. Valo ambin’ny folo tamin’ireo namako no maty tamin’ny taon-dasa, ka ny antsasany dia noho ny SIDA. Roa ambin’ny folo hafa hafa no marary mafy.” Nanampy ilay lahatsoratra hoe: “Raha mbola miharatsy ny nanjo azy ireo, dia marary maro voan’ny SIDA no manomboka misaintsaina ny amin’ny fiainany, amin’ny fahatsiarovana ho voasazy noho ny fikatsahana fahafinaretana tsy amin’ahiahy ho zava-kendrena eo amin’ny fiainana (hédonisme)”. Tsy azo lavina àry fa ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondratena omen’Andriamanitra antsika, toy ny ao amin’ny I Korintiana 6:9, 10 dia manampy antsika. Miaro antsika izy ireny.
14. Amin’ny lafiny hafa inona avy ny SIDA no manoritra ny hasarobidin’ny fotopoto-pitsipika naorin’Andriamanitra? (Deoteronomia 12:23-25)?
14 Zavatra hafa ihany koa. Hita fa avy amni’ny olona maro avy any Antilles ny SIDA. Ny dokotera Sheldon Landesman dia nanome izao fanazavana izao: ‘Fantatray fa ny mararinay dia matetika nandry anjara tamin’ny fivorian’ny “Vaudou” sy spiritisma.’ Toa nifindra tamin’izy ireo io aretina io nandritra ireo fombafombam-pivavahany. Mifamatotra ihany koa amin’ny fampidiran-dra sy ireo fanafody misy ra izy io. “Eo amin’ireo izay tsy sarotra mandry ny rany (hémophiles), ny SIDA dia nanjary ny antony faharoa mahatonga fahafatesana — taorian’ny fandehanan-dra tsy voafehy. Vao haingana kokoa, dia olona marary maro nodidiana ary nomena ra no voan’ny SIDA, ka izany dia nitarika mpandinika sasany ho velona ahiahy ny amin’ny famatsiana amin’ny ra ao amin’ny firenena.” Ny fe-potoana fikotrehan’ny aretina dia toa eo anelanelan’ny enim-bolana sy roa taona eo, hany ka rehefa mahatsikaritra ny olona sasany fa voan’ny SIDA dia “angamba efa namindra izany nefa tsy nahalala tamin’ny olona hafa anjatony maro — tamin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, tamin’ny fanomezany amin’ny rany na tamin’ny fomba hafa ihany koa izay tsy mbola noheverintsika”. Ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy maha-vavy, ireo izay manameloka ny spiritisma na mandidy antsika mba ‘hifady ny ra’ àry dia miaro antsika amin’io aretina io sy amin’ny maro hafa koa. — Deoteronomia 18:10-12; Ohabolana 5:18-23; Asan’ny apostoly 15:29; 21:25..
15. Amin’ny ahoana no mahasoa ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra mikasika ny zava-pisotro misy alkaola?
15 Raha maniry porofo hafa entin’ny fanampian’ireo lalàn’i Jehovah isika dia aoka hihevitra ny fimamoana izay melohiny. Andriamanitra dia tsy mankasitraka na dia ireo “tia divay be aza”. (I Timoty 3:3, 8; Romana 13:13). Olona maro tsy miraharaha ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra no mijaly noho ny aretina vokatry ny fisotroana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola na niharatsiratsy kokoa noho izany. Noho ny tsy fanarahana ny torohevitr’i Paoly milaza mba tsy hisotro afa-tsy “divay kely” ny kristiana sasany dia nanomboka nisotro noho ny fialan-tsiny fa hoe ‘nanampy azy ireo hiala voly’ izany. (I Timoty 5:23.) Tsikelikely izy ireny, dia nahatsapa fikorontanana ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-pitondrantena izay matetika mpahazo ny mpimamo. Maro be ny zava-manahirana aterak’izany, indrindra ny fahaverezan’ny fanajana ny tena sy ny hafa, ireo fahasorisorenana ao amin’ny fianakaviana (raha tsy mbola ny faharavan’izany), ny fihenan’ny vola miditra sy ny famoizana ny asa. Ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra mikasika ny fisotroana zavatra misy alkaola ve tsy fiarovana ho antsika?
16. Amin’ny ahoana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra no mahasoa ireo Vavolombelon’i Jehovah?
16 Ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia niharihary ho tena mahasoa amin’ny lafiny ara-nofo. Araka izany, Jehovah dia nananatra ireo kristiana mba hiseho ho marina sy hiasa tsara (Efesiana 4:28; Kolosiana 3:23; jereo Lioka 16:10-12). Ny filazana avy any amin’ny vazan-tany rehetra amin’ny gilaoby dia manondro fa Vavolombelon’i Jehovah maro no mitazona ny asany raha namoy azy ny namana, ary nahazo fisondrotan-karama mihitsy noho ny fahamarinan’izy ireo sy ny zotom-pony amin’ny asa. Mahafantatra ohatra toy izany ve ianao? Miharihary tsara fa izay manana asa dia manan-java-manahirana kely kokoa amin’ny lafiny ara-nofo amin’izao fotoan-tsarotra izao. Izay nanary ireo fahazarana melohin’ny Baiboly ary mifady zavatra mahadomelina dia manao fitsitsiana. Hahitana antsipiriany hafa amin’io raharaha io ao amin’ny toko mitondra ny lohateny hoe: “Ireo zava-manahirana ara-bola — Ahoana no handaminana izany?” ao amin’ny boky Le bonheur — Comment le trouver?*. Tsy isalasalana velively fa ho azonao atao ny hanonona ohatra hafa izay manamafy ny hasarobidin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-toe-karena.
17. Fitarihana inona no omen’Andriamanitra mikasika ny fandroahana, ary nahoana izany no maneho fahendrena?
17 Ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah mikasika ny kongregasiona kristiana dia miharihary koa ho feno fahendrena sy mahasoa. Ohatra, Andriamanitra dia mandidy ny handroahana tsy ho ao amin’ny kongregasiona izay kristiana rehetra zatra manota ka tsy mampiseho fibebahana kely akory. Ny fotopoto-pitsipika hafa iray dia milaza amintsika “mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany”. Ampitahaina amin’ny fotopoto-pitsipiky ny olona sasany, izany dia toa hifanohitra amin’ny fitiavana, nefa Andriamanitra dia mahafantatra mihoatra lavitra noho ny olona rehetra ny amin’izany. Amim-pitiavana dia miaro ny kongregasiona sy ny fahadiovany izy, satria “ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra”. (I Korintiana 5:11, 6.) Tao amin’ny bokiny (The Friendship Factor), A. McGinnis dia mampiseho tsara ny fahendren’Andriamanitra rehefa milaza amintsika izy mba tsy hiara-misakafo amin’ny olona voaroaka. Nanoratra izy hoe:
“Ny anankiray amin’ireo fomba tsara indrindra hanamafisana fatoram-pisakaizana amin’ny olona anankiray dia ny fiara-misakafo aminy. Ny fanapahana mofo dia toy ny zavatra masina. Tsy mbola voamarikao ve, ohatra hoe manao ahoana no mahasarotra ny fiarahana misakafo amin’ny fahavalo iray ary hijanona ho mpifahavalo?”
18. Amin’ny ahoana no mahasoa ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra raha ny mikasika ny fihetsitsika eo anatrehan’ireo mpivadi-pinoana?
18 Ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra hafa iray dia hanampy antsika hisakana ny fampielezana fampianaran-diso sy fahadisoana. Tamin’ny taonjato voalohany, Hymeneo sy Fileto dia nanjary nivadi-pinoana ary nitady hamadika ny finoan’ny kristiana hafa. Kanefa ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia izao manaraka izao: “Halaviro ny fibedibedena foana izay manohitra izay masina.” (II Timoty 2:16-19). Ireo kristiana nanaraka io fitsipika io àry dia tsy nandeha nihaino ireo mpivadi-pinoana na nandray zavatra vita an-tsoratra voapoizina izay nozarain’ireo angamba “mba hahazoany harena maloto”. Nahoana moa izy ireo no ho nanohana ny faharatsian’izy ireo tamin’ny fividianana ny bokin’izy ireo (Titosy 1:11)? Amin’ny maha-kristiana mahatoky dia aoka isika hitana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, hamahana ny saintsika amin’izay mahitsy sy marina ary hifikitra amim-pahatokiana sy amim-pankasitrahana amin’ny lalana fampitohizana izay nahafahantsika nahafantatra ny fahamarinan’ny Baiboly. — Jereo I Timoty 4:16.
19. Amin’ny lafiny hafa inona avy ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah no mahasoa antsika?
19 Ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah dia manampy ireo vavolombelony amin’ny fomba hafa ihany koa. Mikasika ny fanambadiana dia mamporisika ny fitiavana izany, fanajana sy firaisan-kina amin’ny fotoana izay ny fihamoramorain’ny fomba fiaina sy antso ho an’ny fahafahana dia mahatonga fisaraham-panambadiana maro. Ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia manampy koa ireo ankizy hanaiky ny fitarihan’ireo ray aman-dreniny, fa tsy ho mailaka ny hikomy toy ny ataon’ny maro amin’ireo namany mpiray kilasy. Tsy hanana lolom-po amin’ireo ray aman-dreniny izay mampihatra fahefana aminy izy ireo, ary tsy handao ny tokantrano aloha be, fa ireo tanora izay manao ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ho misy vidiny dia sambatra mandray soa avy amin’ny fanampiany sy ireo toroheviny mifototra amin’ny Baiboly. — Kolosiana 3:18-21.
Aoka isika hanaiky ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ary hankato izany.
20-22. Inona no tsy tokony hohadinoina mikasika ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra?
20 Ho azontsika atao ny mandinika lafiny hafa maro izay ahitana fa mahasoa antsika ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah. Angamba ianao mieritreritra ny amin’ny lafiny manokana anankiray izay nanampian’izy ireo anao manokana. Tsara izany. Izany dia hevitra tsara ihany koa mampahery izay azonao ampidirina amin’ny resakao amin’ny kritiana hafa.
21 Kanefa tsy tokony hohadinointsika fa tena mora ny miala amin’ireo fotopoto-pitsipika sy lalàn’i Jehovah. Tadidio izay nolazain’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita nivory tao amin’ny tendrombohitr’i Sinay, dia ilay manao hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra sao ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo.” Namaly tamin-kafanam-po izy ireo hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” Nefa nanao izay rehetra nifanohitra tamin’izany izy ireo tamin’ireo taona nanaraka. — Eksodosy 19:5, 8; Nomery 14:1-4, 10.
22 Aoka àry isika hanaiky ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah ary hifikitra amin’izany. Marina tokoa fa ny fanarahana amim-pahatokiana ireo lalàna sy fotopoto-pitsipika tsy manan-tsahala nomen’i Jehovah antsika mba hanampiana antsika hitondra tsara ny fiainantsika dia ny lalan’ny fahendrena sy fahasambarana marina. — Salamo 19:7-11.
[Fanamarihana ambany pejy]
Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Tadidinao ve izany?
□ Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny famoronana ara-batana fa Jehovah no loharanon’ny lalàna sy fotopoto-pitsipika?
□ Nahoana isika no tokony hitodika any amin’i Jehovah mba handraisana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena?
□ Ohatra inona no azonao omena mba hampisehoana fa ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah dia mahasoa antsika?
□ Inona no fihetseham-ponao raha ny amin’ny fankatoavana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra?
[Efajoro, pejy 13]
SIDA — Areti-mifindran’ireo taona 1980
“Saika ny telo ampahefatr’ireo marary voalohany tratran’io aretina io no maty. Ny mpanao fikarohana sasany dia nihevitra fa tsy misy marary na dia iray aza ho afaka amin’izany.” Io aretina io dia ny fitambarana famantarana aretina mahatonga ny tena tsy hanam-piarovana (Syndrome immunodèficitaire acquis) na SIDA. — Science 83, martsa.
Nanao izao fanamarihana izao ny mpitsabo iray: “Toy ny milina izany. Raha vao niantomboka izany, dia fantatra fa tsy hijanona. Azo atao ny mandinika ny fahasimban’ny fandaharam-piarovana, nefa rehefa afaka amin’ny aretina iray dia manomboka ny anankiray hafa. Ho voan’ny pnemonia ilay marary, avy eo dia fivontosana amin’ny atidoha, ary farany dia hamely ny tsinaibe ny “virus” anankiray.” Ny anankiray tamin’ireo marariny dia mpanao fanatanjahan-tena izay nanao ady totohondry, tennis ary fibatana fonjam-by. Io lehilahy io dia “nanana sakaiza vavy ary tsy niaraka afa-tsy indray mandeha monja tamin’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy enim-bolana talohan’ny nahavoazany”. Nanjary nanao ahoana izy? “Maty noho ny fahaloahan’ny tsinay izy enina herinandro taorian’ny nahitana ilay aretina. 30 taona izy.”
Inona no atao mba handinihana izay rehetra mahakasika ny SIDA? Ny C.D.C. (Centers for Disease Control [Foibe fikarohana sy fanaraha-maso ireo aretina]) dia any Atlanta (Etazonia). Ny 13 febroary 1983, ny gazety lehibe any Atlanta dia nanoratra hoe: “Tsy mbola nila mpanao fikarohana be dia be toy izany mihitsy ny C.D.C. — eo amin’ny zato hatramin’izao — ary tamin’ny fotoana lava be toy izany mba handinihana zava-manahirana mahakasika ny fahasalamam-bahoaka. Ny asa vitan’io fitambarana mpahay siansa io dia mampiseho ny anankiray amin’ireo fiezahana voatohana indrindra, lehibe indrindra, vita hatrizay teo amin’ny lafiny ara-pitsaboana. (...) Amin’ny fiheverana fa mitady “virus” izy ireo—na dia tsy azo antoka akory aza izany — ireo mpanao fikarohana ao amin’ny C.D.C. dia miezaka mamboly masom-boly amin’ny biby na ao anaty tavoahangy.” Koa satria mety hanana fe-potoana fikotrehana enim-bolana ka hatramin’ny roa taona ny SIDA, ireo fikarohana vita ankehitriny dia angamba tsy hampiharihary na inona na inona alohan’ny 1985. Amin’izao fotoana izao, ireo “virologistes” sy “microbiologistes” ao amin’ny C.D.C. “dia mihevitra fa tsy hoe efa eo am-pototry ny fahitana ny zavatra manan-kery [mahatonga ny SIDA] akory izy ireo toy ny nanombohany ny fikarohana efa mihoatra ny herintaona izao”.
Tamin’ny janoary, ny C.D.C. dia nandamina lahateny mikasika ny SIDA. Araka ny Gazetin’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana, ny dokotera D. Armstrong, ao amin’ny Centre de cancérologie Mémorial Sloan-Kettering, dia nanambara tamin’ireo mpiara-miasa aminy hoe: “Tsy misalasala velively aho ny amin’ny ifindran’ny SIDA amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy amin’ireo zavatra vita avy amin’ny rà.” Ny Science 83 dia nanambara toy izao ny fihetseham-po ankapobeny: “Ireo mpahay siansa dia mino fa izy io [ny SIDA] dia mifindra amin’ny ‘fifandraisana miafina’ — amin’ny alalan’ny fanjaitra nampiasain’ny mpampiasa fanafody mahadomelina (toxicomanes) na tamin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Izany dia mahatonga hihevitra zavatra izay entin’ny rà. Tompon’andraikitra maro amin’ny fahasalamam-bahoaka no velon’ahiahy amin’ireo olona an-tapitrisany maro mandray na manome rà.”
Amin’izao andro izao dia tsy misy fitsapana [test] izay ahafahana mamantatra ireo olona voan’ny SIDA; ireo banky fiherizan-drà dia tsy afaka mikaroka ireo mpanome mitondra io aretina io. Natao àry ny fanoloran-kevitra mba tsy hanekena ny ràn’ireo mpanome “mety hahitan-doza”, indrindra fa ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy. Nefa namaly izy ireo tamin’ny firesahana fanavakavahana sy zo nodikaina. (Nefa mba mihevitra ny amin’ny zon’ireo izay mandray rà toy izany ve izy ireo?) Ankoatr’izany, ny solontenan’ny fikambanana lehibe mandry amin’ny lehilahy anankiray dia nanambara nandritra ny lahateny nalamin’ny C.D.C. hoe: “Lehilahy mandry amin’ny lehilahy maro no tsy miaiky ho toy izany ary tsy hilaza izany eo amin’ny taratasy fenoina fanontaniana.” Nandrenesana fandavana mitovy amin’izany tany Afrika Atsimo rehefa nanoroana hevitra mafy ny amin’ny fanivanana toy izany taorian’ny fahafatesan’ny mpikambana lehilahy roa tao amin’ny mpiasa amin’ny South African Airways.
Ireo zava-misy farany dia mampiharihary fa ireo vehivavy izay nanana firaisana tamin’ny lehilahy voan’ny SIDA dia mety ho voan’io aretina io ihany koa. Ny fitambaran’ny voa anankiray hafa dia voaforon’ny ankizy. Ny sasany araka ny fetezan-ko azo ampoizina rehetra, dia voa tamin’ny alalan’ny fampidiran-drà, na tamin’ny fitsaboana nisy rà nomena azy ireo taorian’ny nahaterahany noho ny zava-manahirana Rhésus. Nisy ankizy voa koa raha mbola vao tany ambohoka na taorian’ny fifandraisana akaiky tamin’ny havana na olona hafa voan’ny SIDA.
Koa satria ny isan’ireo voa voalaza nitombo avo roa heny isaky ny enim-bolana, dia tsy isalasalana fa handre firesahana be dia be ny amin’io areti-mifindra mahatsiravina io isika mandritra ireo taona 1980. — Galatiana 6:7, 8.
[Sary, pejy 11]
Ny famoronana faran’izay kely indrindra na faran’izay lehibe indrindra dia mampiseho ny fahefan’Andriamanitra hanorina lalàna sy fotopoto-pitsipika.