“Mba hanafoanana ny fitoerany ho manirery”
NANORATRA tany amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any India ny lehilahy iray tao amin’ny toeram-panjakan’i Oman noho ny asany. “Andro vitsivitsy lasa izay, hoy ny fanazavany, no nahitako kisendrasendra ny boky Le bonheur — Comment le trouver? tany amin’ny iray amin’ireo sakaizako. Tsy ilaina ny hilaza fa io boky io amin’ny fitambarany dia tena harena. Raha lazaina tsotra, dia nisy heriny betsaka tamiko izy io, ary tiako ny hanao fanomezana io boky kely tsara tarehy io ho an’ny vadiko noho ny fitsingerenan’ny fampakaram-badinay, mba hanafoana ny fitoerany ho manirery ankehitriny. Ho sitrakareo indrindra ve ny mba handefa iray ho an’ny vadiko amin’ny anarako, raha vao azo atao izany? Eo ambany ny adiresiny.”
Tsy hoe mahaforona fanampiana mampahery hiatrika toe-javatra misedra fotsiny akory io boky 192 pejy io, fa manoro ny fomba hahavoalamina maharitra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana.
Ampahafantaro ahy aza fady ny fomba mety hahazoako ny boky mifono baoritra Le bonheur — Comment le trouver?.