Tena lehibe tokoa Jehovah!
MANERINERINA, be voninahitra, manan-kaja, malaza, mahatalanjona. Izany no sasantsasany amin’ireo teny mitovy heviny amin’ny hoe “lehibe” voamarika ao amin’ny diksionera iray. Raha ny marina, izy rehetra dia azo ampiasaina mba hilazana ilay “Mpamorona lehibe”, dia fitenenana ampiasaina ao amin’ny Mpitoriteny 12:1 (MN ) mba hiresahana ny amin’Andriamanitra.
‘Nefa hilaza angamba ianao hoe tsy hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliko ny hoe “lehibe” ’. Marina àry ve ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao?
Tsy fanampiana teny velively ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany, araka ny melohin’ny Baiboly mazava (Deoteronomia 4:2; 13:1; Ohabolana 30:6; Apokalypsy 22:18), fa fiezahana kosa hampita amin’ny teny malagasy amin’ny andro ankehitriny ny hevitra marina sy fenon’ny teny hebreo tany am-boalohany. Tsy ampy, na dia marina amin’ny fotopotony aza, ny handikana an’io teny io amin’ny hoe “Mpamorona” fotsiny. Manazava toy izao ny fanontana misy fanamarihana natao tamin’ny 1984 amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (amin’ny teny anglisy): “‘Ny Mpamorona lehibe anao.’ Heb[reo] Bôre’èkha. Milaza maro ny matoantenin’ny iharana heb[reo] avy amin’ny hoe ‘mamorona’ mba hilazana ny fahalehibeazana na ny fahatsarana.”
Indraindray ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia nampiasa milaza maro ny endrika matoanteny sasany na ny anarana sasany mba hiresahana ny amin’Andriamanitra. Tsy milaza anefa akory izany fa nino Andriamanitra iray misy lafiny maro na persona telo izy. Mifanohitra lavitra amin’izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray”, ary dia nampiany hoe: “Iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy.” (I Korintiana 8:6). Matoa nampiasa ny milaza maro ireny mpanoratra ireny, dia mba hanasoritana fotsiny ny toerana tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah. Manerinerina izy, be voninahitra, manan-kaja, malaza, mahatalanjona, ary mihoatra koa aza. Tena lehibe tokoa izy!
Andriamanitra, Mpamorona sady Mpampianatra tsara indrindra
“Fa iza any an-danitra no mitovy amin’i Jehovah? hoy ny fanontanian’ny mpanao salamo. Ary iza amin’ny zanak’ireo andriamanitra no manahaka an’i Jehovah”? (Salamo 89:6). Na dia ilay Zanaka lahimatoa izay niara-niasa tamin’ny famoronana tamin’ny naha-“mpità-marika” [mpiasa kinga, MN ] ho azy aza, dia tsy azo ampitahaina amin’i Jehovah amin’io lafiny io. Niaiky ny amin’izany tokoa ny tenany fony izy Jesosy Kristy olona teto an-tany. Hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Na dia “mpiasa kinga” ho an’ny Rainy aza izy, dia tsy naka mihitsy ny anaram-boninahitra hoe Mpamorona. Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy tamin’ny fanekena azy ho ny hany Mpamorona tokana. — Jereo Genesisy 1:26, 27; Ohabolana 8:30; Matio 19:4a.
Tsy mahery, andriamanitra, fotsiny Jehovah, toy ny fisian’ny maro amin’izany; izy no Andriamanitra Tsitoha, tsy manam-paharoa (Salamo 82:6; Apokalypsy 11:17). Noho ny toerany tsy manam-paharoa, dia mety tanteraka ny hiresahana ny aminy ho toy ny “Andriamanitra lehibe”. Toy izany no niantsoan’i Daniela mpaminany azy rehefa nangatahina izy mba hilaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara mpanjaka iray. Izao no nolazainy: “Ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.” Hoy ny navalin’ny mpanjaka azy tamin’izay: “Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary Mpampiseho zava-miafina.” — Daniela 2:45, 47.
Ny Andriamanitra lehibe iray manana fahafahana hanambara ny ho avy sy hampiharihary ny zava-miafina dia miharihary tokoa fa mahay mitari-dalana tsara ny vahoakany sy mampianatra azy ny amin’ny fomba hanalavirana ny loza. Izy io dia Mpampianatra tsy manan-tsahala, ilay “Mpampianatra lehibe”, araka ny iantsoana azy ao amin’ny Isaia 30:20, 21. Marina voalohany indrindra izany satria ny fampianarany mirakitra ny fahendrena tampony. Ohatra, nomeny ny fampitandremana izay nampihiratra ny mason’ireo mpanompony hahita ny loza ateraky ny paraky na sigara, ny zavatra mahadomelina, ny fampidiran-dra sy ny fahalotoam-pitondrantena, ela be talohan’ny naneken’ny mpahay siansa sy ny mpitsabo tokoa fa mampidi-doza ireo fanao ireob.
Faharoa manaraka izany, ny fomba fampianany mihitsy dia tsy manam-paharoa. Manorina foana izany, voamariky ny fitiavana sy ny faharetana, ary manome taratry ny fahatakarana tanteraka izay ilaina sy mety ho vitan’ny tsirairay avy. Faran’izay mandaitra izany. Tsy hahagaga àry raha nametraka izao fanontaniana izao ny mpanompon’Andriamanitra iray tamin’ny lasa, mba hanaovana fampitahana: “Indro, Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany; iza no mba mpampianatra tahaka Azy?” — Joba 36:22.
Mpanjaka, Mpanao sy Tompo
Jerosalema, foiben’ny teokrasian’i Jehovah tandindona, dia nantsoina hoe “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”. (Salamo 48:1, 2.) Ny Salamo 135:21 dia mampahafantatra fa io “Mpanjaka lehibe” io dia “Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema”. (Jereo koa Salamo 47:8; Matio 5:35.) Mazava ho azy fa noho izy Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao izay any an-danitra ny seza fiandrianany, dia tsy nitoetra tao Jerosalema ara-bakiteny mihitsy akory ilay Mpanjaka lehibe. Nonina tao kosa ireo mpanjaka olombelona izay nanjaka tamin’ny naha-solontenany. — Salamo 10:16; 29:10; Jeremia 10:10; Daniela 4:31.
Nanomboka tamin’ny 1914 anefa Jehovah dia mampihatra ny fanapahany indray amin’ny alalan’ny Mpanjaka iray solontenany. Tamin’io kosa dia ny Zanany, Jesosy Kristy, izay nomena toerana ao “Jerosalema any an-danitra”. (Hebreo 12:22; Apokalypsy 11:15; 12:10.) Ny Fanjakany mesianika dia hanorina amin’ny fomba maharitra ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah ary hanaisotra tsy ho eo amin’izao rehetra izao izay rehetra nanohitra ny fanapahan’ilay Mpanjaka lehibe.
Araka ny Joba 35:10 (MN ), Salamo 149:2 (MN ) sy Isaia 54:5 (MN ), Jehovah dia “Mpanao lehibe” koa na “Mpanao mahatalanjona”. Ny anankiroa farany amin’ireo andinin-teny ireo dia mampiseho an’i Jehovah manao ny Isiraely ho firenena miasa ho an’ny tombontsoany. Araka izany, Jehovah dia tsy vitan’ny hoe manana fahefana hamorona, fa hainy koa ny manao izay hahatonga ny zavatra noforoniny ho araka ny iriny, mba hahatanterahan’ny fikasany. Izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny hevitry ny anarany mihitsy, dia ny hoe “Mampahatonga izy”.
Mendrika ny fitokisantsika àry io Mpanjaka lehibe sy Mpanao lehibe io. Ambonin’izany, dia mendrika ny fitiavantsika, ny fifikirantsika ary, ambonin’ny zavatra rehetra, ny fankalazantsika, izy. Zony ny hantsoina hoe ‘Tompontsika mahatalanjona’. (Hosea 12:14, MN.) Tsy tokony hanahaka ny firenen’Isiraely nivadika, tandindon’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao androntsika izao, isika. Ny amin’ireny mpivadi-pinoana ireny, dia izao no nosoratan’i Malakia: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako”! (Malakia 1:6). Tokony hanome voninahitra ny Tompontsika mahatalanjona amin-tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana isika ary tsy hanamavo ny anarany amin’ny fitadiavana hanafina izany — araka ny nataon’ny mpandika teny maro be amin’ny andro ankehitriny — na amin’ny fanesorana izany tsy ho ao amin’ny Baiboly mihitsy aza toy ny hoe mahamenatra ny manonona izany. Mifanohitra lavitra amin’izany, dia ho reharehantsika ny hitondra ny anarany mba hahafantarana antsika ho vavolombelony.
Aoka isika hanaiky amin’ny fomba feno ny fahalehibeazan’i Jehovah
Andriamanitra dia mampiseho mihitsy ny fitiavana sy ny toetra tsara hafa rehetra (I Jaona 4:8). Tsy mahagaga àry raha toa Isaia ka manondro “ilay Andriamanitra marina, Jehovah Mpamorona ny lanitra” amin’ny fitenenana tsotra dia tsotra hoe “ilay Lehibe”. Mampiseho ny fahalehibeazana tokoa Jehovah. — Isaia 42:5, MN.
Raha miaiky amin’ny fomba feno isika fa izy no Mpanjaka lehibe izay mampihatra ny fanapahany nanomboka tamin’ny 1914 amin’ny heviny manokana, dia hitana fialanalanana tanteraka amin’ireo raharaha ara-politika isika. Hohalavirintsika ny fombàna ny atsy na ny aroa, na dia tsy amin’ny atao aza. Hanaraka fihetsika tsy misalasala kosa isika ho fanohanana ny fanapahan’Andriamanitra, ary izany dia amin’ny ‘fikatsahana ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’ sy amin’ny fitoriana amim-paharisihana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” amin’ny mpiara-belona amintsika. — Matio 6:33; 24:14, MN.
Raha miaiky amin’ny fomba feno isika fa “Tompo mahatalanjona” izy, dia hofadintsika izay rehetra mety ho teny na fanaovan-javatra hifanohitra amin’ny atorony. Ho mailaka ny hankatò azy isika. Noho izy mitana toerana tsy manam-paharoa ho Andriamanitra lehibe, Mpamorona lehibe sy Mpanao lehibe dia hanaiky isika fa zony ny hifikirantsika aminy irery ihany. Tsy himonjomonjo isika amin’ny fanaovana izay takiny amintsika, na dia toa be fameperana loatra aza ny fiheverantsika ny sasany amin’ny zavatra takiny. Hekentsika avy hatrany ireo fandaharana nataony mba hitanana ny fiadanana sy ny filaminana eo anivon’ny kongregasiona sy ao anatin’ny fianakaviana. — Jereo Hebreo 13:17; Efesiana 6:1-3.
Raha manaiky azy amin’ny fomba feno ho Mpampianatra lehibe antsika isika, dia tsy hanohitra na hanakiana ireo fomba fampianarana ampiasain’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” amin’izao androntsika izao. Mifanohitra lavitra amin’izany, fa hotohanantsika ireo fandaharam-pifehezana mety hilaina indraindray mba hampianarana antsika, ary hiezaka isika amin’izany mba handray soa faran’izay betsaka amin’ireo boky fampianarana tsara dia tsara omen’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso antsika amin’izao andro izao. — Matio 24:45-47.
Ho famintinana, raha ekentsika amin’ny fomba feno fa Jehovah no ilay Lehibe, dia ho mailaka isika hanararaotra ny fahafahana rehetra hanompo azy. Tsinontsinona ny fahefana, ny laza sy ny harena ananan’ireo mpanao politika, ireo mpanan-talenta amin’ny fampisehoana na ireo mpanao raharaha momba ny vola raha oharina amin’ny tombontsoa manompo ilay Lehibe.
Olona be dia be angamba no ho vonona hanaiky fa Jehovah no Mpamorona azy sy Mpanao azy, kanefa rehefa hoe hanaiky azy ho Andriamaniny, Mpampianatra azy, Mpanjakany sy Tompony, dia tsy manaiky izy ireo. Aoka isika tsy hanao fahadisoana toy izany na oviana na oviana. Aoka tsy hohadinointsika izao: na amin’ny maha-Mpamorona, Mpanao, na amin’ny maha-Andriamanitra, Mpampianatra, Mpanjaka na Tompo, Jehovah dia manerinerina, be voninahitra, manan-kaja, malaza sy mahatalanjona, izany rehetra izany ary mihoatra koa aza. Eny, tena lehibe tokoa izy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Tsy hoe tsy nisy antony akory, raha niresaka ny amin’i Jehovah sy ny ‘mpiasany kinga’ izy, ny nilazan’ny Genesisy 1:26 (MN ) hoe “andeha isika hanao olona”, fa ny andininy manaraka kosa mampiasa ny matoanteny hoe “mamorona” rehefa misy firesahana ny amin’i Jehovah irery. Izao no ambaran’ny diksionera iray (“A Dictionary of the Hebrew Old Testament in English and German” nataon’i Koehler sy Baumgartner) ny amin’ny teny hebreo hoe “mamorona”: “Ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] [io teny io] dia teny ara-teolojia mahakasika an’i Jehovah irery ihany.”
b Am-polony taona maromaro lasa izay, ireo loza ireo dia niharihary tamin’ny alalan’ny Soratra masina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 jolay 1942, pejy faha-105 ka hatramin’ny faha-207; tamin’ny 1 jolay 1945, pejy faha-198 ka hatramin’ny 201; tamin’ny 1 desambra 1949, pejy faha-367) ary tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 febroary 1951, pejy faha-6, 7.