Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Manafaka amin’ny spiritisma ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
NY FOMBA fiheveran’Andriamanitra ny spiritisma dia novelabelarina mazava tokoa tamin’ny Isiraelita tamin’izao teny izao: “Aza manao sikidy na manandro [manao majika, MN ].” (Levitikosy 19:26). Fa ahoana no mety hahafahan’izay andevozin’ny majika sy ny spiritisma amin’ny herin’ireo demonia? Hoy Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Voamarina izany, araka ny asehon’izao zava-nitranga izao, tantarain’ny vehivavy Frantsay iray Vavolombelon’i Jehovah:
‘Vao haingana aho no nanorim-ponenana tao amin’ny fitambarana efitranoko vaovao raha tonga ny vehivavy mpifanila efitrano iray nahafatifaty, nanipy hevitra tamiko mba hilaza ny tombam-bintako. Avy hatrany dia nanapa-kevitra aho ny tsy hanana fifandraisana aminy mihitsy, kanefa tsy mora akory izany satria tena sariaka izy.
‘Tamin’ny novambra 1980, dia narary aho ary nanolotra ny fanampiany ahy io mpifanila trano io. Nanjary nankamamy ny toe-pony aho, indrindra fa satria namboraka tamiko izy fa matetika no azon’ny fitebitebena mahatsiravina ao anatin’ny alina. Tsy dia sambatra araka ny niheverako azy àry izy io. Tao foana anefa ilay raharaha momba ny spiritisma! Tsy afaka nangina intsony aho fa tapa-kevitra rehefa ela ny ela ny hiresaka taminy ny fahamarinana.
‘Indray andro dia nifanakalo hevitra ny amin’ireo zava-manahirana ara-nofo mampiavaka ny vehivavy manirery izahay rehefa nilaza tamiko izy hoe: “Hitako ny fanafodiny. Mahazo vola amin’ny fampiasana karatra hahalalana ny ho avy aho.” Tamin’izay, dia noraisiko ny Baiboliko ary nasehoko azy fa nampidi-doza tokoa ny fifaneraserana tamin’ireo hery ratsy matanjaka aoka izany.
‘Avy eo dia nanomboka fifanakalozan-kevitra lehibe ny amin’ny spiritisma izahay. Nolazainy tamiko fa nitranga daholo ny voalazan’ny faminaniany. Nanampy azy hanjohy hevitra ny amin’izany aho. Nasehoko azy ireto tenin’i Mosesy voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 18:10, 11 ireto: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, (...) Na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty.” Rehefa handeha aho, dia nihiaka izy hoe: “Ity izaho dia nieritreritra ery fa nahita ny fanafodin’ireo zava-manahirana ahy!” Nampahery ahy tokoa ireo teny ireo: araka izany, raha vao tamin’ny resaka voalohany dia niresaka ny amin’ny spiritisma tamin’ny teny milaza ny lasa izy! Teo imasoko, ny dikan’izany dia hoe efa takany tao am-pony ny fianarana.
‘Koa satria tsy nety voky tamin’ny hanoanana ara-panahy izy, dia namaky ny Baiboly izy hatramin’ny 3 na 4 ora maraina. Tamin’ny voalohany, dia nianatra indroa isan-kerinandro izahay. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana izy ary nandroso haingana. Mazava ho azy fa nohalalininay tsara ny raharaha ny amin’ny spiritisma ary, nifototra tamin’ireo bokin’ny Fikambanana sy ny Baiboly, dia ny tenany ihany no nanao fanapahan-kevitra fa handoro izay rehetra nananany ka nifandray tamin’ny fanompoana demonia.
‘Naharitra izy ary tsy ela dia nitory ny “vaovao tsara” tamin’ny hafa. Indraindray dia niantso azy tao amin’ny telefaonina ireo mpanatona azy taloha, kanefa taorian’ny nanazavany tamin’izy ireny fa nialany ny asany nisy spiritisma, dia nanasa azy ireny izy mba hanatona azy hihaino zavatra mahaliana lavitra. Natao batisa izy io ary rahavavinay izy ankehitriny.’