FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/3 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mety Malahelo Andriamanitra, Ahoana no Hampifaliantsika Azy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nahoana no Menarana no Nampiasain’i Satana Hiresahana Tamin’i Eva?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/3 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ahoana no nataon’ny menarana mba hakana fanahy an’i Eva tao amin’ny saha Edena?

Ao amin’ny Genesisy 3:1 dia voasoratra hoe: “Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?”

Naroso ny fanombantombanana maro ny amin’ny fomba nampiasain’ny menarana mba hiresahana tamin’i Eva. Ny sasany mihevitra fa nilaza hevitra tamin’ny alalan’ny “fihetsehana” na ny fikofokofohan’ny vatana izy. Araka izany, Joseph Benson, mpitondra fivavahana anglisy iray, dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao: “Tsy fantatsika izay fomba nitenenany taminy. Toa tena azo inoana anefa fa nanao izany tamin’ny alalan’ny famantarana izy. Marina fa nisy nihevitra hoe nanan-tsaina tamin’izany ny menarana ary nahay niteny. Raha inoana ny hevitr’izy ireo, dia noho izany antony izany no tsy nahataitra an’i Eva rehefa nahita azy nanjohy hevitra sy niresaka, nefa araka ny hevitr’izy ireo dia tokony ho taitra izy raha ny ara-dalàna. Tsy miorina amin’ny porofo mihitsy anefa izany tsangan-kevitra izanya.”

Nohantitranterina fa ny fanatrehana sy ny nataon’ilay menarana mihitsy dia afaka nampita hafatra. Marina fa tsy tamin’ny biby fa tamin’ny olona (Adama) no nilazan’Andriamanitra hoe: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Nefa, raha teo amin’ilay hazo ny menarana izay fantatra noho ny ‘fahamalinany’ lehibe, dia afaka nanatsoaka hevitra tamin’izany fa tsy dia nampidi-doza loatra izy io rehefa nodinihina. Afa-tsy izany koa, ilay menarana dia afaka nanao fihetsehana nahasodoka mba hampisehoana ny soa rehetra noheverina fa horaisina avy amin’io hazo io.

Sarotra anefa ny hahafahana mamintina ny teny rehetra voatantara ao amin’ny Genesisy 3:1-5 amin’ny fihetsehan’ny vatana vitsivitsy. Amin’izany fomba izany, ohatra, ahoana no hataon’ny menarana mba hampinoana an’i Eva fa ho tonga tahaka an’Andriamanitra izy ka ho afaka hanapaka ny amin’izay tsara sy ratsy? Afa-tsy izany koa, ny fitantarana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia manambara mazava fa ‘nilaza’ zavatra tamin’i Eva ny menarana. Taorian’izany, dia namaly azy ara-dalàna tokoa tamin’ny teny Eva. Taorian’ny valinteniny, dia mbola ‘nilaza’ zavatra hafa tamin’ilay vehivavy ny menarana. Ireo izay mieritreritra toa an’i Joseph Benson fa nilaza hevitra tamin’ny alalan’ny famantarana na ny fihetsehana izy, dia tokony hanatsoaka avy amin’izany àry fa namaly azy tamin’izany fomba izany i Eva, tamin’ny fihetsehana.

Naka teny avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy ny apostoly Paoly rehefa nanao izao fampitandremana manaraka izao ho an’ireo kristiana tany Korinto: “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny. Teo ny loza dia avy tamin’ny “Apostoly sandoka”, “mpiasa mamitaka”. Miharihary fa tsy tamin’ny fihetsehany na tamin’ny fisehoany ivelany ireo “Apostoly ambony indrindra” resahina no nampidi-doza indrindra. Ny nitondra fandrahonana indrindra dia ny lahateniny namitaka, ny teny misy hafetsena notononin’izy ireo mba hampaniasiavana ny mpihaino azy. — II Korintiana 11:3, 5, 13.

‘Tsy nanana faritra amin’ny tena famoaham-peo anefa ny menarana’, hoy angamba ianareo. Tsy misy na inona na inona milaza tokoa fa manana izany izy. Tsy hoe tsy maintsy nila izany anefa izy mba ‘hitenenana’. Rehefa niteny an’i Balama tamin’ny alalan’ny biby mpitondra entana iray, borikivavy iray, i Jehovah, dia tsy nanana farampeo (larynx) matanjaka toy ny an’ny tompony io. Izao no vakintsika: “Dia nosokafan’i Jehovah ny vavan’ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’i Balama: ...“Namaly ny fanontaniany i Balama. Izany dia nahatonga azy hahazo fanamarihana hafa iray koa avy amin’ilay biby izay, raha izy irery anefa, dia tsy afaka nilaza hevitra (Nomery 22:26-31). Tamin’izany, dia nampahiratin’i Jehovah ny mason’i Balama mba hahatsapany ny naha-teo ny anjely iray, fanahy (esprit) iray ambony noho ny olombelona. Avy tany amin’ny faritra ara-panahy anefa no nanapahana hevitra sy nanatanterahana ny fahagagana nahatonga an’io “boriky moana” io ‘hanao feon’olona’. — II Petera 2:16.

Mba hanatanterahana io fahagagana io, moa ve Jehovah nampiasa karazana fahaiza-miteny toy ny avy any an-kibo? Angamba. Tsy azo atao anefa ny mahafantatra marina ny fomba nampiasainy. Ao amin’ny Jaona 8:44 sy ao amin’ny Apokalypsy 12:9 dia fantatsika fa ilay niafina tao ambadiky ny menarana tany Edena no ilay nanjary nantsoina hoe “devoly sy Satana”. Izy koa dia fanahy ambony noho ny olombelona na dia tonga ratsy aza. — Jereo I Samoela 28:7, 8, 15-19.

Noho izany, na dia nety hanamafy ny hafatra nolazainy tamin’i Eva aza ny fihetsehan’ny menarana, ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa tena nitranga tokoa ny resaka nifanaovana ao amin’ny Genesisy, fa tena nandre teny tokoa i Eva ary namaly izany. Izany tetikady izany dia asan’i Satana, ilay ratsy indrindra amin’ny mpamitaka, ilay “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava”. — II Korintiana 11:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny 1907, dia nanoratra toy izao i C. Russell: “Tsy fantatsika na niteny tamin’ny feo izy na tamin’ny natao fotsiny. — Tena azo inoana anefa fa nampiasa ity fomba faharoa izy. Moa ve tsy milaza tokoa isika fa ‘mahalaza zavatra mihoatra noho ny teny ny atao’?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara