FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/4 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Etỳ An-tany, Tahaka ny any An-danitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Tena ‘Handova ny Tany ve ny Mpandefitra’?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/4 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Koa satria adika toy izao indraindray ny Salamo 37:29: “Ny marina hanana ny tany (pays) ka honina eo mandrakizay”, moa ve izany milaza fotsiny fa honina maharitra ao amin’ny Tany nampanantenaina ny Isiraely?

Tsia, ny filazana hevi-teny toy izany dia hametra tsy misy antony marim-pototra ny hevitry ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny Salamo faha-37 tokoa dia mampanantena ho an’ny marina, fiainana mandrakizay eto an-tany.

Ny teny ao amin’ny Salamo 37:29 voatonona eo ambony dia nalaina avy ao amin’ny Baibolin’i Osty. Sahala amin’ny hafa, io fandikan-teny io dia mandika ny teny hebreo hoe ʼèrèts amin’ny hoe “tany (pays)”. Io teny io tokoa dia mety hanondro faritra sasany na faritany ao amin’ny firenena iray, ohatra, ny “tany (pays) Sinara” na “tany (pays) Egypta”. — Genesisy 10:10, 11; 21:21; Salamo 78:12; Jeremia 25:20.

Araka izany àry, ny Salamo 37:11, 29 dia mety hampiseho fa ny Isiraelita dia nety na tokony ho mponina maharitra tao amin’ny Tany nampanantenaina. Mifanaraka amin’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nety ho afaka nonina tao amin’io faritany nomena azy ireo io izy, ary izany dia hatramin’ny taranaka fara mandimby, ka handray soa avy amin’izany. Kanefa tsy toy izany ny fitrangan-javatra, satria tsy nijanona ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra ny Isiraelita. — Genesisy 15:18-21; 17:8; Deoteronomia 7:12-16, 22; 28:7-14; 31:7; Josoa 21:43-45.

Tsy misy mihitsy anefa antony araka ny Baiboly tokony hamerana ny hevitry ny teny hoe ʼèrèts araka ny ampiasana azy ao amin’ny Salamo 37:11, 29, ho amin’ilay tany (pays) nomena ny Isiraelita.

Araka ny diksionera nohafohezina iray (A Hebrew and English Lexicon of the Old Testament nataon’i Gesenius, Brown, Driver sy Briggs; 1951), ny dikan’ny teny hoe ʼèrèts dia: 1.a. tany (terre), ny tany manontolo ([mifanohitra] amin’ny tapany iray) (...). b. tany (terre) ([mifanohitra] amin’ny lanitra) (...). d. tany (terre) = ny mponina eo amin’ny tany (...). 2. tany (pays) = a. tany, faritany (...). b. distrika, faritra (...). 3. a. tany (sol), velaran’ny tany (sol) (...) b. tany (sol), tany mahavokatra.” Ao amin’ny Famakafakana ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha (anglisy) nataony, dia izao no lazain’i William Wilson ny amin’ny hoe ʼèrèts: “Ny tany (terre) amin’ny heviny malalaka indrindra, na ny faritra azo onenana na ny tsy azo onenana aminy; rehefa ampiarahina amin’ny teny mametra ny heviny izy io dia ampiasaina mba hanondroana faritra sasany amin’ny tany (terre), tany (pays) iray.” Noho izany, amin’ny heviny voalohany na fotopotony, io teny hebreo io dia manondro ny planetantsika, ny gilaobintsika, ny tany (terre).

Homarihintsika amim-pahalianana fa ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante ny teny hebreo ʼèrèts ao amin’ny Salamo 37:11, 29 dia nadika tamin’ny teny grika hoe gê, izay manondro “ny tany (terre), izany hoe ny tany (terre) na ny tany (sol) azo volena”. Io teny io no nampiasain’i Jesosy fony izy nanonona an’io teny ara-paminaniana lehibe tokoa io voasoratra ao amin’ny Matio 5:5, manao hoe: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (terre).”

Tsy isalasalana mihitsy fa rehefa nanonona ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Salamo 37:11 i Jesosy dia tsy ny Tany nampanantenaina ihany no tiany holazaina. Ireo mpianany voahosotra dia ho tonga mpanjaka sady mpisorona any an-danitra mba hiara-mampihatra aminy ny fanapahana amin’ny tany manontolo (Apokalypsy 5:10). Toy izany koa, ireo malemy fanahy izay handova ny fiainana mandrakizay amin’ny maha-olombelona dia handray anjara amin’ny fampiverenana toe-piainana paradisa manerana ny tany (Apokalypsy 21:4; Genesisy 1:28). Azontsika rehetra atao àry ny manantena ny hahatanterahan’ity fampanantenana kanto ity: “Ny marina hanana ny tany (terre) ka honina eo mandrakizay, mandrakizay!” — Salamo 37:29, Dhorme.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara