Ny spiritisma: nahoana no mitombo toy izao ny fahaliamana aminy?
TAO amin’ny tanànany i Frans dia andrin’ny fivavahana protestanta. Rehefa misy asa hatao ao am-piangonana, dia izy no voalohany milatsaka an-tsitrapo. Mpivavaka be koa i Wilhelmine. “Ilaina ny mankany am-piangonana”, hoy izy, ary dia mankany izy. Toy izany koa, manatrika fotoam-pivavahana tsy tapaka i Esther ary tsy misy andro iray mandalo ka tsy anaovany vavaka. Manana zavatra hafa iombonana anefa ireo olona telo ireo: mpanao azy ho tsindrian-javatra koa izy ireo.
Tsy maningana akory ny hita amin’ireo Siorinamiana telo ireo. Mitombo ny fahalianana amin’ny spiritisma maneran-tany. Aoka havelantsika hiteny ny tarehi-marika: Any Etazonia fotsiny, dia revio eo amin’ny telopolo, maro be ny indray mivoaka mihoatra ny kopia folo tapitrisa, no voatokana ho amin’ny fisehoan-javatra “parapsychiques” isan-karazany. Any Angletera, dia tombanana ho roa tapitrisa ny isan’ny olona mankafy ny asan’ny maizina. Any Pays-Bas, ny fitsapana natao vao haingana dia nampiharihary fa tamin’ireo izay mino ny fisehoan-javatra tsy araka ny natiora, dia misy mponina an-tanàn-dehibe, olona nahita fianarana tokoa sy tanora. Afa-tsy izany koa, araka ny mety hohamarinin’ny Afrikana, Aziatika sy Latino-Amerikana, any amin’ny tany maro, ny spiritisma dia miditra mandray anjara feno eo amin’ny fiainana andavanandro. Izany no antony namaranan’i John Weldon sy Clifford Wilson ny bokin’izy ireo hoe Choc occulte et forces parapsychiques (anglisy) tamin’izao teny izao: “Mpandahatra tantara maro no toa mihevitra fa miaina ao anatin’ny fotoana famelomana tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny asan’ny maizina isika.”
Ny spiritisma sy ny asan’ny maizina tokoa — na fanandroana izany, na hypnotisma, na “parapsychologie”, na fahatsapan-javatra ivelan’ny vavahadin-tsaina, na majika, ny filazana hevitry ny nofy, ets. — dia manintona olona avy amin’ny toerana ara-tsosialy rehetra. Nahoana àry?
Efa misy sahady Fiangonana sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manala tsiny, na mankasitraka mihitsy aza ny spiritisma. Izy ireny dia mahatonga olona hieritreritra fa ny fifandraisana amin’ireo fanahy dia fomba iray fotsiny tahaka ny hafa, fanatonana an’Andriamanitra.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny Izaak Amelo, mpivarotra siorinamiana iray 70 taona. Nandritra ny fito taona izy io, dia sady mpikambana nohajaina tao amin’ny filan-kevitra presbyteraly no mpanao spiritisma nalaza. Toy izao no fitantarany: “Isaky ny asabotsy, ny mpanolo-tsaina presbyteraly rehetra dia tany ivelan’ny vohitra. Nanontany ireo fanahy izahay nandritra ny alina manontolo. Ny maraina be, dia nijery ny famantaranandrony ilay diakona ary, teo amin’ny 5 ora maraina, dia nasainy niato izahay. Rehefa avy nandro izahay, dia niova fitafiana, avy eo dia nankany am-piangonana — izay nahatongavanay tamin’ny ora indrindra hanaovana fotoam-pivavahana ny alahady. Nandritra izany taona rehetra izany, ilay pastora dia tsy nampiseho tsy fankasitrahana taminay mihitsy.”
Rehefa avy nandinika ny fifamatorana misy eo amin’ny spiritisma sy ireo Fiangonana any Siorinama ilay mpampianatra holanday atao hoe R. Van Lier dia nanamafy fa betsaka no mihevitra ny spiritisma ho “fivavahana fanampiny”. Tao amin’ny famakafakana lalina iray navoakan’ny oniversite any Leyde vao haingana, dia nasainy nomarihina koa fa ny spiritisma dia noheverina ho “foto-javatra iray anisan’ny fitambaran-javatra lehibe ara-pivavahana izay itoviany laharana amin’ny kristianisma”.
Tonga ao an-tsaina angamba anefa ireto fanontaniana ireto: ‘Moa ve ny faneken’ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny spiritisma mampiseho fa ankasitrahan’Andriamanitra izany? Tena manatona an’Andriamanitra tokoa ve ny tena rehefa mifandray amin’ireo fanahy? Inona marina moa no lazain’ny Baiboly ny amin’ny spiritisma?’
[Sary, pejy 3]
Tsaroan’i Izaak Amelo fa ny mpanolo-tsaina presbyteraly rehetra, anisan’izany ny tenany, dia nandray anjara tamin’ny fotoam-pivoriana fanaovana spiritisma.