‘Manampy ahy hahafantatra Ilay tsy noeritreretiko ho fantatra indray andro any izy ireo’
Tao amin’ity taratasy manaraka ity, voarain’ny Fikambanana Watch Tower, ny olona iray dia manazava hoe taiza no nahitany fanampiana toy izany:
“Tompoko,
“Ho tiako ny hahafantaranareo fa ireo bokinareo dia manampy ahy be dia be hahafantatra Ilay tsy noeritreretiko ho fantatra indray andro any. Ny Baiboly izao eo imasoko no boky mahavariana indrindra amin’ireo novakiko, noho ny fanampiana nentinareo ho ahy tamin’ny alalan’ireo bokinareo.
“Ho azonareo atao ve ny handefa ho ahy, lisitry ny boky rehetra avoakanareo?
“Ho azonareo atao ve ny handefa ho ahy anankiroa amin’ny boky Comment raisonner à partir des Ecritures? (...) Ho tiako ny hampahafantatra io boky fanampiana sarobidy io.”
Hahafaly anay ny handraisanao soa koa amin’ilay boky fianarana Baiboly 448 pejy mitondra ny lohateny hoe Comment raisonner à partir des Ecritures.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky fianarana ny Baiboly mifono baoritra hoe Comment raisonner à partir des Ecritures.