FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/4 p. 32
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fitiavana Zava-mahamamo​—Inona no Azon’ireo Anti-panahy Atao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fahotana ve ny Misotro Toaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Misotro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/4 p. 32

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah mihevitra ny fitiavana zavatra misy alikaola ho toy ny aretina?

Be dia be no mihevitra ny fitiavana zavatra misy alikaola ho toy ny aretina amin’ny hevitry ny teny malalaka. Izany no hita amin’ny mpanao fikarohana maro, mpitsabo sy anisan’ny sampan- draharaha ara-tsosialy izay miezaka mba hanampy olona tia misotro zavatra misy alikaola. Matetika tokoa ny teny hoe “aretina” no miverimberina amin’ny filazalazana na ny hevi-teny omen’ireny manam-pahaizana manokana ireny ny teny hoe fitiavana zavatra misy alikaola. Izao, ohatra, no azo novakina tao amin’ny Science Digest tamin’ny may 1984:

“Mbola aretina mitady fanazavana ihany ny fitiavana misotro zavatra misy alikaola. Raha noheverina izany taloha fa fikorontanana mampiavaka ny saina, dia eritreretina izao fa izy io dia avy amin’ny antony ara-pandovan-toetra sy biosimika koa (...). Nisy fahitan-javatra vaovao nanamarina vao haingana ireo fandinihana natao tany Soeda nilazana fa ny fanaranam-po amin’ny fisotro misy alikaola dia mifindra amin’ny olona iray fianakaviana.” — Pejy faha-16.

Manana antony tsara tokony handraisana amim-pitandremana izany karazan-tsangan-kevitra izany ianao. Izany tokoa dia nitarika mpitia zavatra misy alikaola sasany, sy olon-kafa koa aza, hahita fialan-tsiny sy hilazana fa tsy afaka ny tsy hisotro izy satria hoe aretina ao aminy izany. Ambonin’izany, araka ny filazan’ny sasany, raha mora mandray alikaola ny toe-batan’ny mpitia zavatra misy alikaola iray na tsy misy vokany eo amin’ny tenany mandrakariva ny alikaola, dia tsy ho azo heverina fa tokony hotsinina izy amin’ny ara-pitondrantena.

Na ahoana na ahoana, ny kristiana dia mihevitra alohan’ny zavatra rehetra ny fomba fahitan’Andriamanitra ilay raharaha. Raha ny marina, ny heviny dia sady marina no voalanjalanja tsara sy maharitra, ary izany dia tsy hoe tsy maintsy hita amin’ny hevitra ara-pitsaboana na ara-pandinihana ny toe-tsaina izay mety halaza amin’ny fotoana sasany, avy eo dia hovana, na havela tanteraka aza atỳ aoriana. Ny Tenin’i Jehovah tsy mety diso anefa dia manameloka amin’ny fomba hentitra ny fimamoana amin’ny fanononana azy ho anisan’ireo fanao mety hisakana izay manaram-po aminy tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (Galatiana 5:19-21). Hitantsika ao amin’ny Romana 13:12, 13 izao torohevitra izao: “Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana.” Na dia tafiditra aza indraindray ny fahamora voan’ny vatana, ka izany dia nitarika olona maromaro hanatsoaka hevitra fa aretina mahakasika ny fitsaboana ny fitiavana zavatra misy alikaola, dia tadidian’ny kristiana ao an-tsaina ihany ny lafiny ara-pitondrantena amin’io zava-manahirana io.

Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana ny apostoly Petera: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy.” (I Petera 4:3, 4). Noho ny tenany tsy tanteraka koa, dia tsara toerana i Petera mba hahatakatra ny toe-piainan’olombelona. Tsy nilaza anefa izy hoe ny kristiana rehetra dia niala tamin’ny fisotroana divay be loatra afa-tsy ireo mora voan’ny fitiavana fisotro misy alikaola noho ny fandovan-toetra na noho ny toe-batana. Etsy andaniny koa, ny apostoly Paoly dia niaiky fa ny sasany tamin’ireo rahalahiny tao amin’ny finoana dia mpijangajanga, mpangalatra, mpimamo na mpanao an-keriny talohan’ny nahatongavana ho kristiana. Na inona na inona anefa nahatonga ny fitondrantenany, ny marina dia hoe afaka niova izy ireny, satria nanampy teny toy izao i Paoly: ‘Efa voasasa hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. — I Korintiana 6:9-11.

Noho izany, na heverina ho toy ny aretina ny fitiavana fisotro misy alikaola na tsia, dia tokony hifikitra amin’ireo fitsipika ambony sy tsara dia tsara voalazalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Izay rehetra andevozin’ny alikaola, na noho ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena, noho ny herin’ny manodidina azy na ny fianakaviany, na noho ny fahosana amin’ny lafiny ara-batana koa aza, dia tokony hiezaka hiala amin’io fahazaran-dratsy io. Mba hanaovana izany, dia hilainy angamba ny hangataka ny fanampian’olona hahatakatra ny fiheviny (jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1982, pejy 4-12). Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho azony atao ny ‘tsy handany ny andro sisa iainany amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra’. — I Petera 4:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara