Voavonjiny ny fanambadiany
“Nahavonjy ny tokantranoko ny fampiharana ireo torohevitra omena ao amin’ilay boky hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra.” Izany no nosoratan’ny mpamaky iray velom-pankasitrahana avy atsy Afrika Atsimo. Izao koa no teny nanampiny: “Ny toko fahadimy, mitondra ny lohateny hoe ‘Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po’, dia nampihiratra ny masoko. Tsy ho noeritreretiko mihitsy tao amin’ireo nofiko adala indrindra fa nety ho niteraka tsy nahy zava-manahirana be dia be toy izany aho. Misaotra betsaka. Volana vitsivitsy taorian’ny nandiavany ireo tafiodrivotra ratsy indrindra, dia tonga fialofana feno fahasambarana indray ny tokantranoko.”
Mety hanampy anao hitondra fahasambarana ho an’ny fianakavianao koa io boky io. Ataovy izay hananana iray aminy. Amin’izany dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra.