Ny fivoaran’ny toeran’ny vehivavy amin’izao androntsika izao
TAMIN’NY 1906, Nicolas mpanjaka tany Rosia dia nandray fangatahana an-tsoratra, voasonian’ny vehivavy tambanivohitra rosiana vitsivitsy, izay toy izao ny tapany aminy:
“Efa hatramin’ny taranaka maro no niainan’ny vehivavy avy tamin’ny kilasin’ny tambanivohitra nefa tsy nananany zo na tamin’inona na tamin’inona mihitsy. (...) Tsy heverina ho toy ny olombelona akory aza izahay, tahaka ny biby mpitondra entana fotsiny. Takinay ny hampianarana anay hamaky teny sy hanoratra; takinay koa ny hahazoan’ny zanakay vavy fampianarana mitovy amin’ny an’ny zanakay lahy. (...) Fantatray fa tsy mahay izahay, nefa tsy fahadisoanay izany.”
Toerana mampalahelo, izay mifanohitra tokoa amin’ny filazalazana omen’ny Baiboly ny amin’ny vehivavy mahay sy hajaina, nalaina ho ohatra, ary mendrika ny hotahafina sy hoderaina (Ohabolana 31:10-31). Kanefa, ny filazalazana ny amin’ny tarehin-javatra nisy an’ireo vehivavy tany Rosia, dia manome taratr’ity fahamarinana notononin’i Solomona mpanjaka hendry efa ela ity: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9). Marina fa tsy ny lehilahy ihany no nahita loza tamin’izany fanapahana izany. Ho azo itarina toy izao io tenim-pahendrena io: ‘Ny olona dia manapaka lehilahy hafa sy vehivavy hafa sady mampiditra loza aminy.’ Kanefa, tahaka ny asehon’ny tarehin-javatra misy any amin’ny Firaisana sovietika, dia hafa dia hafa mihitsy ankehitriny ny anjara toeran’ny vehivavy.
Amin’izao andro izao tokoa “ny ankamaroan’ny mpitsabo sy ny mpampianatra sovietika dia vehivavy. Efa ho roa ampahatelon’ny manam-pahaizana momba ny toe-karena sy telo ampahefatr’ireo izay manao raharaha ara-kolo-tsaina no vehivavy. Efapolo isan-jaton’ireo mpahay siansa no vehivavy. (...) Vehivavy 862 amin’ny arivo izay mandray anjara amin’ny fiainana ara-toe-karen’io tany io no nanao fianarana ambony na ambaratonga faharoa (feno na tsy dia feno)”. — Ny vehivavy any U.R.S.S. (anglisy)
Ny vehivavy sy ny politika
Saika nandinihana zavatra mitovy amin’izany any amin’ny firenen-kafa maro. Ny firenena voalohany nanome ny zo hifidy ho an’ny vehivavy dia Nouvelle-Zélande, tamin’ny 1893. Teo anelanelan’ny 1917 sy 1920 dia nanaraka Rosia, Grande-Bretagne, Etazonia ary Kanada. Tany Soisa dia tsy nahazo an’io zo io ny vehivavy raha tsy tamin’ny 1971, kanefa efa afaka nandray andraikitra ara-politika izy.
Ankehitriny, ny vehivavy dia tsy vitan’ny hoe mifidy fotsiny fa miady toerana ara-politika amin’ny lehilahy koa. Isiraely dia nanana praiminisitra vehivavy, Golda Meir; tahaka izany koa India, tamin’i Indira Gandhi. Tsy ela izay, Grande-Bretagne sy Yougoslavie dia nifidy vehivavy ho praiminisitra. Any U.R.S.S., dia mpikambana 492 ao amin’ny Soviet fara tampony, izany hoe 30 ka hatramin’ny 40 %, no vehivavy. Manana ho anisany vehivavy iray izao ny Fitsarana tampony any Etazonia ary vao voalohany ny antoko politika lehibe iray no nanolotra ny filatsahan’ny vehivavy iray hofidina ho amin’ny toeran’ny prezidà-lefitra. Any Frantsa dia vehivavy eo amin’ny 15 % eo ho eo no manana toerana ao amin’ny ministera.
Ny vehivavy sy ny asa
Any Etazonia, amin’ny toerana maro ny takelaka voasoratra hoe “Men at Work” (ara-bakiteny “Lehilahy miasa”) dia nosoloana anankiray hafa mitondra ireto teny ireto “People Working” (ara-bakiteny “Olona miasa”). Inona no anton’io fitenenana tsy misy fanavahana kokoa io? Noho ny fivoaran’ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra ara-toe-karena. Ny isan’ny vehivavy miasa ivelan’ny tranony, dia nitombo avy roa heny nandritra ireo 25 taona faramparany. Tamin’ny 1970, dia 27 % monja amin’ireo asa natao tany amin’ny birao no notanan’ny vehivavy; efatra ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, dia lasa 65 % ny ara-keviny. Ny sasany miasa noho ny antony ara-bola, ny hafa noho ny safidiny. Any amin’ny toerana sasany, amin’ny asa mitovy, ny karaman’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifandanja tsikelikely.
Ny vehivavy sy ny fampianarana, ny zava-kanto, ny fivavahana
Maneran-tany na mila ho toy izany, ny vehivavy dia manao fandrosoana mahagaga eo amin’ny lafin’ny fampianarana. Ny isan’ny zazavavy mianatra any an-tsekoly, izay teo amin’ny 95 tapitrisa tamin’ny 1950, dia lasa 390 tapitrisa tamin’ny 1985. Tany Espagne, 25 taona lasa izay, dia avo roa heny ny isan’ny vehivavy tsy nahay namaky sy nanoratra raha oharina amin’ny lehilahy. Tamin’ny 1983, dia hita mazava ny fihatsaran’io tarehin-javatra io, hany ka 30 % amin’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite no tovovavy. Ilay gazety mivoaka isam-bolana atao hoe Women in Britain dia miresaka ny amin’ny “fitomboana mahagaga eo amin’ny isan’ny tovovavy mianatra eny amin’ny oniversite” any Grande-Bretagne.
Teo amin’ny mozika, ny vehivavy dia nikoizana foana teo amin’ny fihirana irery na fitendrena zavamaneno irery. Talohan’ny 1935, tany Etazonia, ny hany vehivavy nekena handray anjara tao anaty orkesitra dia ny mpitendry harpa, anjara toa tsy tian’ny lehilahy. Ankehitriny kosa anefa, dia 40 % amin’ireo mpitendry zavamaneno ao amin’ny orkesitra lehibe misy any amin’ny faritany na an-drenivohitra, dia vehivavy.
Ny vehivavy koa dia miditra lalina ao amin’ny fivavahana. Any Etazonia, dia betsaka ny vehivavy nisoratra anarana hiditra any amin’ny seminera, ka nahatonga ny ara-kevin’ny isan’ny vehivavy seminarista hiakatra teo amin’ny 29 ho 52 % izany. Misy vehivavy mitory eny ambony polipitra, ny sasany dia tonga raby. Sahabo ho 11 % amin’ny pastora soedoa, ary pretra anglikana sasany any Atsinanana no vehivavy. Ny New York Times (tamin’ny 16 febroary 1987) dia nilaza fa “ny Eglizy episkopaliana dia manana vehivavy voatokana ho minisitra miisa ho 968”.
Ny vokany?
Tsy azo lavina àry fa ny toeran’ny vehivavy dia niova be dia be tokoa tamin’izao fotoana faramparany izao. Angamba ny tenanao nahamarika na nahatsapa manokana izany fivoarana izany. Fa hahaliana kosa ny hanontaniana tena toy izao: Moa ve tsy nitondra afa-tsy soa ireo fiovana rehetra ireo.