Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ireo mpitondra fivavahana sy ny SIDA
“Mitombo ny fisehoan’ny SIDA eo anivon’ny klerjy katolika.” Toy izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray niseho tao amin’ilay gazety mivoaka isan’andro hoe International Herald Tribune izay azo namakiana hoe: “Na dia tsy azo atao aza ny manome tarehimarika mampiseho ny haben’ny zava-manahirana, ao amin’ny tanàna maromaro [any Etazonia], dia mpitsabo, mpitondra Fiangonana ary mpanao fiantrana ara-tsosialy maro no nanantitrantitra fa nitombo ny isan’ireo mpitondra fivavahana katolika tratran’ny SIDA (...). Manjary tsy takona afenina fa anisan’ny klerjy katolika ny mararin’ny [SIDA] sasany. Zava-manahirana iray ho an’ny Eglizy izany, satria tsy milaza fotsiny fa misy pretra sy relijiozy hafa nandika ny voadiny ara-pivavahana hitoetra tsy hanam-bady, fa nanaram-po tamin’ny fandrian’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy koa izy ireo tamin’ny fandikana ireo fitsipiky ny Eglizy.”
Na dia izany aza dia tsy azo atao ny miampanga irery ny fandikana ny voady ho mpitovo, satria na dia ireo Fiangonana amelana ny minisitra ara-pivavahana ao aminy hanambady aza dia manoratra fisehoan’ny SIDA eo anivon’ny klerjiny. Nanambara io lahatsoratra io ihany fa “mamely sokajin’olona Amerikana maro be ny SIDA, anisan’izany ireo raby, ireo pretra episkopaliana, ireo minisitra batista ary tompon’andraikitra ara-pivavahana hafa koa”.
Mazava ho azy fa tsy voatery ho lehilahy mandry amin’ny lehilahy avokoa akory ny mpitondra fivavahana rehetra voan’ny SIDA. Io aretina io dia mety hifindra ihany koa amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’olon-kafa tsy vadin’ny tena sy amin’ny alalan’ny fampidiran-dra. Kanefa, ireo fisehoan’ny SIDA nisaina teo anivon’ny klerjy dia manazava izay hampoizina hitranga amin’izay tsy manaja, na iza izy na iza, ny fitsipika nambaran’ny kaonsily tao Jerosalema mazava tamin’ny taonjato voalohany, dia ny ‘hifadiana ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana’. — Asan’ny apostoly 15:29, Ny Baiboly Masina, moanin’ny maredsous (fandikan-teny katolika).
Mpanalalana ratsy
“Tiavo ny tenanao; Andriamanitra ianao.” Izany ka hafatra tena hafahafa, sa tsy izany? Marina izany, nefa izy io dia tian’ny olona maro mitombo isa hatrany, izay eo am-pikatsahana ny fanafodiny hanoloana ny fivavahana nentin-drazana. Nalefan’i Penny Torres, vehivavy Kaliforniana iray 27 taona, izy io. Araka ny itantaran’ny Los Angeles Times azy anefa, dia lazaina fa raha ny marina izy io dia avy tamin’i Mafu, “ ‘fisiana manana ny maha-izy azy teraka avy amin’ny fahalehibeazana fahafito’, tena mandroso, izay tonga nofo farany tamin’ny taonjato voalohany tao amin’ny lehilahy boka iray, tao Pompéi”, ary lazaina fa nampiasa an’i Penny Torres ho “mpanalalana”. Any Etazonia, io vehivavy io dia anankiray amin’ireo olona maro be miasa ho “mpanalalana” amin’ny “fanahin’ireo maty” sady manantitrantitra fa ny tenan’ny olona tsirairay ihany no Andriamaniny.
Araka ny filazan’ny Times, ireo “mpanalalana” dia “olona manao azy ho tsindrian-javatra, izay minia manao izay hahazoan’ny herin’ny fanahy ratsy azy ary, ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena kely na tanteraka, dia mifandray amin’ny ‘fanjakana ara-panahy’ tsy hita maso” na amin’ireo “hery ambony noho ny olombelona”. Rehefa ao anatin’izany toerana izany izy ireny, dia azo atao ny mangataka torohevitra aminy na manontany azy ny amin’ny raharahan’ny tena manokana. Tombanana fa ao an-tanànan’i Los Angeles fotsiny dia olona tsy latsaka ny 1 000 no milaza ho mpanalalana toy izany. Inona no anton’izany fahalianana tampoka amin’ireny mpanalalana ireny izany? Ao amin’ny pejin’ny Miami Herald, ilay lehiben’ny Sekolin’ny teolojia any Harvard, Ronald Thiemann, dia nilaza fa “ny teolojia dia miha-eo andalam-panalavirana ny hery ara-tsain’ny amerikana”.
Taonjato maro anefa izay no nanomezan’i Mosesy an’izao fampitandremana izao ho an’ny Isiraely: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty.” Noho ny antony inona? “Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.” — Deoteronomia 18:10-12.
Mitsapatsapa ao anatin’ny haizina izy ireo
Tamin’iny taona lasa iny, ireo mpikambana ao amin’ny ISSOL (Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fandinihana ny niandohan’ny fiainana) dia nanao ny kongresiny fahavalo tao Berkeley, any Kalifornia (Etazonia). Rehefa avy nahatsapa ny ilàna “hamaritra tsara ireo vokatra azo hatramin’izao” ny profesora Klaus Dose, mpanorina ny ISSOL, dia nanambara tao amin’ny revio ara-tsiansa alemana iray (Naturwissenschaftliche Rundschau) fa taorian’ny taona maro nanaovana fikarohana, ny evaolisionista dia tsy mahatakatra tsaratsara kokoa ny niandohan’ny fiainana akory.
Nanoratra ny profesora Dose hoe: “Azo inoana fa tsy misy mihitsy sampana amin’ny siansa natioraly miavaka amin’ny hevitra, fanombatombanana ary tsanga-kevitra mifanipaka be dia be toy ny evaolisionisma. Tamin’ny 1986, 30 taona mahery taorian’ireo fiandohana naha-be fanantenan’ny taonan’ireo fanandraman-javatra tamin’ny alalan’ny hosokosoka, dia sarotra aminay ny manome porofo bebe kokoa mba hanazavana ny tena firafitry ny nisehoan’ny fiainana noho izay azon’i Ernest Haeckel natao, 120 taona lasa izay. Mampalahelo fa tsy maintsy ekena fa araka ny fitsipika ankapobeny, ireo tenan-javatra rehetra omena any amin’ny laboratoara dia tsy manakaiky kokoa ny fiainana noho ireo foto-javatra mahaforona ny taran’arintany [goudron de houille].” Ao amin’ny laharan-kevitra mitovy amin’izany, ny profesora Irving Kristol, avy ao amin’ny oniversiten’i New York, dia nanoratra fa “ny fanovana tsikelikely solontenan’ny karazana iray ho anankiray hafa, dia avy amin’ny fanombatombanana fa tsy fisehoan-javatra ara-biolojia”.
Raha mbola manohy mitsapatsapa ireo evaolisionista eo am-pikatsahana ny valiny, ny Baiboly kosa dia manome fanazavana mifanaraka amin’ny fisehoan-javatra fantatra rehetra. Araka izany, Davida mpanoratra ao amin’ny Baiboly dia manambara amim-pinoana mafy hoe: “Fa ao aminao no misy loharanon’aina.” — Salamo 36:9.