Ny fifehezan-tena: iankinan’ny aina ho an’ny kristiana
NOHO ny poa-basy, dia niantso ny polisy ny manodidina tao amin’io tanàna kely an’i Nouveau-Mexique (Etazonia) io. Rehefa tonga teo amin’ireo toerana ny polisy dia nahita ny lakozian’ny mpivady tanora nifantsitsiran’ny ra sy feno tsaramaso tanora. Ratra ivelany ihany no nahazo an’ilay vehivavy. Inona no nitranga? Ny mpanao an-keriny araka ny fanombanana, ilay namany, dia nanazava toy izao tamin’ny polisy: “Tsy hampaharary anareo ve ny fihinanana tsaramaso lena isan’andro?”
Moa tsy sarotra inoana ve izany? Angamba. Kanefa noho ny fahadisoana kely karazan’izany no namoizan’ny maro ny ainy. Manjary fahita ny fisehoan-javatra toy izany. Azo atao ny milaza fa avy amin’ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena indrindra no mahatonga izany toe-javatra izany. Tsy mahay mifehy ny fihetseham-pony ny olona ka manaiky ho resin’ny fipoahan’ny fahatezerana mafy izay nalahatry ny apostoly Paoly ho anisan’ny “asan’ny nofo”. — Galatiana 5:19-21.
Miha-tsy hita hatrany ny fifehezan-tena. Io tarehin-javatra io anefa dia lafiny iray amin’ny famantarana manamarina fa miaina amin’ny “andro mahory” isika, amin’ny “am-parany” ho an’izao fandehan-javatra tonta tapahin’i Satana izao. Raha nilazalaza ny amin’izany andro izany i Paoly dia nanambara fa ny lehilahy (sy ny vehivavy) dia “mpanontolo fo (...) tsy mahonom-po, lozabe”. (II Timoty 3:1, 3.) Tsy azo lavina fa isika izao dia miaina amin’ny “andro farany” izay tapahin’ny fanaovana an-keriny kokoa hatrany.
Amin’ny fahatsinjovana izany, inona no azon’ny kristiana atao? Namporisika an’ireo olona tamin’ny androny i Paoly mba hiady amin’ny “asan’ny nofo” amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, anisan’izany “ny fahononam-po” na fifehezan-tena. (Galatiana 5:19, 22, 23.) Inona moa no atao hoe fifehezan-tena? Nahoana i Paoly no namporisika ny hanehoana izany? Soa inona no entiny?
Ny fifehezan-tena dia lazalazaina ho “ny famefen’ny olona iray ny hery manosika azy, ny fihetseham-pony na ny faniriany”. Nasehon’i Paoly fa ny fahatanan-tena toy izany dia ho anton-javatra mahatonga ho afaka hahafantatra ny kristiana marina. Raha ny marina, ny fisehoan’io toetra io dia mampitombo ny fisian’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra hafa, toy ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po sy ny fahalemem-panahy. Ny fifehezan-tena dia manome ho an’ny kristiana fomba haharetana amin’ny asa atao ho an’Andriamanitra sy hahatoherana ireo fanerena ampiharin’i Satana sy izao tontolo izao mbamin’ny nofon’ny tenany tsy tanteraka. Izany no antony nanoratan’i Paoly toy izao ho an’ny Galatiana: “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo.” — Galatiana 5:16.
Ilaina indrindra izany amin’izao androntsika izao. Mihavery tokoa ny fifehezan-tena amin’izao androntsika izao. Ohatra, amin’ny tany maro dia tsapan’ny polisy fa mihamaro foana ny mpamily fiarakodia mandika ny lalàna momba ny fifamoivoizana. Ny tsy fanarahana karazan’izany dia matetika no miteraka fifandirana mahery vaika izay miafara amin’ny fifamelezana. Hevero kely ange: ny arabe iray any Houston (Etazonia) dia malaza aoka izany noho ny fifampitolomana atao ao, hany ka tao amin’ny faritra sasany izy io dia nomena anaram-bositra hoe ny “araben’ny Fifandirana”. Aoka hotononintsika koa izay nitranga indraindray rehefa nisy mpamily fiarakodia nilahatra teo amin’ny fakana lasantsy. Koa satria nisy tia tena vitsivitsy nitady hitsofoka tany amin’ireo laharam-piandrasana mba hahazoana alohan’ny hafa, ny sasany dia nanampatra ny haromotany na tonga hatramin’ny famonoana olona mihitsy aza. Ary izany rehetra izany dia noho ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena.
Ao anatin’ny karazan-tarehin-javatra toy izany, ny kristiana dia hiezaka mba tsy ho resin’ny fitaoman’ireo izay mamoaka ny fahasosorany amin’ny mpiara-belona aminy. Tokony ho voamarika foana ny fifehezan-tenany sy ny fahalemem-panahiny.
Ny soa entin’ny fifehezan-tena
Ny fifehezan-tena dia mitondra soa maro, izay miharihary ihany ny sasany. Ohatra, ny Tenin’Andriamanitra dia manameloka ny fihinanana tafahoatra sy ny fimamoana (Ohabolana 23:20, 21). Nanome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Koa (...) na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (I Korintiana 10:31). Manampy antsika hahalala onony ny fifehezan-tena, ary tsapa mazava izany eo amin’ny lafin’ny fahasalamana. Kanefa tsy vitan’ny hoe manimba ny fahasalamana fotsiny ny fimamoana sy ny hatendan-kanina. Noho ireo kileman-toetra ireo, dia mety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona ny kristiana iray. Noho izany antony izany dia ho sarobidy ny fifehezan-tena eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana mba hanakekezan’ny kristiana hatrany an’i Jehovah.
Afa-tsy izany koa, ny fifehezan-tena dia manampy antsika hahatohitra ny fitiavana fileferana loatra eo amin’izao tontolo izao (I Korintiana 2:12). Amin’izao andro izao ny fijangajangana, ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny fanitsakitsaham-bady sy ny fanovana ho ratsy ny amin’ny lahy sy ny vavy isan-karazany dia heverin’ny maro ho azo ekena sy ara-dalàna. Na dia ao aza izany, ny kristiana, lehilahy sy vehivavy, dia tsy maniry hanaraka fiheverana toy izany ary miady mba hijanonana ho madio eo imason’Andriamanitra. Fantany fa “na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpanitsakitsa-bady, na ny lehilahy ampiasaina mba hanomezana fahafahampo ny fahamaimaizana tsy araka ny natiora, na ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy (...) dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (I Korintiana 6:9, 10, MN.) Ny fifehezan-tena dia mahatonga azy ireo tsy hanaiky ho voaloton’ny fiheveran-dratsy izay hirona ho amin’ny fanaovana izay hinoan’izy ireo fa azo ekena ny fanao toy izany.
Ankehitriny ny hevi-dratsy dia miely amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fomba rehetra, nefa amin’ny alalan’ny fialam-boly indrindra, na ny televiziona izany, na ny sarimihetsika, na ny mozika, ny teatira, ny tantara foronina na ny hafa. Tokony haneho fifehezan-tena ny kristiana raha ny amin’ny fotoana atokany amin’ny fialan-tsasatra. Tsy ilaina tokoa ny fialam-boly raha tsy mba hialan-tsasatra; any ivelan’io fetra io, izany dia mampiseho fahalemena ary fandaniam-potoana. Tokony haneho fifehezan-tena koa ny kristiana raha ny amin’ny karazana fialam-boly ataony noho ny fahatsapana fa ireo fialam-boly be mpitia indrindra amin’izao fotoana izao dia manandratra ny fitondrantena maloto, ny fitiavana herisetra na ny fanintonan’ny spiritisma. Tsy mety amin’ny kristiana ireny zavatra ireny. — Efesiana 2:1-3.
Fandrosoana noho ny fifehezan-tena
Mihoatra noho ny fiarovana ny fifehezan-tena. Izany dia manampy koa ny kristiana handroso ara-panahy sy hanatsara ny toetry ny fanompoan’ny tena. Izany no nosoritan’ny apostoly Petera rehefa nanoratra izy hoe: “Ampio fahatsaran-toetra ny finoanareo, ampio fahalalana ny fahatsaran-toetranareo, ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo.” Avy eo dia nambarany fa izany toetra izany, ampiarahina amin’ny fiaretana, ny fitiavam-pivavahana, ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy sy ny fitiavana, “dia hisakana anao tsy halaina na tsy hahavokatra raha ny amin’ny fahalalana marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika”. (II Petera 1:5-8, MN.) Ahoana no mety hanampian’ny fifehezan-tena antsika handroso amin’ny fanompoantsika?
Mandrakariva ny kristiana dia mandany fotoana faran’izay betsaka isam-bolana mba hiresahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy (Matio 24:14: 28:19, 20). Ny sasany anefa dia mety handray anjara amin’io asa io amin’ny fomba tapatapaka fotsiny, ary izany dia satria izy manaiky ho voatanan’ny asa hafa na satria kivy izy noho ny tsy fahitana afa-tsy fahalianana kely. Mety hanana fahalalana tsara dia tsara ny Tenin’Andriamanitra ny kristiana toy izany. Tsy mandroso anefa izy ireny fa mihemotra ary angamba latsaka ao anatin’ny ‘tsy fahavokarana’ tanteraka. Ahoana no hahitany fanafodin’izany? Inona no tokony hataon’izy ireo?
‘Ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo’, hoy ny torohevitr’i Petera. Ohatra, izay maneho fifehezan-tena dia mitandrina ny fotoana atokany ho amin’ny fialam-boly, ny fivorian’ny mpisakaiza, na ny asa tsy ara-pivavahana koa aza. Na mety ho voatosika hiorina mafy tsy tapaka koa izy mba haharitra na dia ao aza ny tsy firaikana hitany. Ny fianarana manokana sy tsy tapaka ny Baiboly mbamin’ny famonjena ireo fivoriana kristiana dia hanampy amin’izany.
Etsy andaniny koa, dia ho hitan’ny kristiana fa sarobidy ny fifehezan-tena mba hanatsarana ny fifandraisan’ny tena amin’ny hafa. Raha mamboly an’io toetra io izy, dia hahazo vokatra tsara amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ao anatin’ny kongregasiona, ka hanjaka ao ny fifaliana sy ny fihavanana (Efesiana 4:3). Amin’ny fampiasana fifehezan-tena, ny tsirairay avy dia hiezaka mba tsy hanao izay hahatafintohina ireo namany. — Filipiana 1:9, 10.
Mihatra indrindra amin’ny fifehezana ny lela ny fifehezan-tena. Tena ilaina izany mba hanalavirana ny fanaovana izay hahatafintohina ny hafa. Tsy mora anefa izany. Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Raha misy olona tsy tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka.” (Jakoba 3:2). Tamin’ireo teny ireo no namporisihan’i Jakoba ny kristiana rehetra hiezaka mba hifehy ny lelany, ka hampiasa azy mba hitondra fitahiana ho an’ny namany (Jakoba 3:5-12). Izany no antony nanampiany teny hoe: “Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.” — Jakoba 3:18.
Ny fifehezan-tena eo amin’ny fanompoana
Ao anatin’ny asa fitoriany, ny kristiana iray dia mety ho voatarika hihaona amin’ny olona iray misafoaka. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia tokony haneho fifehezan-tena mafy izy amin’ny fananana fahatoniana hatrany sy amin’ny tsy famaliana, na amin’ny teny na amin’ny fihetsehana. Namela ohatra miavaka ny vehivavy kristiana iray ny amin’izany. Indray asabotsy maraina, ny varavaran’ny trano fahatelo hotsidihiny dia nivoha, nitranga ny vehivavy iray ary nitifitra azy. Na dia tao aza izany, dia tsy nanary ny fahatoniany ilay anabavintsika. “Nitifitra ahy ianao”, hoy izy. “Eny, nitifitra anao aho”, hoy ny famalian’ilay vehivavy tompon-trano, izay tsy nisalasala mbola nanohy ihany. Nitantara toy izao ilay anabavy: “Efa nahagorobaka ny kapaotiko ny bala roa, nandoaka ny kitapoko ny anankiroa hafa ary nahavoa ny tongotro ny anankiray hafa. Nikodiadia teo anelanelan’ireo tongotro ny bala iray. Tamin’ny fotoana nialako tamim-pahasahiranana teo amin’ilay lavarangana, dia tsaroako ho nanaikitra ny ranjoko ny vanja.”
Nitana fahatoniana tsy fahita firy io vehivavy kristiana io tao anatin’ny tarehin-javatra nampivarahontsana toy izany. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy ho tonga eo amin’ny varavarana manaraka nefa tsy ho torana eny an-dalana. Vitany izany tamin’ny fampiasana ny tanany mba hiakarana tamin’ny tohatra. Rehefa tonga mba hamoha varavarana azy ilay vehivavy tao amin’ny trano ka nahatsapa fa naratra izy, dia nampiditra azy tamim-pahalemem-panahy. Niaraka tamin’ny zanany vavimatoa izay mpanampy ny mpitsabo, dia nanao ny fikarakarana azy voalohany izy raha mbola niantso ny polisy sy ny fiarakodia mpitondra marary ny anankiray tamin’ireo zanany hafa. Ny fahatonian’io vehivavy kristiana io dia nanaitra voalohany indrindra ny sain’ny polisy, avy eo dia ireo mpitondra fiarakodian’ny marary, ny vahoaka nitangorona, ary farany, dia ireo mpiasa tao amin’ny hopitaly.
Marina fa tsy misy mitifitra an’ireo mpitory kristiana isan’andro foana akory. Matetika anefa izy ireny no mifampiraharaha amin’olona sosotra na misafoaka. Tokony hotsaroany amin’izany fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1.) Ny Vavolombelona dia maka ho ohatra an’i Jesosy izay nolazain’i Petera hoe: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina.” (I Petera 2:23). Tsy azo lavina fa anoroana hevitra ny hananan’ny mpitory kristiana fifehezan-tena.
Ny fomba hambolena fifehezan-tena
Koa satria vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fifehezan-tena, dia tena ilaintsika io fanahy io mba hambolena toetra toy izany. Izao tokoa no nosoratan’i Paoly: “Mandehana [hatrany, MN ] araka ny Fanahy.” (Galatiana 5:16, 22, 23). Ny kristiana rehetra dia tokony ho mpianatra mazoto ny Tenin’Andriamanitra izay asan’ny fanahy masina koa. Izay mianatra tsy tapaka an’io Teny io ka mampihatra eo amin’ny fiainany izay ianarany dia hahita hery hamolahana ny eritreriny, mba ‘hamaboana ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy’. (II Korintiana 10:5; Romana 12:2.) Eny, iankinan’ny aina ny hianaran’ny kristiana hisaina sahala amin’ny fisainan’i Jesosy ary sahala amin’ny fisainan’i Jehovah Andriamanitra.
Etsy andaniny koa, ny fo, ny antony manosika antsika hanao zavatra, dia tokony hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra foana koa. Ny hoe maneho fifehezan-tena tokoa dia milaza fifehezana na fanindriana ny fihetseham-po sy ny fanirian’ny tena. Teraka ao am-po anefa izany (Matio 15:19). Noho izany, dia aza hadinoina izao torohevitra tsara dia tsara izao: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Avelao ny fanahin’Andriamanitra hanohina ny fonao rehefa mandinika ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ianao. Araka izay azo atao, dia manandrama mitadidy ireo torohevitra ao amin’ny Soratra masina izay mety hahasoa anao rehefa handia tarehin-javatra sarotra ianao.
Ny fifaneraserana tsara amin’ireo rahalahinao kristiana dia hanampy anao koa hampitombo fifehezan-tena (Hebreo 10:23-25). Ireo fivorian’ny kongregasiona kristiana isan-karazany dia natao hanampiana ny kristiana rehetra hitombo amin’ny fahalalany ny Baiboly sy ny fahaizany mamoa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, dia ho tianao ny hifidy ho namana, ireo izay ohatra amin’ny fifehezan-tena. Amin’izany fomba izany, dia ho voatosika hamboly an’io toetra io koa ianao. — Ohabolana 13:20; 27:17.
Ny tsy tokony hatao tsirambina na oviana na oviana, dia ny fifandraisana tsy tapaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Tsy tokony hitsahatra ny hangataka amin’Andriamanitra ianao mba hanampiany anao hamboly fifehezan-tena. Tadiavo ny fanampian’ny fanahiny. Raha tsikaritrao fa tsy ampy fifehezan-tena ianao tao anatin’ny toe-javatra iray, dia mangataha famelana amin’i Jehovah amim-panetren-tena sy fahatsorana. Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.” Namporisika ny kristiana i Paoly mba ‘haharitra amin’ny vavaka’. Araka izany àry, dia mitodiha any amin’i Jehovah “ka aza mitsahatra”, amin’ny fitalahoana aminy mba hanohana ireo fiezahana ataonao mba hambolena fifehezan-tena eo amin’ny fiainanao. — Matio 6:13; Romana 12:12; I Tesaloniana 5:17.
Ny fifehezan-tena: toetra kristiana tsara dia tsara tokoa! Amboleo hatrany izy io. Izay manao toy izany dia mahazo fanajana bebe kokoa ny tenany. Manana fiadanana sy fahasambarana mitombo izy eo amin’ny fifandraisany amin’ny mpianakaviny sy ireo mpikambana ao amin’ny kongregasionany, ary koa amin’ireo izay ifaneraserany isan’andro. Farany, ary indrindra, noho ny fifehezan-tena, dia mitana fifandraisana tsara amin’ny Mpamorona izy ary fantatra ho mpanompo kristian’ny Andriamaniny, dia Jehovah.
[Efajoro, pejy 25]
Ho amin’ny fianaranao
Io lahatsoratra io dia ny fahasivy amin’ny fitohitohizana izay nandinihana tsirairay ny “vokatry ny Fanahy” rehetra. Ho hitanao ny lahatsoratra hafa iray karazana amin’io ao amin’ireto nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ireto: 15 septambra (lahatsoratra roa), 1 oktobra, 1 novambra, 15 desambra 1985, 1 janoary, 15 janoary sy 15 febroary 1986. Azo antoka fa hahita fahafinaretana be dia be ianao amin’ny famerana ho zava-kendrena ny fandalinana izany fampianarana araka ny Baiboly sarobidy izany ao anatin’ny faritry ny fianaranao manokana.