Hadino ny fankahalana ara-pirazanana
NITSANGANA teo akaikin’ny dobon-drano voatokana hanaovana batisa i Maria, niandry ny zanaky ny iraitampo taminy izay hatao batisa amin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Cicero (Etazonia). Tsitapitapitr’izay, dia nihiaka teo akaikiny ny olona iray: “Hono ho’aho, tsy efa nisy nahitako anao ve?” Nitodika izy mba hahita nanatrika, endrika iray izay, na dia hadinony aza, dia tsy hoe tsy fantany, ny an’ny vehivavy iray nantsoina hoe Agerthia.
Avy hatrany, dia hitan’i Maria indray ny tenany, tany amin’ny taona maromaro lasa, ela be talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny lalantsaran’ny “lycée”, nandraisan’izy sy Agerthia, mbola zatovovavy, anjara tamin’ny tabataba ara-pirazanana, tao amin’ny andaniny avy. Ny antokon’i Agerthia, mpianatra mainty hoditra, sy ny andiany niarahan’i Maria, zazavavy fotsy hoditra, dia nifanompa naharikoriko, talohan’ny nidirana tamin’ny ady nirehitra nisian’ny naratra tsy vitsy tao amin’ny andaniny roa. Tsaroan’i Maria mihitsy aza ny fomba nandefasan’i Agerthia ankizivavy iray tany amin’ny hopitaly! Noroahina tsy ho ao amin’ny sekoly tamin’izay ireo mpianatra tamin’ny andaniny roa, nefa raha vantany vao noraisina tao indray izy ireo dia velona indray ny tabataba.
Ankehitriny, telo ambin’ny folo taona eo ho eo atỳ aoriana, dia tafahaona teo amoron’ny dobon-drano iray natokana hanaovana batisa i Marie sy Agerthia: tamin’io indray mandeha io kosa anefa dia nanjavona izay rehetra nety ho lolompo teo amin’izy ireo. Tsy nosaratsarahin’ny fefy ara-pirazanana intsony izy ireo, ka nifanoroka tamim-piraiketam-po tamin’ny naha-mpirahavavy ara-panahy tafaray tao anatin’ny finoana marina. Noho ny fahalalana marina an’i Jehovah sy Jesosy Kristy, dia nanavao ny sainy izy ireo. — Romana 12:1, 2.
Tsy misy eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana. Mifankatia kosa ireo, ka manaraka izao tenin’i Jesosy izao: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35.
[Loharanon-kevitra]
Tsy hita ao amin’ny anglisy, fa hita ao amin’ny frantsay.