Ny spiritisma: ahoana no fiheveran’Andriamanitra izany?
“TIA sy mankahala zavatra mitovy, izany no fototry ny fisakaizana mafy orina”, hoy ny nolazain’ilay mpanoratra tantara romana atao hoe Salluste. Ny sakaiza iray tokoa dia olona manan-javatra iombonana betsaka amin’ny tena, olona itokisana. Toy izany koa, Andriamanitra dia manaiky antsika ho sakaiza ary mamela antsika hanatona azy raha mitovy zavatra tiana sy ankahalaina aminy isika, raha lazaina amin’ny teny hafa, raha manintona antsika ireo toetrany, toy ny fitiavana, ny fiadanana, ny fahamoram-panahy sy ny hatsaram-po, ka manao fiezahana amim-pahatsorana isika mba hanahaka ireo toetrany ireo eo amin’ny fiainantsika. — Galatiana 5:22, 23.
Amin’izany, mba hahafantarana raha ankasitrahan’Andriamanitra ny spiritisma, alohan’ny zavatra rehetra dia tokony handinika ireo vokany isika (Matio 7:17, 18). Moa ve izany manampy ireo manaraka azy hamboly ireo toetra araka an’Andriamanitra manintona? Ho fikendrena izany, dia aoka handinika ohatra roa tena nisy isika.
Ny fankatoavana sy ny fampijaliana ary ny fahafatesana
Asamaja Amelia, vehivavy Siorinamiana iray antonontonony ny taonany, dia 17 taona fony izy nifandray voalohany tamin’ny fanaovana fankatovana, karazana spiritisma iray. Tanteraka ny faminaniany ary nahasoa ireo izay nanontany azy ireo toroheviny; nankasitrahan’ny olona tokoa àry izy tao amin’ny vohitra nisy azy. (Jereo Asan’ny apostoly 16:16.) Nisy zavatra nitana ny sainy anefa.
“Ireo fanahy izay niteny tamin’ny alalako dia tsara tamin’ireo nitady ny fanampian’izy ireo, hoy izy, nefa tamin’izany koa dia nanimba ny fiainako izy ireo. Isaky ny avy mifandray amin’izy ireo aho dia trotraka ary zara raha mahahetsika. Rehefa tonga ny alina, dia nanantena hahita fialan-tsasatra kely aho, nefa tsy navelan’ireo fanahy hahita filaminana. Tsy nijanona ny namely ahy matetika izy ireo, niresaka tamiko izy ireo ary tsy namela ahy hatory. Tsy maintsy nohenoina izay nolazain’izy ireo tamiko!” Sady nisento izy no niondrika nihifikifi-doha tsiravina. “Tian’izy ireo ny niresaka ny amin’ny lahy sy ny vavy ary nanantitrantitra izy mba hiray tamiko. Maharikoriko izany. Nanambady aho; tsy tiako ny hivadika ary nolazaiko tamin’izy ireo izany. Tsy nisy na inona na inona azo natao anefa. Indray andro, dia nisy hery tsy hita maso nanjera ahy, namihina ahy mafy ary nanaikitra ahy aza. Ketraka aho.”
‘Fanahy mamporisika hanao fitondrantena maloto! Mafy loatra izany!’, hoy angamba ianao. Tena ratsy toy izany tokoa ve ireny fanahy ireny?
“Ratsy kokoa noho izany! hoy Izaak, efa notononina. Indray alina, dia nantsoina izahay mba hanampy vehivavy narary iray nampijalin’ny demonia. Ny filohan’ilay antokon’olona — ilay notsindrian-javatra nanana fanahy nahery indrindra — dia nanandrana nandroaka ny demonian’io vehivavy io. Nandritra ny indray andro maninjitra dia niangavy ny fanahiny izahay mba hanampy anay. Nandihy sy nively “tam-tam” izahay, ary nihatsara tsikelikely ilay vehivavy. Nodidian’ilay filoha mba hivoaka ilay fanahy, ary dia nankatoavina izy. Nibitaka izy: ‘Nandresy isika.’ Dia nipetraka izahay mba handray ny fahatonianay indray.”
Ireo tanan’i Izaak izay nihetsiketsika aoka izany rehefa niteny izy, dia tsy nihetsika raha mbola nanamarika fiatoana nisy heviny izy. Avy eo, dia hoy izy nanohy ny teniny: “Toa nandeha tsara ny zavatra rehetra aloha, kanjo, tsitapitapitr’izay dia nisy fidradradradrana nanapaka ny fahanginana. Nihazakazaka nankany amin’ilay toerana niavian’izany izahay: teo anoloan’ny tranony, nitomany ny vadin’ilay filoha, netsehin’ny aretin-kozatra mafy. Tao an-trano, dia nandry, maty, ny zanany vavy kely. Nihodina ny lohany, ny aloha lasa any aoriana! Nisy hery nanolana ny tendany toy ny atao amin’ny akoho — niharihary fa namaly faty ilay fanahy navoaka. Nahatsiravina! Mpamono olona feno habibiana ireny fanahy ireny.”
Ny spiritisma sy “ny asan’ny nofo”
Ny teny maloto, ny fahalotoam-pitondrantena sy ny famonoana olona, hita tamin’ireo karazana spiritisma roa ireo dia mifanohitra tanteraka amin’ny toetran’Andriamanitra. Izany dia manampy antsika hamaritra hoe iza marina tokoa moa ireny fanahy ireny. Na dia miseho ho irak’Andriamanitra aza izy ireny, ny asany maloto sy ny famonoany olona dia manala sarona azy ireny sy mampiharihary fa mpanahaka an’ilay fahavalon’Andriamanitra, dia ilay mpamono olona voalohany teo amin’ny Tantara, Satana Devoly, izy ireny (Jaona 8:44). Io no filohan’izy ireo. Izy ireo dia mpanompony — anjely ratsy fanahy, na demonia. — Lioka 11:15-20.
Mety hametraka ireto fanontaniana ireto anefa ianao: ‘Moa ve indraindray ihany vao miseho eo amin’ny spiritisma izany toetra mampiavaka an’i Satana izany? Amin’ny ankapobeny, moa ve ny spiritisma mahatonga ho afaka hifandray amin’ireo fanahy tsara izay manampy ny olombelona hanatona an’Andriamanitra?’ Tsia, ny Baiboly dia mandahatra ny “fanaovana spiritisma” miaraka amin’ny “asan’ny nofo” hafa izay mifanipaka tanteraka amin’ireo toetra kristiana. — Galatiana 5:19-21, MN.
Ao amin’ny Apokalypsy 21:8, MN, “ireo izay manaraka ny spiritisma (ireo izay miresaka amin’ny demonia”, Le Livre, Nouveau Testament) dia alahatra ho iray sokajy amin’ny “olona tsy manam-pinoana, (...) ireo izay maharikoriko amin’ny fahalotoany sy mpamono olona ary mpijangajanga, (...) [ny] mpanompo sampy sy (...) ny mpandainga rehetra”. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo izay minia mandainga, mijangajanga, mamono olona sy manaraka ny spiritisma? Halany ny ataon’izy ireny! — Ohabolana 6:16-19.
Noho izany, ny fanarahana spiritisma, raha ny marina, dia fitiavana izay halan’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia toy ny fandavana an’i Jehovah mba hipetrahana ao an-tobin’i Satana, eo anilan’ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra sy miaraka amin’ireo olona ampiasainy. Eritrereto ange: Ho tianao ve ny ho namana akaikin’ny olona iray izay miandany amin’ireo fahavalonao? Mazava ho azy fa tsia. Hohalavirinao kosa aza izy. Araka ny fandrindran-kevitra àry, dia afaka manampo fihetsika sahala amin’izany avy amin’i Jehovah Andriamanitra isika. Izao no lazain’ny Ohabolana 15:29: “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy.” — Jereo Salamo 5:4.
Mitarika ho amin’ny fahafatesana ny spiritisma
Afa-tsy izany koa, ny spiritisma dia mahatandindomin-doza mihitsy ny fiainan’izay rehetra mikasika izany. Nomelohin’i Jehovah ho faty ireo izay nanaraka spiritisma teo anivon’ny Isiraely fahiny (Levitikosy 20:27; Deoteronomia 18:9-12). Tsy mahagaga àry ny mamaky fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny olona toy izany. (Galatiana 5:20, 21.) Mifanohitra amin’izany fa “hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara”, izany hoe ny “fahafatesana faharoa”, ny fandringanana mandrakizay, izy ireny (Apokalypsy 21:8). Marina fa amin’izao andro izao ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mandefitra eo anoloan’ny spiritisma, kanefa tsy niova akory ny fiheveran’ny Baiboly.
Inona izao no holazaina raha efa nanao ireo dingana voalohany teo amin’ny lalan’ny spiritisma ianao? Raha izany no izy, dia ho tsara ny hijanonanao avy hatrany sy hiverenanao. Araho ireo torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nomen’i Isaia mpaminany ny Isiraelita izay, sahala amin’ny sasany amin’ireo mpiara-belona amintsika, dia nanao zavatra maloto nefa nieritreritra fa nanompo an’Andriamanitra. Misy fianarana lehibe azo tsoahina àry amin’izay nitranga tamin’izy ireny. Inona izany?
Henoy ny fampitandreman’Isaia
Ny toko voalohany amin’ny bokin’Isaia dia nampahafantatra antsika fa “nahafoy an’i Jehovah” ny Isiraelita ary “nihodina”. (andininy faha-4.) Na dia naniasia aza izy ireny, dia nanohy nanatitra fanatitra, nanaja ireo zavatra tandremana ara-pivavahana sy nanao vavaka. Tsy nisy nilana izany mihitsy anefa! Tsy natosiky ny faniriana lalina ny hahazo sitraka tamin’ny Mpamorona azy izy ireny; izany no antony nilazan’i Jehovah tamin’izy ireny hoe: “Hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho.” Nikomy taminy ireny Isiraelita ireny tamin’ny fanarahana fanao maloto, ka tonga hatramin’ny ‘famenoana ran’olona ny tanany’ mihitsy aza. — Andininy faha-11 ka hatramin’ny faha-15.
Tao anatin’ny toe-javatra toy izany, mbola handray azy ireny indray ve Jehovah? Jereo ny hoe inona no fepetra nomeny azy ireny ao amin’ny Isaia 1:16: “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo.” Koa raha heverintsika ho zava-dehibe io torohevitra io, dia hatsahatsika na hohalavirintsika, arakaraka ny toe-javatra, ny fanaovan-javatra maloto, indrindra fa ny spiritisma izay “asan’ny nofo”. Noho ny fahafantarana fa Satana Devoly no saina ratsy miafina ao ambadika, dia hamelona fankahalana ny spiritisma isika.
Manaraka izany, dia tokony hanary ny zavatra rehetra mifamatotra amin’ny spiritisma isika. Toy izany no nataon’i Izaak. Mitantara toy izao izy: “Indray andro, dia nangoniko teo anoloan’ny tranoko daholo ny zavatra momba ny spiritisma nananako rehetra ka nopotipotehiko tamin’ny famaky. Niantsoantso ilay vehivavy mpifanila trano tamiko fa hanenenako izany. Raha mbola nivazavaza izy, dia nampidina lasantsy teo amin’ny potipoti-javatra aho ka nandoro izany tanteraka. Tsy nisy na inona na inona nijanona.”
28 taona lasa no nitrangan’izany. Nanenenan’i Izaak ve ny fihetsehana nataony? Tsia, mifanohitra tanteraka amin’izany. Amin’izao andro izao izy dia manompo an’i Jehovah amim-pifaliana, ary minisitra kristiana ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray.
Manome izao torohevitra izao koa ny Isaia 1:17: “Mianara hanao ny tsara.” Ilaina amin’izany ny mianatra ny Tenin’i Jehovah, ny Baiboly, mba hahafantarana hoe inona no “sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”. (Romana 12:2.) Rehefa ampiharina izany fahalalana vao azo izany, dia soa lehibe no raisina avy aminy. Tsapan’i Asamaja izany.
Na dia nanohitra mafy aza ny fianakaviany sy ny mpiara-monina taminy, dia niara-nianatra tamin-kerim-po ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Asamaja ka tsy ela dia nanapa-patorana tamin’ny spiritisma. Avy eo, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ary natao batisa tamin’ny fivoriambe iray. Ankehitriny, tokony ho 12 taona atỳ aoriana, dia milaza amim-pankasitrahana toy izao izy: “Hatramin’ny nanaovana batisa ahy, dia tsy nanorisory ahy ireo fanahy.” Ary dia amim-pitsikiana no itantarany hoe: “Tamin’ny alina nanaraka ny batisako, dia natory be sy tamim-pilaminana aoka izany aho, hany ka tratra aoriana ny fahatongavako tany amin’ny fivoriambe.”
Soa maharitra
Amin’izao andro izao Izaak sy Asamaja koa dia samy manaiky amin’ny fo rehetra izao tenin’i Asafa mpanao salamo izao: “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy.” (Salamo 73:28). Tamin’ny fanatonana an’i Jehovah tokoa, izy ireo dia novalian-tsoa teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-piraiketam-po. Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, dia nahazo fiadanana anaty izy ireo ary namatotra fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah.
Izany fitahiana izany dia manonitra be dia be ireo fahoriana sy ady tsy maintsy atao rehefa manafa-tena amin’ny gadran’ny spiritisma. Ny sasany anefa tsy maintsy miaritra tena fijaliana ara-batana sy ara-tsaina maharitra mba hahavitana izany. Afaka miresaka ny amin’izany amim-pahalalana tsara i Lintina van Geenen, vehivavy Siorinamiana iray. Ny lahatsoratra manaraka dia mitantara ny fomba niadiany nandritra ny taona maro mba hahatongavana tamin’izany tamin’ny farany.
[Sary, pejy 5]
Nitantara toy izao i Asamaja Amelia: “Ireo fanahy (...) dia nanimba ny fiainako. (...) Tsy maintsy nohenoina izay nolazain’izy ireo tamiko!”