Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ny fampidiran-dra — voaro amin’ny SIDA ve?
“Tsy heveriko fa tokony hojerena ny fanahiana ny amin’ny SIDA rehefa hoe hanao fanapahan-kevitra momba ny fandidiana iray na ny antony hafa rehetra hitarika handray ra”, hoy ny fanantitranteran’ny mpitondra teny iray ao amin’ny Foibe amerikana momba ny fikarohana aretina natsangana any Atlanta. Mety tsy hiray hevitra amin’izany fanambarana izany anefa ny marary iray; olona nodidiana 60 taona no voan’ny “virus” amin’ny SIDA rehefa avy nandray ra efa nanaovana fikarohana.
Tantarain’ny New York Times fa io marary io dia naharay ra avy amin’ny mpanome iray nanalana izany “fotoana fohy dia fohy taorian’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, hany ka tsy mbola namoaka akory ny ‘anticorps’ manova ireo fitsapan-dra amin’ny SIDA”. Tokony ho telo volana taty aoriana anefa, io olona io dia nanome indray ny rany izay, tamin’io indray mandeha io, “dia nampiseho famantarana fisian’ny ‘anticorps’ amin’ny SIDA ka nolavina”, hoy ny fitantaran’ny Times.
Noho ny fampiharana ny fitsapan-dra vaovao famantarana ny SIDA, ireo manam-pahaizana ara-pitsaboana dia natoky fa afaka nanadio ireo tahirin-dran’ilay firenena tamin’ny ra voaloto. Tsy azo atao anefa ny mamantatra ra voaloto izay tsy mbola namoaka “anticorps” mety hanome vokany marina amin’ny fitsapana; asehon’io tsy fahombiazana io fa ireo olona manaiky fampidiran-dra dia tena tandindomin-doza. Tamin’ireo voan’ny SIDA 21 000 voamarika tany Etazonia hatramin’ny 1977, dia efa ho 2 isan-jato no lazaina fa avy amin’ny fampidiran-dra voaloto.
Ireo izay mitandrina ny lalàn’Andriamanitra dia voaro amin’ny mety ho fahazoana aretina avy amin’ny fampidiran-dra. Fa nahoana? Satria izy ireny ‘mifady (...) ny ra sy ny zavatra kendaina’, izay tsy mbola afa-dra. Raha mifady ny ra noho ny antony ara-pivavahana ireny olona ireny, dia mandray soa maro avy amin’izany izy ireny, satria nanampy teny toy izao ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana voalohany: “Raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo [mirary fahasalamana ho anareo, MN ]!” — Asan’ny apostoly 15:28, 29.
Manohana ny evaolisiona ny katolika
Tamin’ny fihaonambe natao tao Vatican tamin’ny aprily 1986, dia nanambara toy izao ny papa Jean-Paul II: “Araka ny fampianaram-pinoana, dia tsy misy manahirana amin’ny fanazavana ny niandohan’ny olombelona, amin’ny maha-tena, amin’ny petra-kevitra momba ny evaolisiona.” Inona no antony? Satria izany “Fampianaram-pinoana” katolika izany dia manamafy fa ivelan’ny tena, ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty. Milaza ny Eglizy fa io fanahy io, fa tsy ny tena, no noforonin’Andriamanitra mivantana.
Araka ny Genesisy 2:7 (MN ) anefa, rehefa namorona ny olombelona tamin’ny vovoka Andriamanitra ka nitsoka fofonaina tao am-bavorony, dia “tonga fanahy velona ny olona”. Tsy nandray fanahy akory ny olona fa tonga fanahy, dia olona velona (jereo I Korintiana 15:45, MN ). Izao no lazaina amintsika ao amin’ny Ezekiela 18:4: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Asehon’io andininy io fa ny fanahy (âme) dia ilay olona fa tsy tapany tsy hita maso ao aminy izay mbola velona ihany rehefa maty ny tena.
Amin’ny ivelany, ny fanekena fa vokatry ny evaolisiona ny tenan’olombelona, dia mety ho toa tsy mametraka zava-manahirana mihitsy, kanefa tamin’ny fanarahana an’io tsangan-kevitra io, dia nolavin’ny Eglizy katolika ny fitantarana ny famoronana voarakitra ao amin’ny Genesisy, dia fitantarana noheverin’ny tenan’i Jesosy ho marina (Matio 19:4-6). Fiheverana inona no tokony harahin’ny kristiana iray?
Fanarahana ambokony mifanohitra amin’ny Soratra Masina
Ny fitsidihana nataon’ny papa Jean-Paul II tao amin’ny synagogan’i Roma, ny 13 aprily 1986, dia nolazaina ho “fisehoan-javatra ara-tantara” natao ‘hanokafana fotoana vaovao’. Inona no antony? Satria vao voalohany ny papa iray no nitsidika tamin’ny fomba ofisialy, toerana fanaovana fanompoam-pivavahana jiosy iray. Araka ny filazan’ny La Repubblica, gazety romana iray, tamin’io fanaovan-javatra io ny Eglizy katolika dia nanandrana “nanitsy ireo fahadisoan-kevitra teo amin’ny Tantara”, satria izy “tsy nahavita foana ny adidim-pitiavana araka an’i Kristy tamin’ireo rahalahiny jiosy”.
Ny fitsidihan’ny papa dia nokendrena hanasoritana ny “lova ara-panahy iombonana” eo amin’ny katolika sy ny jiosy. Mbola misy foana anefa eo amin’ireo fivavahana roa ireo izay notondroin’i Jean-Paul II ho “tsy fitovian-kevitra tena lehibe”, dia ny tsy faneken’ny jiosy an’i Jesosy ho Mesia. Inona no fanafodiny atolotry ny papa amin’izany zava-manahirana izany? Tao amin’ny lahateniny izy dia niresaka ny amin’ny fampisehoana “fanajana ireo zavatra inoana manokana avy” sy ny ilàna hanalavirana izay rehetra mety ho fanerena vaovao kendrena hampanarahana ny hafa ny finoan’ny tena. Izany fanambarana izany, hoy ny fanamarihan’ny La Repubblica, dia manamarina ny “fialan’ny papa amin’izay rehetra mety ho endriky ny fitaomana” ny jiosy hanaraka ny finoany.
Ny apostoly Petera anefa dia nilaza tamin’ireo mpisorona sy ireo loholona jiosy tany Jerosalema fa “tsy misy famonjena amin’ny hafa” afa-tsy ao amin’i Jesosy Kristy. Ambonin’izany, rehefa nodidiana Petera sy Jaona hitsahatra tsy hitory tamin’ny fampiasana ny anaran’i Jesosy, dia namaly toy izao izy ireo: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (Asan’ny apostoly 4:8, 12, 18-20). Moa ve tsy tokony hanao toy izany ireo mpianatr’i Kristy amin’izao andro izao?