FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/11 p. 25-27
  • Kristiana mahatoky any Nouvelle-Calédonie

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kristiana mahatoky any Nouvelle-Calédonie
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Ireo kristiana nahatoky voalohany
  • Tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao anatin’ny fisedrana
  • Tsy nivadika na dia teo aza ny fikorontanana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/11 p. 25-27

Kristiana mahatoky any Nouvelle-Calédonie

TEO AM-PIANDOHAN’ny taona 1985 dia tsy nandeha tsara ny zavatra rehetra tany Nouvelle-Calédonie, nosy iray miendrika paradisa any amin’ny Pasifika Atsimo. Olona teo amin’ny roapolo no namoy ny ainy tamin’ny fikorontanana ara-politika, ary ny revio Maclean’s dia tonga tamin’izao fanamarihana izao: “Manomboka hitovy amin’i Irlande Avaratra sahady ilay nosy, voazara ho antoko roa mifandrafy sady mirongo fiadiana.”

Nihasarotra aoka izany ny tarehin-javatra hany ka, tany amin’ny faritra mifanalavitra mifanitsy indrindra amin’ilay nosy, tany Frantsa, ny prezidà François Mitterrand dia nanakorontana ny fandaharany mba hanaovana dia tselatra any amin’ny renivohitra, Nouméa, ka tonga tany indray asabotsy izy. Ireo mponin’ny nosy, izay voazarazara raha ny amin’ny antony hitadiavany fanamaivanana, dia tsy nahandry izay hanambarana ny fanirian’izy ireo tamin’izay fotoana izay. Ireo teratany natosik’ireo mpitondra fivavahana sady mifikitra mafy amin’ny fiaviana melaneziana misy azy ireo, dia nanao fanerena mba hamaranana ny fitondrana frantsay naharitra efa maherin’ny 130 taona. Etsy an-daniny kosa anefa, maro amin’ireo taranaka Polineziana eoropeana, mponina tany amin’ny zanatany aziatika ary na dia Melaneziana aza dia nivoady ny tsy hivadika amin’ny fitondrana frantsay ary nifidy ny hihazonana ny toe-javatra efa misy.

Tamin’izay fotoana izay ihany, io asabotsy io, dia Vavolombelon’i Jehovah mbamin’ireo sakaizany 1567 no nivory koa tao Nouméa mba hanao fanambarana ampahibemaso ny tsy fivadihany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina fa tsy ho an’ny antokom-pirazanana sasany na ho an’ny fitondram-panjakana iray manokana eto an-tany. Fa nahoana no tao Nouméa izy ireo tamin’io andro io? Ary, raha ny marina, ahoana no anazavana ny fisian’izy ireo tao Nouvelle-Calédonie?

Ireo kristiana nahatoky voalohany

Manolotra izay rehetra azo antenaina amin’ny paradisa iray any amin’ny Pasifika Atsimo i Nouvelle-Calédonie: toetr’andro mahafinaritra mandavantaona, voankazo tsara tsiro manome fahafinaretana ny vava, zavamaniry betsaka mahasondriana ny maro, ary mponina maro samy hafa maherin’ny 150 000 Melaneziana, Polyneziana, Aziatika ary erôpeana.

Ilay kapiteny atao hoe James Cook, mpitondra sambo sady mpizaha tany anglisy malaza no nahita voalohany an’io nosy io tamin’ny taona 1774, nefa tonga zanatany frantsay izy io tamin’ny taona 1853. Tonga nanaraka ny dian-tsambo navelan’ireo mpizaha tany voalohany sy ireo mpanao raharaham-barotra ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Niharihary fa nila ny nafahana tamin’ny fanao ratsy sasany ireo olona hitan’izy ireo. Vitan’ireo misionera, ohatra, ny nanao izay hampanjavona ny fihinanana nofon’olona. Nampahafantarin’izy ireo tamin’ireo mponin’ny nosy koa ny Baiboly ary nadikany tamin’ny fiteny efatra teo an-toerana aza izany. Aoka homarihintsika mazava, ho fiderana azy ireo ny nampidiran’izy ireo tao anatin’izany fandikana izany ny anaran’Andriamanitra, tamin’ny fandikana azy hoe Iéhova na Jehovah amin’ireo fitenim-paritra. Na dia izany aza dia mbola nilaina koa ny zavatra hafa.

Tany amin’ireo taona 1930, dia nisy antokona Vavolombelon’i Jehovah nitety tamin’ny sambo ireo nosy Loyauté ka nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Nanodidina ny taona 1955, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah aostraliana maromaro tonga nipetraka tany Nouvelle-Calédonie. Na dia noroahina aza izy ireo tatỳ aoriana, dia nisy vokany ny asan’izy ireo, ary nihoatra ny zato ny isan’ireo Vavolombelona teo an-toerana tamin’ny 1967. Tamin’ny 1976, ny Fikambanana Watch Tower dia nanokatra sampana iray tao Nouméa ary nandamina ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana voalohany tao amin’ilay nosy.a.

Nanomboka tamin’io daty io indrindra no nisy dingana lehibe vita teo amin’ny fanangonana ireo vahoaka mahatokin’ilay Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, vahoaka avy amin’ireo antokom-pirazanana rehetra ao amin’ilay tany. Ohatra, any Nouvelle-Calédonie dia misy olona 17 000 avy any Wallis sy Futuna — nosy madinika any avaratr’i Fidji. Maro tamin’ireny Valiziana ireny no katolika mifikitra mafy amin’ny Egliziny. Hita niova anefa izy arakaraka ny nitomboan’ny isan’ireo izay nihaino ny hafatr’ilay Fanjakana. Ny pretra iray, izay velom-panahiana ny amin’izany dia naniraka ilay vehivavy mpikarakara ny volam-piangonana mba “hisakana ireny ondry ireny tsy ho very”. Nihaino ny hafatra koa anefa izy io. Avy eo, ny zanany vavy izay nianatra tany Roma mba ho tonga misionera, dia nody tany aminy ary nanaiky ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly izay nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’izao fotoana izao, io tovovavy io sy ny reniny dia Vavolombelona mahatoky.

Amin’izao fotoana izao dia fantatra tsara any amin’ireny nosy rehetra ireny ireo Vavolombelona; any amin’ny faritra sasany, ny ara-keviny amin’ny isan’ny Vavolombelona dia iray amin’ny mponina 80. Tao amin’ny nosy Lifou, dia lasa pentekôtista ny mpandrafitra tanora iray. Nitety vohitra izy nanambara fa ny Kristy dia hiverina nofo aman-dra, ao amin’ilay nosy. Mba hanehoana fa niaiky ny amin’ny maha-zava-poana ny fananana ara-nofo izy, dia nodorany teo anatrehan’ny olona ny fitafiany sy ny volany. Nefa izay novakiny tao anatin’ny taratasy mivalona navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaitra ny fahalianany. Noho ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly, dia nahazo fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra izy. Ankehitriny izy dia kristiana mahay mandanjalanja izay manompo an’Andriamanitra manontolo andro.

Tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao anatin’ny fisedrana

Ny fikorontanana ara-politika sy ny fisafotofotoana nipoaka tamin’ny 1984 dia niteraka fahasahiranana ho an’ny maro tamin’ireo mponina any Nouvelle-Calédonie, anisan’izany ireo Vavolombelona. Ny sasany tamin’ireny Vavolombelona ireny dia notafihina sy nokapohina raha mbola teny am-pitoriana izy ireny. Indray andro, dia niditra an-keriny tao an-tranon’ny Vavolombelona iray ny lehilahy telo nandrahona azy tamin’ny basy poleta sady nangataka taminy ny fanalahidin’ny fiarakodiany izay nentin’izy ireo nandositra. Ny hafa nanimba ny fiarakodian’ny misionera iray raha mbola nitarika fampianarana Baiboly izy io. Rehefa tafaverina izy dia nahita azy may tanteraka.

Raha mbola voazarazara raha ny amin’izay tsy hivadihany ireo mponin’ny nosy, ireo Vavolombelona kosa — na inona na inona fiaviany ara-pirazanana — dia tafaray ao amin’ny fialanalanan’izy ireo. Ny klerjy izay nilatsaka an’ady koa, dia nanararaotra ny fisavoritahana misy mba hampitomboana ny fankahalana an’ireo Vavolombelona. Tamin’izany fomba izany, indray andro, no nampijanonan’ireo mpanakorontana ny fiarakodia roa nentin’ny Vavolombelona hakana sakaizan’ny fahamarinana sy hitondrana azy ireo ho any amin’ny fivoriana iray. Ny mpiandraikitra mpitety faritany izay nitsidika ny kongregasiona tamin’io herinandro io ary niaraka tamin’izy ireo no nasiany. Namoaka azy avy tao anatin’ny fiarakodia izy ireo, nikapoka azy sady namaky ny solomasony. Natosik’izy ireo teo amin’ny rindrina ny lehilahy iray tsy mbola Vavolombelona ary nikapoka azy mandra-pivoa-dra ny lohany raha mbola noteren’izy ireo hijery izany ny vadiny bevohoka.

Fantatr’ireo Vavolombelona anefa fa tsy diso toerana ny tsy fivadihan’izy ireo. Tsaroany ireto tenin’i Paoly ireto: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” — II Timoty 3:12, jereo koa Matio 10:16.

Tsy nivadika na dia teo aza ny fikorontanana

Teo antenatenan’ny taona 1984, dia noheverin’ireo Vavolombelona fa nilaina ny hanorenana Trano fanaovana fivoriambe iray. Nahita tany tena mety amin’ny ilana azy izy ireo, teo amin’ny havoana iray manerinerina ny seranan-tsambon’i Nouméa, ary nanomboka ny asa izy ireo tamin’ny volana septambra. Tamin’ny volana novambra anefa, noho ny fikorontanana, ireo manam-pahefana dia nampihatra ireo fepetra fanao amin’ny tany misy hotakotaka sy ny tsy fahazoana mivoaka amin’ny alina. Na dia tao aza izany fahasahiranana izany, dia nisy Vavolombelona tao amin’ilay nosy manontolo namaly ny antso manasa azy ireo mba hanao tana-maro eny amin’ny toerana nanaovana fanorenana. Nahitana mpiasa an-tsitrapo hatramin’ny 400 indray tonga ka nampitolagaga ireo mpitazana izany. Koa satria natomboka tamin’ny fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra ny asa, dia maro tamin’ireo tanora no nandray anjara tamin’izany. Niteny toy izao ny zazavavy iray: “Io no fotoam-pialan-tsasatra tsara indrindra hitako.” Tetsy an-daniny koa, dia ho maro ny mpandrafitra tsy hino raha nahita ity vehivavy 60 taona nanilika tamin’ny lapelina simenitra sy vato kely ao anatin’ny milina fanaovana rihitra!

Zara raha nisy efa-bolana dia vita ny zava-drehetra. Notondroina ny andro hanaovana ny fitokanana, saingy hita fa nifanitsy tamin’ny fitsidihana tampotampoka nataon’Atoa Mitterand izany! Natahotra ny mety hisian’ny fihenjanana ara-politika ireo manam-pahefana ka nangataka tamin’ireo Vavolombelona mba hanafoana an’io fivoriana io. Kanefa, ilay tompon’andraikitra amin’ny filaminana izay efa nandinika ny fizotran’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa, dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Fantatro ianareo. Tsy ho avy aminareo no hahitanay fahasahiranana. Raiso fotsiny ireo fepetra ilaina amin’ny filaminana; tsy hanapaka ny fivorianareo izahay.”

Maherin’ny 1 500 ireo olona nanatrika an’ilay fandaharam-pitokanana nahaliana izay nofaranan’ny lahatenin’i Lyman Swingle, mpikambana ao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia teo aza ny fikorontanan’ny vahoaka tany ivelany, ireo mpanatrika kosa dia naneho ny tsy fivadihany tamin’ny Fanjakan’i Jehovah, tsy fivadihana izay mitondra vokatra any Nouvelle-Calédonie. Tampon’isa vaovao no tratra tamin’ny mpitory 889 ary ny fahatsinjovana fitomboana dia tena tsara araka ny asehon’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1986: olona 2 145.

Ireo fikorontanana ara-politika ireo dia manaporofo miharihary fa ny ankamaroan’ireo mponina any Nouvelle-Calédonie dia miantehitra amin’ireo fitondran’olombelona mba handaminana ireo zava-manahirana azy ireo. Tsy mba toy izany ny amin’ireo izay tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay mametraka fitokisana tanteraka amin’ny fanapahan’Andriamanitra. Nandritra ireo korontana, dia hita teny amin’ny lalan-dehibe tany amin’ny morontsiraka atsinanana ny sora-baventy milaza hoe: “Any ivelany i Jehovah!” Nijanona ao Nouvelle-Calédonie anefa i Jehovah amin’ny alalan’ireo solontenany, “ireo olo-mahatokiny” izay mitory ny Fanjakany efa miorina. — Salamo 37:28, MN; jereo ireo Sl 37 andininy 9-11, 22, 29 sy 34.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fitantarana feno kokoa ny amin’ny tantaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Calédonie, dia jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1984, pejy 243-249.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

AOSTRALIA

[Sarintany]

NOUVELLE-CALÉDONIE

Lifou

NOSY LOYAUTÉ

Nouméa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara