‘Izahay mivavaka amin’izay fantatray’
“LEHIBE dia lehibe ny Ray, lehibe dia lehibe ny Zanaka, lehibe dia lehibe ny Fanahy Masina. Mandrakizay ny Ray, mandrakizay ny Zanaka, mandrakizay ny Fanahy Masina. Ary anefa tsy misy mandrakizay telo, fa mandrakizay iray monja; tsy misy tsy noforonina telo na lehibe dia lehibe telo, fa tsy noforonina iray monja sy lehibe dia lehibe iray monja.” Na amin’ny maha-iray azy na amin’ny maha-telo azy, ny Andriamanitry ny fivavahana lazaina fa kristiana izay lazalazaina toy izany amin’ny fanekem-pinoan’i Athanase dia tsy azo lavina fa mifono zava-miafina sy tsy azo fantarina. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia tena Andriamanitra tsy fantatra tokoa izany.
Indray andro dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Izahay (...) mivavaka amin’izay fantatray.” (Jaona 4:22). Tamin’izay fotoana izay izy dia niresaka tamin’ny anaran’ny vahoaka nilazan’i Mosesy toy izao: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Eny, ireo Jiosy nahatoky dia nahafantatra an’ilay Andriamanitra nivavahan’izy ireo. Fa raha ny amin’ireo kristiana izay tsy eo ambanin’ny faneken’ny Lalàna nomen’i Mosesy fa eo ambanin’ny fanekena vaovao, dia izao no nosoratana ara-paminaniana ny amin’izy ireo: “Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy. Na hanao hoe: Mahalalà an’i Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.” Tsy azo lavina fa tena mahalala tsara ny Andriamaniny tokoa ireo izay lazalazaina toy izany. — Deoteronomia 6:4; Hebreo 8:11.
“Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray”
Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mino ny fampianarana ny amin’Trinite, dia nolazaina fa nanaraka karazana arianisma”a izy ireo. Tsy tonga ariana anefa ny tena satria fotsiny tsy mino ny trinite. Ao amin’ny anankiray amin’ireo soratra vitsy voaraintsika avy amin’i Arius, dia manizingizina izy fa na dia hatramin’ny Zanany mihitsy aza dia tsy afaka hahafantatra an’Andriamanitra. Mitovy hevitra amin’izany koa, ilay mpanoratra tantara atao hoe H. Gwatkin dia nanao izao fanamarihana izao ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe The Arian Controversy: “Ny Andriamanitr’i Arius dia Andriamanitra tsy fantatra, izay ny maha-izy azy dia mifono zava-miafina mandrakizay. Tsy misy zavaboary afaka mahafantatra azy mihitsy, ary tsy afaka miseho ny tenany.” Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia tsy mivavaka, na amin’ny “Andriamanitra tsy fantatra” voalazan’i Arius na amin’ny Andriamanitra tsy hay fantarin’ny mpanohana ny trinite. Miara-manambara amin’ny apostoly Paoly toy izao izy ireo: “Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra.” — I Korintiana 8:6.
Tao amin’ny anankiray amin’ireo vavaka nataony, dia nasehon’i Jesosy fa zava-dehibe tokoa ny hahatongavana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina.” (Jaona 17:3). Ilay apostoly izay nilaza ireo teny ireo dia nanoratra toy izao koa: “Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina [Jehovah]; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i [amin’ny alalan’i, MN] Jesosy Kristy Zanany. Izy [izany, MN] no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” — I Jaona 5:20.
Ny mpandika teny sasany anefa dia nanandrana nanome endriny telo izay iray an’io andinin-teny farany io. Ohatra, ao amin’ny Le Livre (fanontana Farel), ny faran’ilay andininy dia aseho toy izao: “Jesosy Kristy Zanany izay hany Andriamanitra marina sy ny fiainana mandrakizay.” Ny Baiboly katolika sy ny protestanta rehetra anefa dia manavaka tsara an’i Jesosy amin’ilay “Andriamanitra tokana sady marina” voalaza ao amin’ny Jaona 17:3. Afa-tsy izany koa, amin’ny bokiny hoe Theological Investigations, dia manamarika toy izao ilay mpivaofy teny katolika malaza atao hoe Karl Rahner. “Ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’ny masindahy Joany, ny fitenenana hoe [“ilay Andriamanitra”] dia matetika tokoa no miresaka ny amin’ny Ray tsy misy fihambahambana mihitsy, hany ka tokony ho azo atao ny hampihatra izany aminy ao amin’ilay epistily manontolo.” Etsy andaniny koa, ny Bible du Centenaire, fandikan-teny protestanta iray, dia miaiky ao amin’ny fanamarihana ambany pejy fa ny teny grika tamin’ny voalohany dia azo adika amin’ny fomba tsy manamarina ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Aoka holazaina kely aloha fa tsy hoe tsy ilaina ny hampahatsiahivana fa tamin’ny taonjato faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana, araka ny tena azo inoana, ny mpanora-dalàna iray mpanohana ny trinite somary nirehitra loatra, dia nanampy tamin’ny soratra latina ao amin’ny I Jaona 5:7 izao teny manaraka izao: “Ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy; ary iray ireo telo ireo.” Io fanampian-teny io, izay antsoin’ireo manam-pahaizana manokana hoe ny “comma johannique”, dia narovan’ny Vatican hatreo amin’ny 1927, na dia nanaisotra azy tamim-pisalasalana aza ny mpivaofy teny katolika maromaro raha vao tamin’ny taonjato faha-4. Io hosokosoka io dia mampiseho tsara hoe mety ho tonga hatraiza ireo mpanohana ny trinite mba hanamarinana ny fampianarany.
Ny anaran’Andriamanitra sy ny Trinite
Matoa ny Vavolombelon’i Jehovah mahatsiaro tena ho akaiky an’Andriamanitra, ankoatra ny zavatra hafa dia satria izy ireo mahalala sy mampiasa tsy tapaka ny anarany manokana hoe Jehovah (Salamo 83:18). Rehefa misy mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana toy izao na izao ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mamaky ao amin’ny Baiboliny ny fitenenana tsy mampiavaka hoe “ny anaran’ny Tompo”, dia tsy mampahatsiahy na inona na inona na zavatra kely foana aminy izany. Toy izany koa, rehefa mivavaka izy amin’ny filazana hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao”, dia tena mety tsy ho fantany akory aza ny anarana resahiny. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia mahalala ny Andriamaniny sy ny anarana entin’izy io. Sahala amin’ny nataon’ny Mpanao salamo sy ny tenan’i Jesosy mihitsy, dia tian’izy ireo ny anaran’ny Rainy any an-danitra. — Salamo 5:11, 12; Jaona 12:28; 17:6, 26.
Koa satria ny anarana manokan’Andriamanitra miverimberina inarivony maro ao amin’ny soratra tamin’ny voalohany amin’ny Baiboly, nahoana izy io no tsy mahita toerana ao amin’ny fandikan-teny maro navoakan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nahoana no tsy manonona azy mihitsy ny katolika sy ortodoksa ary protestanta milaza tena fa “kristiana”? Moa ve ny fampianarana ny amin’ny Trinite misy fifandraisana amin’io fisehoan-javatra io izay mahavery hevitra fara faharatsiny?
Mahaliana ny mahafantatra fa ny Baibolin’i Jerosalema (fanontana tamin’ny 1955) dia mandika toy izao ny Deoteronomia 6:4: “Mihainoa, ry Isiraely: Iave Andriamanitsika dia Iave irery ihany.” Rehefa avy nanolotra fomba hafa iray andikana azy ny fanamarihana ambany pejy, dia manampy teny toy izao: “Nefa ilay fitenenana dia toa tena fanizingizinana finoana Andriamanitra iray ihany.” Noho izany, io andinin-teny io dia miresaka ny amin’ilay hany Andriamanitra nolazain’i Jesosy toy izao tamin’ny anaran’ny Jiosy: “Izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray.” (Jaona 4:22). Ilay fandikan-teny katolika voatonona eo ambony anefa dia manaiky fa io Andriamanitra tokana io dia antsoina hoe Iave, na Jehovahb. Raha inoana anefa ny teolojian’ny mpanohana ny trinite, ny anarana hoe Iave na Jehovah dia manondro ny Andriamanitry ny patriarka hebreo sy ny Jiosy, ilay nahariharin’i Jesosy ho “ny Ray” na “Andriamanitra Ray”. Noho izany, ho an’ny mpanohana ny trinite, ny anaran’Andriamanitra hoe Iave na Jehovah dia tsy manondro afa-tsy ny anankiray amin’ireo “persona telo” amin’Andriamanitra. Ny “persona faharoa” dia manana anarana koa: Jesosy, fa ny “persona fahatelo” kosa, ny “Fanahy Masina”, dia tsy voatonona anarana foana. Mba hifanarahana hatrany amin’ny tenany ihany, ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy afaka miantso an’Andriamanitra amin’ny anarana iray mahafaoka azy manontolo. Koa ireo mpikambana ao aminy dia manjary mivavaka amin’ny andriamanitra telo izay iray tsy manana anarana.
Na dia ao aza izany rehetra izany, dia katolika maro no mahatsapa avy hatrany fa ilaina ny hivavahana amin’olona fantany sy azony tononina anarana. Azo inoana fa noho izany antony izany no mahatonga maro be aminy hivavaka voalohany indrindra amin’i Jesosy, na amin’i Maria koa aza. Izany fironana hivavaka amin’ny Andriamanitra iray manana anarana izany dia hita na dia tao amin’ny fanaovana mari-trano ara-pivavahana aza. Any amin’ny fiangonana kely sy eglizy ary katedraly maro be tokoa, na any Frantsa na any amin’ny tany hafa, dia voamarika eo ambonin’ny alitara lehibe na amin’ny toerana hafa, ny faribolana volamena mandefa taratra izay mampiseho ny voninahitr’Andriamanitra. Eo afovoany no isehoan’ny telolafy iray mampiseho ny Trinite. Ary mifanohitra amin’izany, ao anatin’io telolafy io dia ahitana ny Tetragrama, ireo renisoratra efatra amin’ny teny hebreo izay mampiseho ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah. Firy anefa ny katolika mbola mahafantatra fa anaran’Andriamanitra izany?
“Iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy”
Rehefa avy nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika”, dia izao no teny nanampiny: “Ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa”. (I Korintiana 8:6). Manaiky an’io hevitra inoana io ny Vavolombelon’i Jehovah. Jehovah Ray no fototry ny zavatra rehetra. Jesosy Zanany “Lahitokana”, “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”, no ilay amin’ny alalany no anatanterahan’ny Ray ny sitrapony. — Jaona 1:2, 3, 14; Kolosiana 1:15, 16.
Koa satria tamin’ny taonjato faha-4 ilay teolojiana mpanohitra atao hoe Arius niaro ny fahamarinana ilazana fa “tena nateraka tokoa ny Zanaka”, ka amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky izany fahamarinana izany koa, dia manatsoaka hevitra toy izao ny New Encyclopœdia Britannica: “Ny kristolijian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia karazana arianisma.” Mety anefa ny hilazana mazava fa raha lazaina amin’ny heviny ara-bakiteny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy miresaka ny amin’ny “kristolijia”, izany hoe ny “filazana ara-teolojia ny amin’ny maha-izy an’i Jesosy sy ny asany”. Izy ireo dia miray hevitra amin’ilay lahika izay, araka ny fitantarana iray, dia toa hoe nandefa teny tsy nisy fihambahambana tamin’ireo teolojiana nifandritaka tamin’ny 325 tany Nicée toy izao: ‘Tsy nampianatra antsika fahainaiza hanaporofo tsara, fahakingana na faharanitan-tsaina tsy misy antony Kristy, fa ny fahatsorana voaron’ny finoana sy ny asa tsara.’ Niharihary fa nijaly noho ny finoany an’i Kristy io lehilahy io. Amin’izao androntsika izao, dia toy izany koa no hita amin’ny Vavolombelon’i Jehovah maro. Ireo koa dia tsy mino ny teolojia ara-pilozofia. Raisiny amim-pahatsorana izay lazain’ny Baiboly ny amin’Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina, ary vonona izy ireo ny hijaly noho ny finoany tsotra dia tsotra ka hampiseho izany amin’ny asa tsara.
Ankoatra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy azo heverina ara-drariny ho arianisma, satria ny zavatra inoan’izy ireo dia hafa noho ny filazan’i Arius amin’ny lafiny maro. Ohatra, araka ny filazan’i Arius, dia tsy tena nahalala ny Ray ny Zanaka. Ahariharin’ny Baiboly anefa fa ny Zanaka dia “mahalala tsara” ny Ray, ary “Izy no nanambara Azy”. (Matio 11:27; Jaona 1:14, 18.) Nanizingizina koa i Arius fa tonga Zanak’Andriamanitra noho ny “fananganana anaka” ny Teny, noho ny fahatsaram-panahiny na ny tsy fivadihany ara-pitondrantena. Asehon’ny Soratra masina kosa anefa fa raha vao tamin’ny voalohany Jehovah dia namorona “lahitokana”. (Jaona 1:14; Hebreo 1:2; Apokalypsy 3:14.) Nohamafisin’i Arius fa ny kristiana dia afaka nanantena ny ho tonga mitovy amin’i Kristy, nefa araka ny Baiboly, dia nomen’Andriamanitra an’i Kristy “ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra”. (Filipiana 2:9-11.) Tsy manondro velively ny tenany ho ariana vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah fa mino izany fampianarana rehetra ao amin’ny Soratra masina izany.
“Ilay andriamanitra zanaka lahitokana”
Tsy lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa manana ny “maha-andriamanitra” azy Jesosy. Tsy ekeny koa anefa ny hevitr’io teny io ara-pilozofia omen’ny mpanohana ny trinite. Rehefa miresaka ny “maha-andriamanitra an’i Jesosy” tokoa ireo, dia tsy te-hilaza fotsiny izy fa “andriamanitra” izy io satria fisiana karazan’Andriamanitra na sahala amin’ny Mpamorona. Ho azy ireo, io fitenenana io dia milaza fa Jesosy dia anankiray amin’ireo olona telo samy mandrakizay amin’Andriamanitra. Angamba noho izany antony izany no ahitana eo amin’ireo Baibolin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa be dia be no mandika ny Jaona 1:18 mitovitovy amin’izao: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; ny Zanaka lahitokana izay ao an-tratran’ny Ray, izy no nampahafantatra azy.’ (Baibolin’i Jerosalema). Na dia izany aza, ireo soratanana grika tranainy indrindra amin’ny ankapobeny dia ahitana ny teny hoe “andriamanitra zanaka lahitokana” fa tsy ny fitenenana hoe “Zanaka lahitokana”. Manaiky toy izao ny boky araka ny Baiboly iray (The Expositor’s Greek Testament): “Ny fahefan’ny MSS (soratanana] dia mitongilana hanaiky ny fandikana azy hoe [andriamanitra] nefa kosa ireo fandikan-teny sy ireo Ray [ao amin’ny Eglizy] dia mifanohitra amin’izany.” Nahoana? Tsy isalasalana fa noho ny tahotra ny mpanohitra ny trinite izay mandray izany fiantsoana izany [‘andriamanitra zanaka lahitokana’] ho mampiavaka azy [ny Zanaka] mazava loatra amin’ny Ray”c.
Noho izy ireo miara-manaiky amin’ny Soratra masina fa “andriamanitra” Jesosy amin’ny maha-persona mahery azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy very hevitra noho ny Jaona 20:28, ahitana ny apostoly Tomasy mihiaka toy izao amin’ny fitenenana amin’i Kristy: “Tompoko sy Andriamanitro!” Nety ho nampiasa ny teny hoe “Andriamanitra” toy ny nataon’i Manoa ela be talohany i Tomasy (Mpitsara 13:20-22). Nefa na dia tsy izany aza no izy, dia tsy mety hisy fisafotofotoana mihitsy, satria Jesosy vao avy nandefa ho an’ireo apostoliny ny hafatra iray voalaza toy izao: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jaona 20:17; jereo II Korintiana 1:3). Ny tenan’i Jaona koa aza dia milaza mazava fa notanany an-tsoratra ny fitantarana rehetra ao amin’ny Filazantsarany (anisan’izany ny fihiakan’i Tomasy) “mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra”. — Jaona 20:31.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mihevitra an’i Jesosy ho “Andriamanitra tao amin’ny nofo” na “Andriamanitra natao olombelona”, araka ny fampianarana ara-pilozofia ny amin’ny Fahatongavana ho nofo ilazana fa tafakambana tao amin’i Jesosy ny toe-tenan’olombelona sy ny toe-tenan’Andriamanitra. Mifanaraka amin’ny Baiboly, dia inoan’izy ireo fa “ny Teny dia tonga nofo” (Jaona 1:14.) Mba hanaovana izany, ny Zanak’Andriamanitra dia ‘nanafoana’ ny toe-tenany ara-panahy. Nietry ho “ambany kely noho ny anjely” izy mba hahatongavana ho olombelona, hanolorana ny tenany “ho avotra hisolo ny olona rehetra”. (Filipiana 2:7, 8; Hebreo 2:9; I Timoty 2:6.) Ny hevitra araka ny mpanohana ny Trinite ilazana fa “tsy tena avotana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ny olombelona raha tsy Andriamanitra mihitsy sady olombelona mihitsy Kristy” dia avy amin’ny filozofia fa tsy avy amin’ny Soratra masina. Raha tian’i Jesosy ny hanavotra ho an’ny taranak’olombelona izay verin’i Adama, dia nilainy ny hanao sorona ain’olombelona tanteraka, fa tsy mihoatra na latsaka (Eksodosy 21:23; I Korintiana 15:22, 45, 47; Romana 5:18, 19, Fandikan-teny ofisialin’ny litorjia [katolika]; Oltramare [fandikan-teny protestanta]; Matio 20:28). Io zava-misy io fotsiny dia ampy handavana ny fampianarana ny amin’ny Fahatongavan’Andriamanitra ho nofo sy ny Trinite.
Na dia “andriamanitra” aza Jesosy dia “tsy nihevitra ho toy ny remby hohazonina ny fitoviana amin’Andriamanitra [Jehovah]”. (Filipiana 2:6, Fandikan-teny oekimenikan’ny Baiboly.) Tsy isalasalana fa manaiky an’i Jehovah izy ary hanohy hanao toy izany amin’ny ho avy (I Korintiana 15:27, 28). Afa-tsy izany koa, dia nekeny an-tsitrapo foana ny fahambonian’ny Rainy (Jaona 14:28; jereo I Korintiana 11:3). Rehefa natsangana tamin’ny maty izy, dia “novelomina tamin’ny fanahy”, “voasatroka voninahitra aman-daza” ‘nasandratra’, “mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany”. (I Petera 3:18; Hebreo 2:9; Filipiana 2:9, 10.) Noho izany, dia tsy gaga ny Vavolombelon’i Jehovah mamaky ao amin’ny Hebreo 1:6 fa ny anjely dia asaina ‘haneho mari-panajana azy’ (Darby, MN), ‘hiondrika eo anatrehany’ (Fandikan-teny Eokimenikan’ny Baiboly; Fandikan-teny ofisialin’ny litorjia) na ‘hankalaza’ azy. (Baibolin’i Pirot sy Clamer; jereo Apokalypsy 5:11, 12.) Izany dia tsy mifanohitra velively amin’ny Matio 4:10, izay anasoritan’i Jesosy, raha naka teny tao amin’ny Deoteronomia izy, fa Jehovah irery ihany no tokony hiankohofana. Tsara koa ny manamarika fa ny Baibolin’i Pirot sy Clamer izay mampiasa ny matoanteny hoe ‘miankohoka’ ao amin’ny Hebreo 1:6, dia mampitodika ao amin’ny famoaboasany ho amin’ny Deoteronomia 32:43 (araka ny nandikan’ny Septante azy) sy ao amin’ny Salamo 97:7 izay andikany indroa ny hoe ‘miankohoka’. Nahoana io Baiboly katolika io no tsy mandika foana amin’ny fomba mitovy io matoanteny io ihany? Araka ny tena azo inoana, dia noho ny fiahiana ny hiaro ny Trinite.
“Ny fanahy masina nampanantenaina”
Tamin’ny andro Pentekosta ny apostoly Petera dia nanonona izao teny izao: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary Vavolombelon’izany izahay rehetra. Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.” (Asa. 2:32, 33). Inona izany “Fanahy Masina Izay nokasainy [fanahy masina nampanantenaina, MN] izany? “Persona fahatelo amin’ny Trinite” ve izany? Inona no lazain’ireo boky malaza ny amin’izany?
The Catholic Encyclopedia: Na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy misy firesahana mazava ny amin’ny persona fahatelo.”
A Catholic Dictionary: “Amin’ny ankapobeny, ny Testamenta Vaovao, sahala amin’ny Taloha, dia mampiseho ny fanahy ho hery avy amin’Andriamanitra.” — Izahay no manipika.
The New Encyclopedia Britannica: “Ny fisehoan’ny fiheverana manohana ny trinite tao amin’ny teolojian’ny Eglizy voalohany dia niteraka zava-manahirana lehibe ny amin’ny Fanahy Masina. Ny maha-izy ny Fanahy Masina tokoa, izay ampahafantarin’ny Testamenta Vaovao miharihary ho herin’Andriamanitra, (...) dia tsy nety ho azo tanteraka (...). Noheverina ho hery ny Fanahy Masina fa tsy persona.” (Izahay no manipika.) “Nefa, tamin’i Athanase (maty tamin’ny 373) ny hevitra ny amin’ny homoousia (fitovian’ny maha-izy) tanteraka amin’ny Fanahy Masina sy ny Ray ary ny Zanaka dia niseho tamin’ny farany.”
A Catholic Dictionary: Ny maha-andriamanitra ny persona fahatelo dia tena nambara tokoa tamin’ny konsily iray natao tamin’ny 362 tany Aleksandria (...), ary farany dia tamin’ny konsily tany Constantinople tamin’ny 381.”
Tamin’io daty io, dia taonjato telo sy tapany no lasa hatramin’ny Pentekosta taona 33 nandatsahana ny fanahy masina.
Arius kosa anefa dia tsy nanaiky ny hevitr’i Athanase izay nilaza ny fanahy masina ho mitovy fahamboniana amin’ny Ray. Na dia izany aza, dia nihevitra ny fanahy ho persona izy. Mampiseho koa izany, raha ilaina, fa tsy arianina akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Miara-manaiky amin’ireo kristiana voalohany tokoa izy ireny fa ny fanahy masina dia hery miasa ampiasain’Andriamanitra amin’ny fomba maro mba hanatanterahana ny sitrapony (Asa. 5:32). Marina fa aseho ho manan-toetran’olona io fanahy io ao amin’ny andinin-teny samihafa ao amin’ny Baiboly. Tsy manaporofo na inona na inona anefa izany. Ny boky katolika iray (A Catholic Dictionary) tokoa dia miaiky toy izao: “Ny ankamaroan’ireo soratra ireo dia tsy manome porofo mampiaiky mihitsy ny amin’ny maha-persona azy (...). Tsy tokony hohadinoina fa ny T[estamenta] V[aovao] dia mampiseho ho toy ny olona koa ny hevitra toy ny fitiavana (I Kor. xiii. 4) sy ny fahotana (Rom. vii. 11), na zavatra voavaka an-tsaina fotsiny na tsy manana aina toy ny lalàna (Rom. iii. 19), ny rano sy ny ra (I Jaona 5:8 I Jn. v. 8).” Mifamadika amin’izany, ny Baiboly dia milaza fa ‘nalatsaka’ ny fanahy masina, fa nisy olona “feno” izany, fa nandray izany ho toy ny “fanomezana” izy ireny ary ‘natao batisa tamin’ny Fanahy Masina”, ka tsy hisy heviny mihitsy izany raha olona no resahinad. — Asa. 2:4, 17, 38; 4:31; Jaona 1:33.
Aoka isika hanambara ilay Andriamanitra fantatsika
Ireo Ateniana nivavaka tamin’ny ‘andriamanitra tsy fantatra’ dia nanambaran’ny apostoly Paoly toy izao: “Izay ivavahanareo nefa tsy fantatrareo, dia tonga hanambara aminareo ny amin’izany aho.” (Asa. 17:23, Bible en français courant). Raha ny amin’izay mahakasika antsika, dia rariny tokoa raha ho velom-pankasitrahana ny Mpamorona isika noho ny nanafahany antsika tamin’ny ‘misiterin’ny’ Trinite tsy hay hazavaina. Faly isika afaka milaza toy ny nataon’i Jesosy hoe: “Izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray.” (Jaona 4:22). Eny, mivavaka amin’i Jehovah eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Zanany sy noho ny fanampian’ny fanahiny isika. Enga anie àry isika hanohy amin-jotom-po hampahafantatra an’ilay Andriamanitsika mahagaga! Marina tokoa fa “lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra (...). Fa izany no Andriamanitsika, dia Andriamanitsika mandrakizay doria”. — Salamo 48:1, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny fizarana hoe “Ny fiadian-kevitra ariana” ao amin’ny lahatsoratra hoe “Avy eo amin’ny kristianisma mankeo amin’ny fivavahana amin’ny Andriamanitra tsy fantatra iray”, ao amin’ny w85 1/2 p. 24 pejy faha-24 amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 febroary 1985
b Amin’ny teny malagasy, dia ny hoe “Jehovah” no fandikana ny anaran’Andriamanitra fampiasa hatramin’ny ela, toy ny andraisana ny teny hoe “Jesosy” ho fandikana mahazatra ny teny hebreo Yéshoua‘ na ny teny grika Iêsous. Ao amin’ny Grammaire de l’hébreu biblique (pejy faha-49) nosoratany, navoakan’ny Fikambanana pontifikaly momba ny Baiboly any Roma, dia nanoratra toy izao ilay profesora jezoita atao hoe Paul Joüon: “Ao amin’ireo fandikan-teninay, dia tsy ny endriny (araka ny fanombantombanana) hoe Yahweh no nampiasainay fa ny endriny hoe Jehovah (...) izay endriny araka ny literatiora sy fampiasa”.
c Mpandika teny maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no nanao toy izany mba hampisehoana fa manohana ny trinite ny Titosy 2:13 sy ny II Petera 1:1. — Ampitahao ny fanamarihana ambany pejy mifandray amin’ireo andininy ireo ao amin’ny Bible du Centenaire; Bible de Jérusalem; Traduction Œcuménique de la Bible (Fanontana tamin’ny 1977).
d Hahita fanazavana hafa ny amin’io foto-kevitra io ianao ao amin’ilay boky hoe L’esprit saint — Force d’impulsion de l’ordre nouveau promis!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 28]
Ny Katedralin’i Orléans (Frantsa)
Ny Tetragrama, araka ny ahitana azy eo ambonin’ny polipitra (Katedralin’i Orléans).
[Sary, pejy 29]
Ny Tetragrama voasoratra eo ambonin’ny alitara lehibe ao amin’ny fiangonana kely ao amin’ny lapan’i Versailles.