Mandrosoa, ry Vavolombelona!
“Vonona ny mpanompon’i Jehovah./Hitory ny vaovao tsara mahafaly./Raha toherin’i Satana,/Jehovah Tompo no tokiny.”
Toy izany no tonon’ny andininy voalohany amin’ny hira faha-51 hita ao amin’ny fihiranan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitondra ny lohateny hoe “Mihira sy mikalo ao am-ponareo”. Angamba ho tianao kokoa ihany izy io rehefa fantatrao fa tao amin’ny toby fitanana iray tany Alemaina nazia no namoronana azy. Tsy ela izay, ireo mpiasa eo amin’ny 500 mahaforona ny fianakavian’ny Betela any Selters, any Alemaina, dia nihaino ny feo noraisina tamin’ny resaka nifanaovana tamin’i Erich Frost, mpanao an’io hira io. Toy izao ny votoatiny:
“‘Mandrosoa, ry Vavolombelona!’ — izany no fanirian’ny fonay, na dia noterena hanao asa famaizana tao amin’ny toby fitanana aza izahay. Mibosesika ao an-tsain’ny mpamoron-kira iray izao karazan-tonon-kira rehetra izao ary efa ela be izay ny feon’io hira io no tsy nety afaka tao an-tsaiko. Ny antoko-mpiasa nisy ahy dia voaforon’ny Vavolombelona 40. Tokony handeha isan’andro mandritra ny antsasa-kadiny izahay mba hankanesana hatrany amin’ny sampantsampan-drano mandeha tany ivelan’ny toby. Indray maraina, teny an-dalana, dia nisy hevitra tonga tao an-tsaiko: ‘Tonga ny fotoana hanampiana tonony an’io tonon-kira io mba hahafahana hihira azy.’ Ary tsy ela dia nanomboka niforona tao an-tsaiko ny andininy voalohany.
“Ny asako dia ny namindra tany amin’ny 30 metatra, antontan-tany, tamin’ny alalan’ny laborety. Norarana tanteraka ny firesahana nandritra ny asa. Tamin’ny fotoana nety anefa, dia nanontany moramora ny rahalahy iray niasa teo anilako aho raha nanana fitadidiana tsara izy. Eny no navaliny ahy. Nankiniko taminy àry ny andininy voalohany. Rehefa afaka adiny iray, dia nanao toy izany koa aho tamin’ny rahalahy hafa iray, avy eo dia tamin’ny fahatelo, ary farany dia tamin’ny fahefatra. Nangataka azy ireo aho mba hianatra tsianjery andininy iray avy.
“Rehefa tafaverina tany an-toby tamin’io hariva io ireo rahalahy efatra dia nifandimby nanao tsianjery tamiko ireo andininy. Tamin’izany no nahafahako nanoratra ny tonony tandrifin’ny naoty. Tsy hisy zavatra firy hataon’ny SS amiko raha ny mozika ihany no azony. Faran’izay nampidi-doza anefa izao ny tarehin-javatra. Nety hahantona aho raha tratra miaraka amin’ny tonony. Ahoana no hahafahako manafina an’io hira io?
“Ny rahalahy be taona iray dia nikarakara tranon-tsoavaly iray tany ivelan’ny toby, nisy SS niompy bitro. Hitany tao amin’io tranon-tsoavaly io ny toerana iray hanafenana tena vatosoa ara-panahy — nomerao manontolo maromaro amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy bokin’ny Fikambanana iray na roa. Nanao vy very ny ainy io rahalahy io tamin’ny fitondrana izany tamim-piafenana tao an-toby, mba hanomezana zavatra hianaranay. Nataony tao amin’io toerana fanafenan-javatra io ny fihiranako. Hoy izy tamiko indray andro: ‘Erich, efa an-dalana ny fihirananao. Nahita olona handefa azy any Soisa aho.’ Nisento noho ny fahamaivamaivanana aho.
“Nalefan’ireo rahalahy tany Soisa ho any Brooklyn izany ary tonga tany amin’ireo anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Novana ho andininy telo mahafinaritra ireo andalan-tonon-kirako nikaviavia. Nentanin-kafaliana aho rehefa nahita an’io fihirana io tao amin’ny fihirana vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovaha. Amin’izao andro izao, io hira io izay mitondra ny nomerao 51 (29 aoamin’ny fihirana vaovao amin’ny teny frantsay) dia mbola mamporisika foana ny Vavolombelona rehetra hiandany mafy amin’i Jehovah sy amin’ny fahamarinana!”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Antoko-mpihira voaforon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy faha-11 amin’i Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, no nihira voalohany an’io fihirana io tamin’ny 1 aogositra 1948, tamin’ny fizarana diplaoma.
[Efajoro, pejy 21]
Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany i Erich Frost tamin’ny 30 oktobra 1987, teo amin’ny faha-86 taonany. Teraka tamin’ny 22 desambra 1900 izy, natao batisa tamin’ny 4 martsa 1923 ary nanomboka ny asa manontolo andro tamin’ny 1928. Tamin’ny 1936, dia nanankinana ny fanaraha-maso ny asa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamim-piafenana tany Alemaina izy, asa nanirahana izay notontosainy tamim-paharisihana nandritra ny valo volana mandra-panibohana azy tao amin’ny toby fitanana iray. Taorian’ny ady, dia notendrena ho mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana Watchtower tany Alemaina izy, tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1955. (Jereo La Tour de Garde tamin’ny 15 janoary 1962, pejy 28 ka hatramin’ny 31; Bl6bis/62, pejy faha-40 ka hatramin’ny 52.) Taorian’izany, dia nanohy nanompo tamim-pahatokiana izy. Tsy hadinon’Andriamanitra ny asa tanterahin’ny kristiana voahosotra toy ireny, na ny fitiavana nasehony ho an’ny anarany. — Hebreo 6:10.