Nanapaka ny gadran’ny spiritisma aho
NAMELY ny fianakaviako ny loza fony aho 14 taona. Nanomboka nanafoana ny fianakaviako ny mpamono olona feno habibiana iray. Ny nasiany voalohany dia ireo zanaka sivin’ny anankiray tamin’ireo rahavaviko, avy eo dia ny vadiny. Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia voa koa ny anankiray hafa tamin’ireo rahavaviko. Nanaraka izany, dia maty ireo anadahiko sy rahavaviko efatra hafa, mandra-paha-tsy nisy niangana afa-tsy izaho sy ny reniko sisa. Nihorohoro aho!
Nandritra ireo taona nanaraka, na nihinana aho, na niasa, na nandeha natory, dia nikiky ahy ny tahotra, ary niverimberina tao an-tsaiko ireto fanontaniana ireto: ‘Rahoviana izy no hamely? Iza no hanaraka: Ineny sa izaho?’
Ny fiainako teo aloha
Mba hahafahanareo mahatakatra kokoa izay nitranga nanaraka izany, dia hanome andinindininy vitsivitsy ny amin’ny fiainako aho. Teraka tamin’ny 1917 aho, tany Suriname, tao amin’ny foko mainty hoditra iray any Saramaccas, teo amin’ny nosikely tany Maronia. Ny razambeko dia lowenengre, izany hoe andevo nandositra izay niery tany anaty kirihitr’ala mba hanana fiainana mafy nefa malalaka tany. Raha ny marina, raha afaka tamin’ny ziogan’ny olona izy ireny, dia tsy afaka tamin’ny an’ireo demonia.
Tao amin’ny vohitra nisy anay, ny fiainana andavanandro dia nofehezin’ny fanompoana demonia sy razana. Mba hamosaviana sy hitondrana aretina na fahafatesana ho an’ny anankiray amin’ny iray karazana aminy, ny sasany dia nampiasa ny wisi, majika mainty, na nitady ny fanampian’ny koenoe (tonòny hoe konoa) iray, izany hoe mpanenjika. Ninoana fa ireny mpanenjika ireny dia olona nampijalin’olona tao amin’ny fianakaviany izay, taorian’ny fahafatesany, dia miverina mba hamaly faty. Raha ny marina, ireny mpanenjika ireny dia demonia ratsy izay manery ny olona hanompo azy.
Koa satria aho anisan’ny Fikambanan’ny rahalahy evanjelika, Fiangonana protestanta, dia nianatra zavatra sasany momba an’Andriamanitra koa aho. Na dia tao anatin’ny maizina aza aho raha ny amin’ny fomba fanompo azy, dia hitako tao amin’ny ala tropikaly nonenako ny porofo tsy tambo isaina mampiseho ny fahalalahan-tanany lehibe. ‘Tiako ny hivavaka amin’ny Andriamanitra be hatsaram-po iray fa tsy amin’ny fanahy ratsy mampijaly iray’, hoy aho anakampo. Fantatro fa ireny mpanenjika ireny dia tia ny nampijaly ireo olona voany nanohitra, hatramin’ny fahafatesana.
Azonareo an-tsaina àry fa nandona ahy tokoa ny nahafantatra fa nisy fahavalon’ny fianakavianay nandefa koenoe taminay. 14 taona aho fony niasa ilay mpamono. Enina amby roapolo taona tatỳ aoriana, dia izaho sy ny reniko ihany no mbola velona.
Fihaonana voalohany
Tia niasa aoka izany ny reniko. Indray andro, raha mbola nandeha ho any amin’ny toeram-piompiany sy famboleny izy dia nazera tamin’ny tany ary tsy afa-niarina. Izy no nofidin’ny koenoe. Niharatsy ny fahasalamany ary nalemy izy. Nila fanampiana izy — ny fanampiako. Voazaran’ny fitiavako azy sy ny tahotra ny demonia nahazo azy anefa aho. Nandritra ny fanafihan’ny koenoe anefa, dia nidradradradra ny reniko nahantra, nianjadian’ny fanaintainana aoka izany ka indray andro, dia tsy nahazaka izany intsony aho ka nataoko teo am-pofoako ny lohany mba hanamaivana azy. Nitony izy; fa izaho kosa, dia tsapako nisy “tanana” nangeja ny vatako.
Rehefa naniry handositra aho, dia nanomboka niantsoantso indray ny reniko. Noho ny aminy àry, dia nijanona aho ary ngolin’ny horohoro aho niharan’ny fihaonako voalohany tamin’ilay mpamono. 40 taona aho tamin’izay.
Nitombo ny famelezana
Maty ny reniko tamin’ny farany. Raha vao afaka telo andro monja, dia nahare toa feon-tsakaiza nilaza tamiko toy izao aho: “Lintina, Lintina a, tsy renao ve aho? Miantso anao aho.” Nanomboka tamin’izany ny fijaliana ara-batana sy ara-tsaina naharitra sy nahatsiravina aoka izany, hany ka nanjary naniry ny ho faty haingana aho.
Tamin’ny voalohany, dia tsy tonga nanorisory ahy ny demonia raha tsy rehefa nivonona ny hatory aho. Rehefa rendremana aho, dia nanaitra ahy ilay feo mba hiresaka amiko toeram-pandevenana sy fahafatesana. Nampihena ny heriko ny tsy fahampian-torimaso, nefa nanohy nikarakara ireo zanako aho.
Tatỳ aoriana, dia nampitombo ny famelezany ilay demonia. Imbetsaka aho no nino fa nanakenda ahy izy. Nanandrana niala aho, nefa tsy afaka; toy ny nisy enta-mavesa-be nitambesatra tamiko. Te-hikiakiaka aho, nefa nijanona tao an-tendako ny feo. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia mbola nolaviko ihany ny hanompo ilay mpila ady tamiko.
Raha vao tafarina avy amin’ny famelezana iray aho, dia nandray indray ny asako tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena, izay namboleko mangahazo sy fary namidiko tany amin’ny tsenan’ny tanàna kely iray amoron-tsiraka. Nanjary mora tamiko kokoa ny namelon-tena. Mbola vao ho avy anefa ny ratsy indrindra tamin’ireo fahoriako.
Nitady fanafodiny aho
Indray andro, dia reko ny feon’ilay demonia nampiomana mialoha ny amin’izay hitranga ka nilaza tamiko hoe: “Hataoko mibontsina tahaka ny balaonina ny kibonao.” Rehefa afaka kelikely tokoa, dia niforona tao amin’ny kiboko ny mivohitra ka nitombo mandra-pampiseho ahy ho toy ny bevohoka. Tena raiki-tahotra mafy aho ka nanontany tena hoe: ‘Moa ve Andriamanitra Mpamorona afaka manampy ahy ho afaka amin’ny koenoe? Afaka maniraka fanahy tsara sy mahery kokoa ve izy mba handroaka azy?’ Mba hahafantarana izany, dia lasa aho nanatona bonoeman iray, mpanao ody mpanasitrana.
Ny mpanao ody voalohany hitako dia nanome ahy tapoes, ody atao fiaro, nefa tsy nahafaka ny mivonto izany. Tapa-kevitra ny hitady fanafodin’ny aretiko aho ka lasa nitety bonoeman — nefa herim-po very maina foana. Teo anelanelan’izany fanatonana mpanasitrana izany, dia nanohy nikarakara ny toeram-pambolena aho mba hahazoam-bola hividianana labiera, divay, “champagne” sy sikina nanakaramako ireo mpanao ody. Matetika izy ireny no nanome ahy izao torohevitra izao: “Mandohaleha ary mivavaha amin’ny koenoe. Ekeo ho tomponao izy. Ivavaho izy, dia handao anao.” Ahoana anefa no ho nahafahako nandohalika sy nivavaka tamin’ny fanahy iray izay nampijaly ahy sy nitady hamono hahafaty ahy? Tsia, tsy afaka nanao izany aho.
Kivy aoka izany anefa aho, ka, afa-tsy io, dia nataoko izay rehetra natoron’ireo mpanao ody ahy. Nitsabo ahy nandritra ny dimy volana ny anankiray tamin’izy ireny. Nasainy nandro tamin’ny zavamaniry aho ary nanapotserany ranon-java-maniry iraika ambin’ny folo samy hafa tao anaty masoko — “mba hanadiovana azy”, hoy izy, raha mbola nidradradradra noho ny fanaintainana aho. Tamin’ny faran’ny fitsaboana anefa, dia nody tany an-tranoko aho, foana ny tao anaty poketra, nohamavoina ary mbola narary kokoa ihany tsy nisy toy izany.
“Tonga ny farandronao”
Nandefa vola ho ahy ny anankiray tamin’ireo zanako lahy nonina tany Pays-Bas mba hanohizako mitady fanafody. Nankany amin’ny dokotera iray tao an-drenivohitra àry aho. Taorian’ny fizahana, dia nanatsoaka hevitra toy izao izy: “Tsy misy na inona na inona azoko atao aminao. Mankanesa any amin’ny bonoeman.” Avy eo aho dia nankany amin’ny mpanao azy ho tsindrian-javatra izay indoneziana ny fiaviany — kanefa tamin’io koa dia tsy nisy vokany. Niverina tany an-trano àry aho, nefa tsy afaka nivoaka ny tanàna. Nandadilady aho mandra-pahatonga tany an-tranon’ny anankiray tamin’ireo zanako vavy, ka tao dia nidaraboka aho — narary sy tsy nanam-bariraiventy. Fatiantoka ranofotsiny no nandalovako 17 taona sy nandaniako 15 000 gulden (eo amin’ny 500 000 ariary) nitadiavana fanafody. 57 taona aho tamin’izay.
Tamin’ny fanafihany manaraka, dia nandrahona ahy toy izao ilay demonia: “Vitako ny aminao. Tonga ny farandronao.”
“Tsy Andriamanitra anefa ianao, tsy Jesosy ianao”, hoy aho nikiakiaka.
“Na dia Andriamanitra aza tsy mahasakana ahy, hoy ny navalin’ilay demonia. Kely sisa ny andronao.”
Ny ady farany
Lasa ny herinandro vitsivitsy. Meena, mpiray tanàna Vavolombelon’i Jehovah izay minisitra manontolo andro, dia nanontany ny zanako vavy izay nahazo ahy ary nanantitrantitra taminy hoe: “Ny Baiboly ihany no afaka manampy azy.” Koa satria reko ny resak’izy ireo, dia tiako ny hanatona azy. Tsy mbola tonga tandrifina azy ireo akory aho dia nantota tamin’ny tany. Nihazakazaka nanatona ahy i Meena ary nilaza tamiko hoe: “Tsy hamela anao hahita filaminana io demonia io. Ny hany afaka manampy anao dia Jehovah fa tsy misy olon-kafa mihitsy.” Avy eo nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra niaraka tamiko izy ary taorian’izany, dia nanomboka nitsidika ahy tsy tapaka izy. Kanefa arakaraka ny nahatongavany tao an-tranoko no nahamafy ny famelezan’ilay demonia. Nandritra ny alina, dia netsehin’ny fangovitana mafy aoka izany aho ka nisakana ny olona rehetra tao an-trano tsy hahita tory. Tsy nety nihinan-kanina aho, ary nisy fotoana nahavery saina ahy tanteraka.
Ratsy aoka izany ny toe-pahasalamako ka tonga avy tany amin’ny provansa ireo zanako lahy noho ny fikasana ny hamerina ahy tany amin’ny vohitro, mba ho any no hahataperan’ny androko. Koa satria osa loatra aho ka tsy afaka nandeha, dia nolaviko izany. Noho ny fahatsapako anefa fa akaiky ny fahafatesana, dia niantso ilay Vavolombelona aho mba hanao veloma azy. Nohazavain’i Meena tamiko tamin’ny alalan’ny Baiboly fa na dia maty aza aho, dia misy ny fanantenana fananganana amin’ny maty.
“Fananganana amin’ny maty hoe? Inona no tianao holazaina?”
“Afaka mamelona indray anao ao amin’ny Paradisa Andriamanitra”, hoy ny navaliny. Nisy tara-panantenana namaky ny haizina!
Tamin’iny alina iny ihany, dia nahazo ahy ny demonia. Azon’ny hery ratsy aho ka nihevitra ho nahita ny koenoe narahin’ny vahoaka. Naneso ahy izy: “Mihevitra izy fa hatsangana amin’ny maty!” Ary dia nikakakaka tsy nety tapitra ny vahoaka. Tamin’izay aho dia nanao zavatra tsy nataoko mihitsy teo aloha. Niantso toy izao aho: “Jehovah ô! Jehovah ô!” Izay ihany no haiko nolazaina. Ary dia lasa ny demonia!
Niverina ireo zanako lahy ary niangavy tamiko hoe: “Neny a, aoka tsy ho eto an-tanàn-dehibe no hahafatesanao. Avelao izahay hitondra anao any ambanivohitra.” Tsy nety aho, satria naniry ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’i Jehovah. “Marina, hoy aho, fa ho faty angamba aho, nefa mba ho efa nanompo ny Mpamorona ahay.”
Tilikambo mafy
Nanohy nitsidika ahy i Meena mbamin’ny Vavolombelona hafa. Nampianatra ahy hivavaka tamin’i Jehovah izy ireo. Ankoatra ny zavatra hafa, dia noresahin’izy ireo tamiko ny raharaha nampifanohitra an’i Jehovah tamin’i Satana sy ny amin’i Joba izay nampijalin’ny Devoly mafy mba hitarihana azy handà an’Andriamanitra. Izay nianarako dia nanamafy ny fahatapahan-kevitro tsy hivavaka mihitsy amin’ny demonia. Novakin’ireo Vavolombelona tamiko ny andinin-teny iray nanjary mamiko: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” — Ohabolana 18:10.
Nody tamiko tsikelikely ny heriko. Rehefa niverina nitsidika ahy ny zanako lahy, dia nilazako izy mba hiandry kely tao ambadiky ny varavarana. Niakanjo aho, nampiditra ny ambonin’akanjoko tao anaty zipoko mba hampisehoana taminy fa nila hihena tanteraka ny nibontsina tamiko. Avy eo dia nivoaka aho.
“Neny Lintina, ianao ve io?” hoy ny fihiakany.
“Eny, izaho — noho Jehovah, ilay Andriamanitro!”
Nanapa-kevitra aho
Raha vantany vao afa-nandeha kely aho, dia nankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany aho dia nahazo fampaherezana aoka izany avy amin’ireo Vavolombelona hafa, hany ka hatramin’izay dia tsy nitsahatra nanatrika ireo fivoriana mihitsy aho. Rehefa afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niaraka tamin’ny Vavolombelona teny amin’ny fitoriana aho. Tsy ela taorian’izany, dia natao batisa aho ary tonga mpanompon’i Jehovah, Mpamonjy ahy feno fitiavana. 58 taona aho tamin’izay.
Mbola nisy zavatra iray tokony hataoko ihany anefa. Taona maro talohan’izay, tao amin’ny trano bongoko tany ambanivohitra, dia nanorina alitara nanolorako fanatitra ho an’ireo razako aho. Mba hahadio ahy teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia tsy maintsy nanafoana izany aho. Nangataka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy, satria ny nataoko nety hanapoaka antsoantsom-pahatezerana teo amin’ireo tantsaha. Tamin’ny fotoana nahatongavako teo anoloan’ny trano bongoko ka namohako ny varavarana, dia nisy niantsoantso hoe: “Pingos!” (Ny kisoa dia ireo!) Andiany iray lehibe izy ireny; namakivaky ilay nosikely izy ireo ka nitsambikina tao anaty renirano mba ho tonga ery ampita. Niaraka tamin’izay, na antitra na tanora dia niala tao amin’ilay vohitra mba haka izany haza mora azo izany. Diboky ny hafaliana aho ka nandohalika ary nisaotra an’i Jehovah noho izany fiovan’ny tarehin-javatra tampoka izany. Tsy nitaredretra aho nisintona an’ilay alitara nankany ivelany, namafy “kérosène” taminy ka nandrehitra izany. Rehefa nody ireo tantsaha, dia efa lasa setroka ilay alitara. Mazava ho azy fa hitan’izy ireo ny lavenony, kanefa tsy nisy na inona na inona azony natao tamin’izany intsony. Araka izany, dia tamin’ny saina nilamina no niverenako tany an-drenivohitra.
Avy eo amin’ny fahoriana nankeo amin’ny fahasambarana
Nisy fitahiana hafa koa voatokana ho ahy. Tsy nino izay rehetra notantaraina taminy ny amiko ilay zanako lahy tany Pays-Bas; nandray fiaramanidina ho eto Suriname àry izy mba hahitan’ny masony mihitsy ny amin’izany. Faly aoka izany izy nahita ahy salama, hany ka nividianany trano nahafinaritra iray teto an-drenivohitra aho, ka ao no monina amin’izao fotoana izao. Endrey izany fiovana teo amin’ny fiainako: ilay izaho andevon’ny demonia nahantra iny dia tonga mpanompon’i Jehovah ampoky ny soa!
Iraika ambin’ny folo taona atỳ aorian’ny batisako, dia vao mainka manana antony maro kokoa tokony hahavelom-pankasitrahana aho. Voatohina noho ny fahitana ahy voatahy ny telo tamin’ireo zanako sy ny anankiray tamin’ireo vinantolahiko ka mba nankafy ny Baiboly koa ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, dia matetika aho no miaraka amin’ny sasany amin’ireo anadahiko sy rahavaviko ara-panahy any amin’ny olona miara-mianatra Baiboly amin’izy ireo ary tsy manana herim-po hanafahan-tena amin’ireo demonia. Tantaraiko amin’izy ireny ny fomba nanapahako ny gadran’ny fanompoana demonia. Tamin’izany fomba izany, na dia ireo taom-pitsapana maro nahatsiravina ireo aza dia mety hivadika ho tombontsoan’ny fitoriana ilay Fanjakana.
Tsy ampy ny teny hanambarako ny fankasitrahako an’i Jehovah Andriamanitro. Tsy isalasalana mihitsy fa niasa ho fanohanana ahy ny tanany mahery. Eny, nampiseho hatsaram-po tamiko Jehovah! — Jereo Salamo 18:17-19.
[Sary, pejy 7]
Tamin’ny fanafahan-tena tamin’ny spiritisma, dia nianaran’i Lintina van Geenen fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy”.
[Sary, pejy 9]
Ny afovoan-tanin’i Suriname misy olona maro andevozin’ny spiritisma.