Ny Baiboly — boky tokony hovakina
NY BAIBOLY no boky miely indrindra, voadika amin’ny fiteny maro indrindra, fakana teny indrindra sy tranainy indrindra eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy mihitsy boky hafa toa an’io, mbola velona ihany na dia nisy aza ny fankahalana mafy toy ny nihatra taminy. Mampalahelo anefa fa tsy azo inoana loatra ny hoe ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra amin’izao andro izao.
Mendrika ny hovakina anefa ny Baiboly. Aoka hijery porofon’izany vitsivitsy isika.
Nahoana no tokony hovakina tsy tapaka izy io?
Ny teny hoe “Baiboly” dia avy amin’ny teny grika hoe biblia, izay ny dikany dia hoe “boky kely”. Izany dia mampahatsiahy antsika fa ny Soratra Masina dia voaforon’ny boky sasany voasoratra tao anatin’ny arivo taona mahery, ka ny sasany aminy dia tsy kely velively. Na dia olona aza no nanoratra azy, ny teny ao amin’ny Baiboly dia ara-tsindrimandrin’ny Fisiana ambony iray. Amin’izao andro izao koa dia olona an-tapitrisany maro no mifanaraka mba hanaiky fa “ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa”. (II Timoty 3:16.) Eny, ireny “boky kely” ireny dia feno hevitr’i Jehovah (Isaia 55:9). Tsy mahagaga mihitsy àry raha naharitra ela be toy izany izy ireo.
Ny famakiana tsy tapaka ny Soratra Masina dia efa nitondra vokatra tamin’ny lasa. Ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tsy maintsy nanao kopia tamin’ny tanany ny Lalàna izay mahaforona ankehitriny tapany lehibe amin’ny Baiboly, ka namaky azy isan’andro. Izany dia nampahatsiahy azy ireo foana fa nilaina ny hanehoana fanetren-tena teo amin’ny fanaovana ny asany sy ny hifikirana hatrany tamin’ny didin’Andriamanitra (Deoteronomia 17:18-20). Raha ny amin’izay mikasika antsika, dia tsy isalasalana fa afaka mandray soa sahala amin’izany avy amin’ny famakiana tsy tapaka ny Soratra masina isika.
Ambonin’izany, dia zava-dehibe tokoa ny hihainoana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Noho ny fianarany manokana ny Soratra masina, Daniela mpaminany dia afaka nanavaka fa nadiva ho tanteraka ny faminaniana lehibe iray tao amin’ny bokin’i Jeremia. — Daniela 9:1, 2; Jeremia 29:10.
Tamin’ny fotoana nitorian’i Jaona Mpanao batisa, dia “niandry” an’i Kristy “ny olona”, ka izany dia mahatonga hieritreritra fa Jiosy maro no nahalala tsara ireo faminaniana ny amin’ny Mesia voasoratra tao amin’ny Soratra masina (Lioka 3:15). Antsipiriany mendrika ny hoheverina izany, satria tamin’izany fotoana izany dia tsy mora akory ny nijery azy. Tsy maintsy natao kopia an-tanana tamim-paharisihana tokoa ireo boky ao amin’ny Baiboly. Ahoana àry no nahafahan’ny vahoaka nahafantatra izany?
Noho ny famakian-teny ampahibemaso indrindra. Nanao izao fanamarihana izao tokoa Jakoba mpianatra: “Fa hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ny synagoga rehetra isan-tsabata ny teniny.” — Asan’ny apostoly 15:21.
Amin’izao androntsika izao, dia tsy sarotra ny mahazo Baiboly. Ny sasantsasany, farafaharatsiny, amin’ireo “boky kely” mahaforona azy dia hita ao amin’ireo fiteny iresahan’ny 97 isan-jaton’ny mponina amin’ny gilaoby. Amin’izany dia vao mainka mampalahelo ny tsy fiheveran’ireo mpiara-belona amintsika firy intsony izay voarakitra ao amin’ny Soratra masina.
Famporisihana hamaky ny Baiboly
Ny anankiray amin’ireo lafiny lehibe indrindra amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ny famporisihana ny olona hamaky tsy tapaka ny Baiboly. Eo amin’ny anankiray amin’ireo fanontam-pirinty ao amin’ny foibeny iraisam-pirenena any Brooklyn (New York), dia azo atao ny mamaky izao fehezanteny amin’ny sora-baventy izao: “VAKIO ISAN’ANDRO NY BAIBOLY MASINA, TENIN’ANDRIAMANITRA.”
Any amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 46 000 miely patrana maneran-tany no anaovana isan-kerinandro fianarana amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Ao amin’ny fandaharana amin’io fivoriana io dia misy famakiana ampahibemaso tapany iray nofidina avy ao amin’ny Baiboly. Ambonin’izany, ny mpanatrika rehetra dia asaina hijery any an-tranony, toko vitsivitsy ao amin’ny Soratra masina ao anatin’ny herinandro, hany ka ao anatin’ny fotoana kelikely, ireo izay mifikitra amin’ny fanaovana izany, amin’ny farany dia mahavaky ny Baiboly manontolo.
Izany dia mifanaraka amin’ny torohevitra omena ny amin’izany ao amin’ny anankiray amin’ireo boky ampiasaina amin’io fivoriana io, dia ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique. Izao no vakintsika ao amin’ny pejy faha-20: “Ny fandaharam-pianaranao dia tokony hanokana fotoana ho amin’ny famakiana ny Baiboly. Mahasoa tokoa ny hamakiana azy manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany (...). Ny famakianao teny anefa dia tsy tokony hokendrena hamakiana haingana pejy vitsivitsy, fa ny mba hahazoana ny heviny amin’ny ankapobeny sy mba hitadidiana azy. Makà fotoana hieritreretana.”
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miaiky fa ny kristiana amin’izao androntsika izao dia tokony hahafantatra tsara ny Baiboly. Noho izany antony izany no ampiasany hatramin’ny fotoana vitsivitsy, karazam-pamakiana ampahibemaso vaovao ny Soratra masina izay efa nitarika azy ireo handray amin’ny “cassettes” ny ankamaroan’ireo “boky kely” ao amin’ny Baiboly. Araka izany, ireo izay mihevitra fa tsy afaka mandany fotoana be dia be hamakiana teny hatramin’izao dia afaka mihaino ny famakiana ny Soratra Masina sady mikarakara tokantrano, mandefa fiarakodia na manao asa hafa. Hankamamintsika kokoa ihany anefa ireny feo noraisina ireny raha maka fotoana hanarahana ny famakiana azy ao amin’ny Baibolintsika isika.
Miharihary fa ilaina ny handraisanao soa araka izay azo atao amin’ny fanampiana ara-panahy atolotra anao ao amin’ireo boky kristiana omen’Andriamanitra hampiasainao amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, MN ). Nahoana anefa no tsy maka fahazarana mamaky manokana ny Baiboly isan’andro koa? Handray soa lehibe avy amin’izany ianao, araka ny ampahafantarin’izao baiko izao, natao ho an’i Josoa, anankiray tamin’ireo mpitondra ny firenen’Isiraely, efa ela be izay: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:8.
[Sary, pejy 31]
Hatramin’ny taona maro, io marika famantarana io izay hita eo amin’ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower any New York dia mamporisika ny mpandalo hamaky ny Soratra Masina.