Mitoera “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”
“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:27.
1, 2. inona moa no sasantsasany amin’ireo fepetra tokony hofenoin’ny mpanaraka fanompoam-pivavahana madio?
JEHOVAH dia mitaky ny hanolorantsika fanompoam-pivavahana madio ho azy (Jaona 4:23, 24). Ankoatra ny zavatra hafa, io fivavahana tsy misy loto io dia hanosika antsika haneho fiahiana an’ireo mahantra (Galatiana 2:10). Izany anefa dia mitaky koa ny hiarovantsika tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao — dia ny fitambaran’olona tsy marina sy lavitra an’Andriamanitra izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia Satana. — I Jaona 5:19.
2 “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” Nadika toy izao manaraka izao koa io andinin-teny io: “Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina eo imason’Andriamanitra Ray dia ny fitsidihana ny kamboty sy ny mpitondratena ao anatin’ny fahoriany sy ny fitandreman-tena tsy ho voan’ny fahalotoan’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:27, Votre Bible.
3. Fanontaniana inona avy no hahaliana antsika izao?
3 Isika izay manompo an’i Jehovah àry, ahoana no azontsika ‘itandreman-tena tsy ho voan’ny fahalotoan’izao tontolo izao’? Raha ny marina, ahoana no fiheveran’ny Soratra masina ny amin’ny fanaovan-javatra tsy ara-pivavahana toy ny fianarana sy ny raharaham-barotra ary ny fialam-boly?
Ny fomba ‘hiarovana ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’
4. Inona no fantatsika ao amin’ny Jaona 17:14 sy ao amin’ny Isaia 2:2-4 ny amin’ny tokony ho fifandraisantsika amin’izao tontolo izao?
4 Koa satria amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah dia “tsy naman’izao tontolo izao” isika, dia mety ny hanesorantsika ny marik’io fitambaran’olona tsy marina io (Jaona 17:14). Mba hahatongavana amin’izany, dia ilaina voalohany indrindra ny hialanalanana hatrany eo anoloan’ny adiny ara-politika. Koa satria, amin’ny fitenenana ara-panoharana, dia ‘nanefy ny sabatsika ho fangady’ isika, dia hofadintsika koa ny fandraisana anjara amin’ny herisetrany ka hitady fihavanana isika. — Isaia 2:2-4.
5. Mba tsy hampisy pentimpentina hatrany avy amin’izao tontolo izao, fihetsika manao ahoana no tokony harahintsika a) araka ny I Korintiana 6:9-11? b) araka ny Efesiana 5:3-5?
5 Raha maniry ‘hiaro tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’ isika, dia hariantsika koa ny fiteny rehetra, ny fihetsika sy ny toe-tsaina rehetra izay mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra na dia miely tokoa aza izany eo amin’ny manodidina antsika. Ohatra, ny fankahalana, ny faniriana mihoapampana, ny fitondrantena mahamenatra sy ny vazivazy ratsy dia tsy hanan-toerana mihitsy eo amin’ny fiainantsika (I Korintiana 6:6-11; Efesiana 5:3-5). Tsy mahagaga raha hafa noho ny an’ny mpiara-belona amintsika amin’ny ankapobeny ny ataontsika sy ny fihetsitsika, satria tsy mitovy fanantenana kristiana amintsika izy ireny.
Mihafohy ny andro ho an’izao tontolo izao
6. Araka ny I Korintiana 7:29-31, ahoana no tokony hiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanambadiana, ny harena sy ny fananana hafa eto an-tany?
6 Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Voafetra ny fotoana. Amin’izany, aoka izay manana vady ho toy ny tsy manana, izay mitomany ho toy ny tsy mitomany, izay sambatra, ho toy ny tsy sambatra, izay mividy zavatra ho toy ny tsy manana na inona na inona, izay mandray soa avy amin’izao tontolo izao, ho toy ny tsy mandray soa avy amin’izany. Satria izao tontolo izao araka ny ahitantsika azy dia madiva ho lasa.” (I Korintiana 7:29-31, Fandikan-teny ofisialin’ny litorjia). Noho izany, na dia manana adidy hiantsoroka ny andraikiny ara-panambadiana aza ny lehilahy kristiana, dia tsy tokony hampifantoka ny fiainany rehetra amin’ny fanambadiany izy. Eo amin’ny fahafatesany ireo mpianatr’i Kristy izay nateraky ny fanahy masina dia hamoy mandrakizay ireo olona nifandraisany, ireo fifaliany sy alahelony ary fananany teto an-tany. Afa-tsy izany koa, na ny hiaina any an-danitra na ho eto an-tany no fanantenany, ny kristiana rehetra dia mety hamoy ny vadiny na ny fananany indray andro any. Afa-tsy izany koa, ao anatin’ny “fahoriana lehibe”, dia tsy ny harena fa ny ain’ireo mpanompon’Andriamanitra no harovana (Matio 24:21; Mpitoriteny 9:11). Amin’izany, dia tsy misy mihitsy Vavolombelon’i Jehovah tokony hanao ny fanambadiany, ny hareny na fananana hafa eto an-tany ho ny zavatra imasoany voalohany indrindra. Ho an’ny mpianatr’i Kristy rehetra, ny tena lehibe kosa dia ny hitanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah, vao mainka satria isika miaina amin’ny “andro farany” ary “izao tontolo izao araka ny ahitantsika azy dia madiva ho lasa”. — II Timoty 3:1, MN.
7. Araka ny filazan’ny mpandinika toe-karena iray, nitarika inona moa ny fandrosoana raha ny amin’ny fianarana sy ny vola miditra?
7 Olona be dia be no manahy ny amin’ny ho avin’izao “tontolo izao araka ny ahitantsika azy”. Araka izany, ny vehivavy mpanao gazety iray dia nitantara izao fanamarihana nataon’ilay mpandinika toe-karena atao hoe Ezra Misham izao, momba ny fandrosoana amin’ny fampianarana sy ny fidiram-bola: “Tsy nitondra fanatsarana ara-tsosialy mihitsy [izy ireo]. Mifanitsy amin’ny fandrosoan’ny siansa sy ny fampianarana ary ny fari-piainana, ny fitambaran’olona dia nanatrika fitombo an’ny herisetra sy ny ditra ary ny isan’ny fahadisoana madinika, ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, ny famonoana olona sy ny famonoan-tena, mbamin’ny tsy fahalalana fomba sy ny tsy fahalalana henatra eo amin’ny maro.” Nampiharihary zavatra indrindra ireo teny voalohany tamin’ny lahatsorany. Izao izany: “Ny fandraisan’Andriamanitra anjara ihany no mety hisakana izao tontolo izao tsy ho any amin’ny fandringanan-tena.” — Times-Colonist any victoria, Colombie britanika, tamin’ny 25 martsa 1982.
8. Nahoana moa isika no tsy tokony hitady hanararaotra izao tontolo izao faran’izay betsaka?
8 Mazava ho azy fa Jehovah dia namorona ny tany mba honenan’ny lehilahy sy vehivavy marina sy tanteraka fa tsy fitambaran’olona tsy marina (Isaia 45:18; Salamo 37:29, 38). Noho izany, dia tsy hamela ny taranak’olombelona ho lasa amin’ny fandringanan-tena izy. Tsy isalasalana kosa anefa fa ho lasa “izao tontolo izao araka ny ahitantsika azy”, hanjavona tanteraka. Noho izany antony izany, ireo kristiana izay nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy dia tsy tokony hampiasa izany “amin’ny fomba feno”. Ny fandikan-teny hafa iray dia mandika toy izao an’io hevitra io: “Rehefa mampiasa an’izao tontolo izao ianao, dia aza mitady hanararaotra azy araka izay farany betsaka, satria izao tontolo izao, amin’ny endriny ankehitriny, dia madiva ho lasa.” — I Korintiana 7:31, The New Testament in the Language of Today, nataon’i William Beck.
Azo atao ve ny mampiasa kely an’izao tontolo izao?
9. Hatraiza no fetra anomezan-dalana ny mpanompon’i Jehovah hampiasa an’izao tontolo izao? b) Araka ny Matio 6:31-33 sy I Timoty 6:7, 8, inona moa no fihetsika mety raha arahintsika raha ny amin’ny fananana ara-nofo
9 Isika izay nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho Vavolombelony, moa àry ve isika manana zo hampiasa kely an’izao tontolo izao? Tena nilaza i Paoly fa afaka mampiasa azy isika raha tsy manao izany “amin’ny fomba feno”. Noho izany, dia omen-dalana isika mba hampiasa ny fahafahana atolotr’izao fandehan-javatra izao antsika mba hiantsorohana ny andraikitsika araka ny Soratra masina sy mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana (I Timoty 5:8; 6:17-19). Nefa, noho isika maniry ny ‘tsy hisy pentimpentina foana avy amin’izao tontolo izao’, dia tsy azontsika atao ny hiditra amin’ny fiadian-keviny, ny fihetsiketsehany, ny adiny mafana na mangatsiaka na fanaovan-javatra hafa karazan’izany. Na dia ao anatintsika ao aza, dia tsy tokony hirona mihitsy amin’ny antoko iray fa tsy ho amin’ny hafa isika. Etsy andaniny koa, dia tsy hety ny hanahiantsika be loatra ny amin’ny fomba hivelomantsika na ny fiadanantsika ara-nofo. Nanoro hevitra antsika toy izao tokoa Jesosy: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Aoka holazaina kely aloha fa nitory tamin’ny ohatra i Jesosy, satria raha manan-davaka ny amboahaolo ary manana fialofana ny voromanidina, ny tenany dia tsy nanana izay hipetrahan’ny lohany. Isika koa, dia aoka isika hianatra hianina amin’ny sakafo sy ny fitafiana ary hiezaka ‘hikatsaka ny fanjakana aloha’. — Matio 6:31-33; Lioka 9:58; I Timoty 6:7, 8.
10 Raha ny amin’ny fianarana, fanontaniana inona avy no mendrika ny hoeritreretintsika? Ahoana no hamalianao izany?
10 Rehefa heverina amin’izay voalaza eo aloha, ahoana no tokony hiheverantsika ny raharaha atolotr’izao tontolo izao antsika? Koa satria voaheloka ‘ho lasa’ amin’izao androntsika izao ity fandehan-javatra ity, moa ve ho fahendrena ny hampifantohana ny fiainantsika rehetra ho amin’ny fisondrotana ara-tsosialy (Matio 24:34)? Azo antoka fa tsy izany. Mazava ho azy fa izany fahatsinjovan-javatra izany dia tokony hisy heriny eo amin’ny fomba fiheverantsika ny fianarana tsy ara-pivavahana. Na dia ilaina aza ny hahazoana fahalalana fototra, ao amin’ny fampianarana ambony dia azo atao ny milaza fa sarotra ny tsy ho voafaokan’ny hevitr’izao tontolo izao ankehitriny. Mazava ho azy fa anjaran’ny tsirairay avy ny manao ny fanapahan-keviny amin’io lafiny io (Galatiana 6:5). Mety anefa aloha ny hivavahana amin’i Jehovah sy ny hieritreretana fanontaniana sahala amin’izao: Tao anatin’ny taona maro lanin’ny tanora sasany tany amin’ny oniversite, moa ve izy ireo afaka ‘nikatsaka ny Fanjakana sy ny fahamarinan’i Jehovah aloha’? Tsy nitondra fahavoazana ho azy ireny mihitsy ve ireo tsangan-kevitra sy filozofia mety hanimba ny finoana marina (Kolosiana 2:8)? Moa ve ny fifampikasohana tamin’ireo mpianatra eo amin’izao tontolo izao nisy heriny tsara teo amin’izy ireny sa nanimba ny fahasalamany ara-panahy (I Korintiana 15:33)? Etsy andaniny koa, moa ve misy olona nahita fianarana be maro nahay nitana ny fanetren-tenany? — Filipiana 2:2, 3.
11. Raha manohy fianarana isika, ary na manao ahoana na manao ahoana karazan’izany, ahoana no azontsika amakafakana ny antony manosika antsika?
11 Na dia ireo izay manaraka fianarana fiofanana ho amin’ny asa aza indraindray dia manaiky ho voatana amin’ny asany ka tsy manana fotoana firy intsony hatokana ho amin’ny asan’i Jehovah. Noho izany, na manao ahoana na manao ahoana karazam-pianarana hofidinao raha ilaina izany, ny ho fiafarany dia hiankina indrindra amin’ny antony manosika anao. Moa ve ianao hetsehin’ny faniriana hahazo ny fahaleovantenanao sy hahazo vola? Moa ve ny fiofananao hitarika anao hampihena be dia be ny fanompoana masina ataonao ho an’i Jehovah, sa izany hanampy anao hamelon-tena mba hahafahana mandany hery kokoa amin’io asa io? Ianao izay, amin’ny maha-kristiana, dia tokony tsy hisy pentimpentina hatrany avy amin’izao tontolo izao, moa ve ianao tsy manandrana mitady toerana ao anatin’izao fandehan-javatra izao? Moa ve ny fanirianao lehibe indrindra tena ny hiasa ho an’ilay Fanjakana?
12. Inona no nanosika olona nahita fianarana aoka izany hanaraka ny fahamarinana momba ilay Fanjakana?
12 Faly isika mahafantatra fa nisy olona nahita fianarana tokoa nanaraka ny fahamarinana ny amin’ilay Fanjakana. Marina anefa fa ny nanaovany izany dia tsy noho ny fahabetsahan’ny fahalalana ara-tsaina. Tsapany kosa aza fa na dia tao aza ny fianarana ambony nataony, dia tsy nisy heviny mihitsy ny fiainany, satria tsy nanana an’Andriamanitra izy ireny ary tsy nanana fanantenana marim-pototra. Fantany ankehitriny fa ‘tsy firy ny olon-kendry sy mahery ary avo razana’ manana ny fankasitrahan’Andriamanitra (I Korintiana 1:26-31). Na dia izany aza, izy ireny kosa dia faly nahita, rehefa ela ny ela, tena antony tokony hahavelomana, tamin’ny fahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah.
Ny “raharahan’izao fiainana izao”
13. Araka ny II Timoty 2:3, 4, inona no fihetsika tokony harahin’ny kristiana eo anoloan’ny raharaha ara-barotra?
13 Koa satria isika maniry ‘hiaro tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’, inona no fihetsika tokony harahintsika eo anoloan’ny raharahany ara-barotra? Izao no nambaran’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty: “Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningon-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.” (II Timoty 2:3, 4). Manana adidy hiasa ny kristiana mba hahazoana izay ilain’ny tenany sy ny ankohonany amim-pahamarinana. Nefa moa ve ho ara-dalàna raha toa ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona kristiana ka fantatra kokoa amin’ny talentany amin’ny maha-mpanao raharaham-barotra noho ny amin’ny maha-mpianatr’i Kristy? Moa ve ny tokony horesahina ny aminy bebe kokoa alohan’ny zavatra rehetra tsy tokony ho ny amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana azy sy “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”?
14. Ahoana no azo ampiharana eo amin’ny raharaham-barotra ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny Hebreo 13:18?
14 Eo amin’ny lafiny ara-barotra, dia ilaina ny hitandreman-tena amin’ny lafiny maromaro. Voalohany indrindra, ny hoe ifampiraharahantsika amin’ny olona tia tena eo amin’izao tontolo izao dia tsy manome lalana antsika hanaraka ny fiteniny maloto na ny fanaony mamitaka na tsy marina tsotra izao mihitsy aza. Tokony ‘hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra’ kosa isika. (Hebreo 13:18.) Na dia tsy manao toy izany amintsika koa aza ireo mpanao raharaham-barotra mafy fo eo amin’izao tontolo izao, dia mahazo matoky isika fa hamaly soa antsika noho ny fanaovantsika ny marina Jehovah. Izany koa dia fomba “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika”. — Titosy 2:9, 10.
15. Torohevitra hafa inona no omen’ny Soratra masina antsika ny amin’ny raharaha ara-barotra?
15 Afa-tsy izany koa, raha tiantsika ny hitoetra ‘tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’, dia ilaintsika ny hanao soa “amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. (Galatiana 6:10.) Tsy hanao toy izany isika raha mampiasa amim-pitiavan-tena ny fifandraisantsika amin’ny mpanompon’Andriamanitra hafa mba hampanan-karena antsika. Miharihary fa manana adidy ny kristiana rehetra ‘hitondra tena toy ny hendry’. (Efesiana 5:15.) Tsy hoe satria ny olona toy izao na izao mitondra ny anarana hoe rahalahy, manolotra antsika “raharaha volamena” ka hoe tokony hanaiky mora foana ny hanankina aminy ny tahirim-bolantsika isika. Rariny ny ampitandreman’ny fandaminan’Andriamanitra antsika indraindray amin’ireo izay mihambo ho rahalahintsika ara-panahy sady mitady hanambaka ny ‘ondrin’i Jehovah’.
Tafasaraka amin’izao tontolo izao amin’ny zavatra rehetra
16. Amin’ny fomba ahoana no azontsika ampisehoana fa ‘tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao hatrany isika’?
16 Mazava ho azy fa tsy azontsika atao ny mampahatsiahy ny lafiny rehetra ampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ‘tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’ hatrany izy. Hita avy hatrany fa tsy amin’ny fanaranam-po loatra amin’ny fisotro, amin’ny filatsahana hanao fanatanjahan-tena misy ady na fifaninanana, amin’ny fandaniana ora maro hijerena sarimihetsika na fandaharana ao amin’ny televiziona mampisongadina jiolahy, mpamono olona na olon-dratsy hafa, amin’ny famakiana boky mampitodika ho amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny fanaovana lalao “video” mahery setra akory no hahavoaro antsika amin’ny pentimpentina avy amin’izao tontolo izao (I Korintiana 6:9, 10; 15:33; Galatiana 5:19-26; I Petera 4:3). Takin’i Jehovah amin’ireo vavolombelony ny handosiran’izy ireo ny fanaranam-po loatra, ny filalaovan-dratsy sy ny herisetra mampiavaka ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy tokony hitady izay hahazoana fahalalana na fanandramana ny amin’ny faharatsiana àry isika, fa hitoetra tsy hanan-tsiny, hijanona ho ‘zaza-bodo raha amin’ny lolompo’. — I Korintiana 14:20; jereo I Jaona 3:2, 3.
17. Raha miaro tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao isika, ahoana no hitondrantsika tena eo anoloan’ny mpiara-belona amintsika?
17 Mba tsy hahazoana loto avy amin’izao tontolo izao, dia ilaintsika ny mitandrina ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, anisan’izany ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika. Na dia hita hatraiza hatraiza ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny aza ny kileman-toetra toy ny fifandrafiana sy ny fireharehana ary ny lainga, dia tsy manana ny toerany eo amintsika izany. Nanoratra toy izao i Jakoba “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia. Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:13-16). Zava-dehibe tokoa ny hanehoana “fahalemem-panahin’ny fahendrena” sy ny ‘hiezahana hitady fihavanana amin’ny olona rehetra’! (Hebreo 12:14.) Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia azo antoka fa tsy havelantsika ny tsy fifanarahana tsy dia lehibe hanimba ny fifandraisana tanantsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ny finoana. ‘Hifandefitra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helotsika’ hatrany kosa isika. (Kolosiana 3:13.) Marina fa tsy fahita eo amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao izany fomba fanao izany, nefa izany ihany no ankasitrahan’Andriamanitra.
18. Inona moa no asa izay, mihoatra ny zavatra hafa rehetra, dia mampiharihary fa tsy naman’izao tontolo izao isika?
18 Rehefa miara-miaina amim-pihavanana amin’ireo tafaraka amintsika isika, na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona, dia efa mampiseho sahady fa tsy voaloton’izao tontolo izao isika. Nefa, rehefa miorina mafy isika, amin’ny maha-miaramila maherifon’i Jesosy Kristy, mitafy ny fiadiana ara-panahin’Andriamanitra rehetra, ‘mikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana’, dia vao mainka miharihary kokoa fa tsy an’izao tontolo izao isika (Efesiana 6:11-18). Olona maro be no mbola noana sy mangetaheta ta-handre ny hafatra mamelombelona ny amin’ilay Fanjakana. Mety àry ny hanilihana izay rehetra mety ho fitiavan-tena sy ny ampiasana ny fitambaran’ny fananantsika sy ny fahaizantsika ary ny herintsika amin’ny asa tsy manam-paharoa natao hanambarana ny “vaovao tsara” mandritra ny fotoana kely sisa tavela ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny. — Matio 24:14.
19. Inona no hataon’i Satana mandra-pahatapitry ny “andro farany”? Inona anefa no ho vitantsika noho ny fanampian’Andriamanitra?
19 Ao anatin’izao “andro farany” mandositra haingana izao, Satana, andriamanitr’izao tontolo izao dia mbola hamely ihany ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky. Hanandrana izaitsizy hampiala antsika amin’ny asa masin’Andriamanitsika izy amin’ny famelarana eo anoloantsika ny haren’izao tontolo izao, ny zava-manintona feno tabataba eo aminy, ny fahalalany lehibe sy zavatra maro hafa koa. Noho ny fanampian’Andriamanitra tsy tapaka mihitsy anefa, dia ho afaka ny ‘tsy hisy pentimpentina mihitsy avy amin’izao tontolo izao’ hatrany isika mba hidera ny Andriamanitsika masina, Jehovah.
Ho hainao ve ny hamaly?
◻ Araka ny Jakoba 1:27, inona moa no sasantsasany amin’ny fepetra tokony hofenoin’ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana marina?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azo iarovan-tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao?
◻ Raha mino mafy isika fa mandalo izao fiainana izao, inona no azo inoana fa ho vokatr’izany eo amin’ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ny fianarana ambony?
◻ Raha ny amin’ny raharaham-barotra, amin’ny lafiny inona avy no ilaina ny hitandreman-tena?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fitondrantenan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona aminy no mampiseho fa ‘tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao izy ireny’?
[Sary, pejy 25]
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitana fialanalanana kristiana amin’ny fomba hentitra eo anoloan’ny adin’izao tontolo izao ankehitriny.
[Sary, pejy 26]
Tsy ny fisondrotana ara-tsosialy akory no hitondra ho antsika ny fankasitrahan’Andriamanitra
[Sary, pejy 28]
Takin’i Jehovah ny hihatahan’ireo vavolombelony amin’ny fanaranam-po loatra sy ny filalaovan-dratsy ary ny herisetra mampiavaka an’izao tontolo izao ankehitriny.