Ny bokin’ny Mpitsara, fampaherezana mba hanatanjaka sy hiaina ny finoan’ny tena
RAHA anontaniana ianao mba hanondro antokon’olona ao amin’ny Baiboly nanjary nalaza noho ny finoany, iza no hoeritreretinao? Ireo apostoly roa ambin’ny folo ve? Ireo zanakalahin’i Jakoba roa ambin’ny folo ve? Mety ho izany. Nefa hanana antony tsara koa ianao hifidianana antokon’olona roa ambin’ny folo hafa resahin’ny Soratra masina amim-piderana.
Ny eritreretinay dia ireo lehilahy roa ambin’ny folo izay ny asam-pinoany dia voatantara ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Maromaro amin’izy ireny no voatonona ao amin’ny Hebreo 11:32-34, izay amakiantsika toy izao: “Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho (...), izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.”
Misy firesahana ny amin’ny mpitsara nahatoky efatra ao amin’io soratra io. Tadidinao ve ny hafa? Ampiasao ny fitadidianao alohan’ny hijerena ny lisitra nataonay eto ambanya. Tsy isalasalana fa tadidinao koa ny sasany tamin’ny zava-nalaza vitan’izy ireny: Samsona nitarika ho ao amin’ny fahafatesany ireo Filistina sy ireo tompo tamin’ny nandrodanana ny tempolin’i Dagona, na koa Gideona nampandositra ny tafika midianita niaraka tamin’ny lehilahy 300 monja. Eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia maro no mahalala izany fitantarana izany satria nianatra azy tamin’ny katesizy. Nefa moa ve notsoahiny avy amin’ny bokin’ny Mpitsara ireo fianarana lehibe mety hanatanjaka ny finoany, hisy heriny mahasoa eo amin’ny fiainany ankehitriny ary hanampy azy ireny hihazona ny ‘fiainana ho avy’? (I Timoty 4:8.) Raha tsia no avalinao, ahoana ny amin’ny tenanao? Moa ve avelanao ny bokin’ny Mpitsara hamolavola ny finoanao sy ny fiainanao kristiana?
Makà fianarana avy amin’ny ventin-kevitra
Vakivakio àry io boky io. Na vao voalohany no amakianao azy na tsia, dia hahavariana anao ireo fitantarany miovaova. Homeny anao ny foto-dresaka maro ho azonao iaraha-mandinika amin’ireo zanakao na ankizy hafa, ary koa olon-dehibe mieritreritra. Amin’ny famakianao teny rehetra anefa, dia mety ny hitadidiana ao an-tsaina ireo fianarana lehibe azo tsoahina avy amin’ny ankamaroan’ireny tantara ireny. Inona, ohatra?
Ny anankiray aminy dia ny hoe mora dia mora ny mamela ny finoantsika an’Andriamanitra hihena na ny manadino izay nataony ho antsika. Izay mahita ny fanantenana kristiana na mahafantatra ny fomba hahazoana famelana ny fahotan’ny tena noho Kristy dia matetika feno zotom-po avy hatrany. Mahita fahafinaretana izy manatrika ireo fivoriana sy mandray anjara amin’ny fanompoana kristiana. Ireo asa ireo no omeny ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, ka tsy manaiky ho voatanan’ny fananana ara-nofo izy. Tsy miahy ny hananana fiarakodia vaovao, trano tsara tarehy na televiziona lafo misy ny fanatsarana azy farany izy. Nefa, rehefa afaka taona vitsivitsy atỳ aoriana, dia mety hiala amin’ny ‘fitiavany voalohany’ izy. (Apokalypsy 2:4.) Ny tapany amin’ny tantaran’ny Isiraely tantaraina amintsika ao amin’ny bokin’ny Mpitsara dia mampiseho hoe tena mora ny mety hahalavoan’ny tsirairay avy amintsika ao amin’io fandrika io.
Mametra ny toerana hisehoan’ny tantara ireo toko roa voalohany. Rehefa naka ny tany nampanantenaina ny Isiraelita teo ambany fitarihan’i Josoa, dia tsy naharitra tamin’ny lalan’ny fankatoavana izy, satria tsy nofoanany ireo Kananita mpanompo sampy sy naloto fitondrantena (Mpitsara 1:28-33). Tamin’izany, dia navelan’i Jehovah ho fisedrana ho an’ny Isiraely ireny Mpanompo sampy ireny sy ireo andriamaniny (Mpitsara 2:19-23). Tafintohina imbetsaka ny vahoakany voafidy. Tamin’izay no niditra an-tsehatra ireo mpitsara.
Ny tarehin-javatra nanjaka tamin’ny andron’ny mpitsara voalohany, Otniela, no santionany mihitsy amin’izay hitranga matetika. Nanaraka ny fanompoam-pivavahana naharikoriko tamin’i Bala ny Isiraelita; noho izany antony izany, dia navelan’Andriamanitra ny mpanjaka syriana iray hampahory azy ireo nandritra ny valo taona. Koa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo. Tamin’izay Jehovah no naniraka an’i Otniela hamonjy azy ireo. Tonga taminy ny fanahin’i Jehovah ka nanjary mpitsara teo amin’ny Isiraely izy. Rehefa nivoaka hiady izy, dia natolotr’i Jehovah ho eo an-tanany ny mpanjakan’i Syria. Taorian’izany ilay tany dia hahita fahatoniana nandritra ny efapolo taona. — Mpitsara 3:7-11.
Tsy maintsy ho nameno fankasitrahana ny Isiraelita izany fanafahana izany. Moa ve isika koa tsy nankamamy ny nahitana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny nanafahana tamin’ny fivavahan-diso? Inona anefa no hoentin’ireo taona hanaraka? Manampy teny toy izao ny fitantarana: “Fa nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray ny zanak’Isiraely ary Jehovah nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Isiraely.” (Mpitsara 3:12). Izany no loza mikendry antsika raha avelantsika hihena ny fiaikentsika. Izay vakintsika manaraka anefa dia natao hanome toky antsika: Rehefa nody indray ny sain’ny Isiraelita, dia naniraka an’i Ehoda mpitsara izay kavia Andriamanitra. Izy io dia tonga nitondra hafatra tsapa tsara ho an’i Eglona mpanjaka, lehilahy vaventy be, ary niafara tamin’ny fanafahana ny Isiraely izany. Avelanay anefa ianareo hamaky an’io fitantarana mahavariana io ao amin’ny faran’ny toko faha-3.
Ny finoana miasa
Ny hevitra tena lehibe hafa iray tokony hitana ny sainao dia hoe afaka mampiasa anao Andriamanitra mba hanatanteraka asa miavaka, raha maneho finoana matanjaka ianao. — Jereo Matio 17:20; 21:21.
Aoka isika hanonona ohatra vitsivitsy mba hanazavana io hevitra io: Eritrereto i Gideona izay, tsy niaraka afa-tsy tamin’ny lehilahy 300 nefa nandresy ny Midianita izay “tahaka ny valala ny hamaroany”. (Mpitsara 7:1-25.) Nampaherezin’i Debora i Baraka ka nanafaka ny avaratry ny tany feno mpampahory kananita izay ny kalesiny dia nisy karazan’antsy vy fijinjana nahatahotra teo amin’ny kodiarany. Homarihinao koa fa teo dia vehivavy iray no namita ny fandresena (Mpitsara 4:1 ka hatramin’ny 5:31). Nalaza ny tanjak’i Samsona. Ny heriny tsy manam-paharoa dia nahatonga azy ho afaka handrotidrotika liona iray. Tamin’ny valanoranom-boriky no namonoany Filistina arivo. Tetsy andaniny koa, dia nendahiny ny vavahadin’ny tanànan’i Gaza mba hametrahana azy teo an-tampon’ny tendrombohitra iray. — Mpitsara 14:5 ka hatramin’ny faha-16:3.
Tsy isalasalana mihitsy fa netsehin’ny finoana hafa dia hafa ireny mpitsara ireny. Takatra àry ny antony nanononan’ny taratasy ho an’ny Hebreo azy ireo ho ohatra ho antsika. Fa amin’ny lafiny inona izy ireny no ohatra tokony halaintsika tahaka? Tsy isalasalana fa tsy mikasa ny hanasamatsamaka liona amin’ny tanana fotsiny akory ianao. Nefa, raha toa amin’ny maha-kristiana ka miezaka isan’andro ianao mba tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah, dia tsy maintsy hosedraina ny finoanao.
Raha mankany an-tsekoly ianao, angamba ny manodidina anao mitaona anao hanandrana zavatra mahadomelina na filalaovana fitia, na hiditra hanao raharaha be karama koa. Manokana na niaraka tamin’ny fianakavianao, dia nety ho nanaiky hanana fahafoizan-tena lehibe dia lehibe tamin’ny ara-nofo ianao mba hanompoana an’Andriamanitra manontolo andro na mba hiainana ao amin’ny faritra iray ilàna mpitory indrindra, nefa ny kristiana hafa toa manao ny harena sy ny fiainana feno rendrarendra ho anankiray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Mety hosedraina koa ny finoanao satria ho nandiso fanantenana anao mafy ny olona iray. Angamba izany kristiana iray nitana toerana niavaka, nefa noho ny avonavona dia hiodina hanohitra ireo rahalahiny. Na koa, ny anankiray amin’ireo havanao akaiky no hamela ny fitiavany an’i Jehovah hihamangatsiaka ka hitsahatra tsy hanompo azy.
Raha ao anatin’ny anankiray amin’ireo toe-javatra ireo ianao, moa ve hanatanjaka anao ny finoan’ireo mpitsara? Izany finoana izany izay azon’izy ireo avy tamin’i Jehovah dia nahatonga azy ho afaka hanatanteraka zavatra toa tsy ho azo atao. Io Andriamanitra io koa anefa dia afaka manome anao finoana sahala amin’izany raha mangataka izany aminy hatrany amin’ny vavaka ianao ary raha maharitra amin’ny lalan’ny kristianisma. Vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra ny finoana (Galatiana 5:22). Ny amin’io fanahy io izay nameno tanjaka an’i Samsona, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ny Ray, izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy”. Ny toko ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo izay mampiseho amintsika an’ireo mpitsara ho oha-pinoana dia mitovy hevitra amin’izany. Manome toky antsika izy fa Jehovah dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Lioka 11:13; Hebreo 11:6.) Eny, afaka mamaly soa ny finoanao Andriamanitra.
Mitadiava hanatsoaka fianarana avy amin’izany
Nanintona ny sainao ho amin’ny fianarana anankiroa azo tadidiana avy amin’ny bokin’ny Mpitsara izahay. Tsy isalasalana mihitsy anefa fa hahita fampianarana sarobidy hafa ianao ao amin’io tapany amin’ny Soratra Masina io izay ‘nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana’. — II Timoty 3:16.
Ankoatra ny zavatra hafa, dia ho voamarikao fa Gideona, nahatsapa ny fetran’ny herin’ny tenany, dia tsy naniry hiditra amin’ny lalana iray raha mbola tsy azony antoka fa Jehovah no nangataka azy hanao izany. Taty aoriana, mbola noho ny fanetren-tenany ihany, dia tsy navelany ny fahombiazany sy ny maha-zava-dehibe ny raharahany “hanaitaitra azy”. Afaka mandray soa avy amin’ny ohatra omeny ianao. Tadidio fa noho ny fanohanan’Andriamanitra, ny antokon’olom-bitsy niaraka tamin’i Gideona dia nandresy Midianita tsy tambo isaina. Eritrereto ny fihobiana tsy maintsy ho niarahabana an’ilay mpitsara tamin’ny fiverenany. Toy izany koa, ny talenta manokana dia mety hiteraka fiderana ho anao. Toy izany angamba no ho hita raha mpandahateny mahomby ianao na mpandamin-javatra tsara dia tsara. Raha ny amin’i Gideona, dia nilaza taminy toy izao ireo lehilahy teo amin’ny Isiraely: “Manapaha anay hianao sy ny zanakao ary, ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ny tànan’ny Midiana hianao.” Ahoana no handraisanao ny fanoloran-kevitra toy izany? Raha ny aminy, dia namaly toy izao i Gideona: “Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.” (Mpitsara 8:22, 23). Sahala aminy, dia aoka isika hahay hanetry tena hatrany ary aoka hiaiky isika fa ny fahaizantsika rehetra sy ny zavatra vitantsika noho izany, rehefa fakafakaina dia avy amin’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Ny tantaran’i Gideona sy ireo mpitsara hafa dia mahatonga antsika koa hahatsapa fa olona tsy tanteraka sahala amintsika izy ireo. Afaka manatsoaka fianarana sasany avy amin’ny fahadisoan-kevitr’izy ireny isika.
Araka izany, rehefa avy namela ny Isiraelita hizara ny zavatra azony babo taminy i Gideona, dia nanao efoda sarobidy, karazana aron’akanjo izay nasiana firavaka angamba. Azo antoka fa tsara ny antony nanosika azy, nefa nisy Isiraelita vitsivitsy nihevitra an’io efoda io ho toy ny sampy, ka niala mihitsy tsy hanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tao amin’ny fitoerany masina. — Mpitsara 8:24-27.
Niasa tamin’ny fomba nahery teo amin’i Samsona ny fanahin’Andriamanitra, ka izany dia nahatonga azy ho afaka hanatontosa zava-bita toa tsy hain’olombelona (Mpitsara 14:5, 6, 19; 15:14, 15; 16:3, 28-30). Jehovah koa no nanosika azy haka zazavavy Filistina ho vady, satria ‘nitady izay hiadiany taminy izy’. (Mpitsara 14:4.) Izany no fototry ny fifandonana niteraka fahafatesan’ny maro be tamin’ireny mpampahory mpanompo sampy ireny. Tsy isalasalana mihitsy koa fa teo ambany fitarihan’Andriamanitra no nankanesan’i Samsona ho any Gaza ka nidirany tao an-tranon’ny vehivavy janga iray, satria izany rehefa avy eo nitarika azy hanatontosa asa lehibe nampietry an’ireo Filistina ratsy fanahyb. Ny fifaneraserana tamin’io karazam-behivavy io anefa dia toa nitarika an’i Samsona hanao zavatra tamin-kadalana rehefa raiki-pitia tamin’i Delila izay azo inoana tokoa fa Isiraelita nanaiky handray kolikoly avy tamin’ny Filistina izy. — Mpitsara 16:1-21.
Ny fitantarana toy izany dia mampahafantatra antsika fa tokony hitandrin-tena amin’ny famelezan’ny fahavalo ankolaka isika. Ohatra, ny lehilahy kristiana iray, noho ny fikasana tsara, dia mety hitsidika vehivavy kristiana iray mba hitondra fampaherezana ho azy na hampahery azy ao anatin’ny fotoan-tsarotra? Mandrakariva dia tsy fahendrena loatra anefa ny hanaovana toy izany raha mety ho irery ireo. Mety hanosika azy ireo hanaraka fitondrantena tsy voahevitra tokoa ny tsy fahatanterahan’olombelona. Ambonin’izany, izany tarehin-javatra izany dia mety hahatonga ny manodidina hino fa tsy tsaratsara kokoa noho ny an’ny ankamaroan’olona ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantenan’ny kristiana.
Saintsaino koa ny finoana sy ny fandavan-tenan’ny virijina iray, ny zanakavavin’i Jefta. Ny kristiana mpitovo sasany angamba dia mikasa ny hanambady indray andro any raha mety amin’izany ny toe-javatra ka mahita vady tia sy mahatoky izy. Amin’izao fotoana izao anefa dia azon’izy ireny atao ny mahatsiaro fa na dia nalahelo aza indraindray ny zanakavavin’i Jefta tsy afaka nanambady sy niteraka, dia tsy nitsahatra mihitsy izy nanatontosa tamim-pinoana nahate-hidera ny asa manokana azony niantsorohana noho izy tsy nanambady. — Mpitsara 11:30-40.
Izany dia sasantsasany monja amin’ny fianarana mahasoa maro ho azonao tsoahina avy amin’io boky mahavariana io izay manatanjaka ny finoana. Rehefa ho avy namaky azy ianao, dia hiaiky tsy mbola nisy toy izany mihitsy fa Jehovah no Mpanafaka lehibe an’ireo izay manolotra fanompoam-pivavahana ho azy. Raha anankiray amin’ireo mpivavaka aminy ianao, dia miezaha àry hamboly finoana matanjaka sy miasa asongadina tsara aoka izany ao amin’ny bokin’ny Mpitsara.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Otniela, Ehoda, Samgara, Tola, Jaïra, Ibzana, Elona, Abdona. Na dia nitsara teo amin’ny Isiraely koa aza i Josoa sy Samoela, amin’ny ankapobeny dia tsy ampidirina ho anisan’ny antokony aseho ao amin’ny Mpitsara izy ireo.
b Azo atao ny mieritreritra fa tamin’ny naha-mpitsidika azy, dia nitady filasiana tamin’ny alina fotsiny i Samsona fa tsy niditra tao amin’ilay vehivavy janga noho ny fikasana maloto. Lazain’ny fitantarana koa fa “nandry Samsona mandra-pamatonalina” fa tsy “nandry niaraka taminy mandra-pamatonalina”
[Tabilao, pejy 22, 23]
(Jereo ny gazety)
VANIM-POTOANA MANOMBOKA EO AMIN’NY NANDRESENA AN’I KANANA KA HATREO AMIN’NY ANDRO NANJAKAN’I SAOLY
Natao ity fanehoana an-tsary ity mba hampisehoana ny anankiray amin’ireo fomba maro azo andaharana ireo vanim-potoana voalahatra lazaina ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, ao anatin’ny fotoana lazaina ao amin’ny faritra hafa amin’ny tenin’ny Baiboly. Mba hahitana antsipiriany maro kokoa, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleur intelligence de la Bible, pejy faha-284 sy 285.
Natao mainty na nasiana tsipitsipika tsy mitovy mba hanavahana tsara ny vanim-potoana tsirairay avy.
1473 al. Fan. ir.
FANDRESENA an’i Kanana (6)
Vanim-potoana anelanelany (35[?])
SYRIA andron’i Kosana-Risataima nampahory Isiraely (8)
OTNIELA nandresy ny Syriana
“Nahita filaminana ilay tany” (40)
MOABA andron’i Eglona nampahory Isiraely (18)
EHODA nandresy Moaba
“Nahita filaminana ilay tany” (80)
KANANA andron’i Jabina avy any Hazora nampahory Isiraely (20)
SAMGARA ‘nandresy Isiraely’ tamin’ny Filistina Fotoana tsy voalaza mazava
BARAKA nandresy an’i Kanana
“Nahita filaminana ilay tany (40)
MIDIANA nampahory Isiraely (7)
GIDEONA nandresy an’i Midiana
“Nahita filaminana ilay tany (...) tamin’ny andron’i Gideona”(40)
ABIMELEKA no nanjaka (3)
TOLA (Isakara) mpitsara Isiraely (23)
JAÏRA (Gileada) mpitsara Isiraely (22)
AMONA nampahory Isiraely (18)
300 taona nanomboka fanafihan’ny Isiraely voalohany (Mpitsara 11:26-33)
JEFTA nandresy Amona; Mpitsara (6)
IBZANA (Betlehema) Mpitsara (7)
FILISTIA nampahory Isiraely (40)
ELONA (Zebolona) Mpitsara (10)
ABDONA (Efraima) Mpitsara (8)
SAMSONA (Dana) Mpitsara (20)
Fiara fanekena tany Kiriata-Jearima 20 taona
ELI Mpisoronabe (40)
Filistia nandresy Isiraely
Vanim-potoana anelanelany (5[?])
SAMOELA Mpaminany mpitsara
Nitarika ny Isiraely handresy an’i Filistia i Samoela (I Sam. 7:7-14)
1117 al. Fan. ir.
SAOLY Mpanjaka (40) Ny andro nanjakany dia nanomboka 356 taona taorian’ny nanombohan’ny nakana an’i Kanana (I Mpanj. 6:1; Deot. 2:7; Asa. 13:21; II Sam. 5:4)