Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nananatra an’i Marta izy, ary nanome fanazavana ny amin’ny vavaka
RAHA nanohy ny fanompoany tany Jodia i Jesosy, dia niditra tao amin’ny tanànan’i Betania. Tao no nonina Marta, Maria sy Lazarosy, anadahiny. Mety ho nifankahalala tamin’izy ireo nandritra ny fanompoany i Jesosy ary angamba efa nanana fisakaizana akaiky taminy. Ankehitriny àry izy dia nankany an-tranon’i Marta, izay nandray azy.
Nirin’i Marta mafy tokoa ny hanome ny tsara indrindra tamin’izay nananany ho an’i Jesosy. Voninahitra lehibe toy inona tokoa moa ny nahazo ny fitsidihan’ny Mesia nampanantenaina! Nanapa-kevitra ny hanomana sakafo tsara sy ny hikarakara tsipirian-javatra maro hafa izy mba hahatonga ny fivahinian’i Jesosy hahafinaritra sy hampiadana kokoa.
Mifanohitra amin’izany, i Maria, rahavaviny, dia nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy mba hihaino azy. Rehefa afaka kelikely dia nanatona i Marta ary niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.”
Nandà ny hiteny na inona na inona tamin’i Maria anefa i Jesosy. Mifanohitra amin’izany kosa dia notsininy i Marta noho izy niahy be loatra ny zavatra ara-nofo. “Marta, Marta, hoy izy niteny azy tamim-pahalemem-panahy, maro ahina sy maro herehina ianao; nefa zavatra iray loha no ilaina.” Nasehon’i Jesosy fa tsy ilaina ny hanomanana sakafo be dia be, satria maka fotoana be izany. Ampy ny mikarakara sakafo vitsivitsy, na iray monja aza.
Nanana antony tsara nanosika i Marta: te-hiseho ho mahay mampiantrano vahiny izy. Kanefa, noho ny fiahiana ny zavatra ara-nofo dia namoy ny fahafahana hampianarin’ny Zanak’Andriamanitra mivantana izy! Namarana ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.”
Tatỳ aoriana, tamin’ny fisehoan-javatra hafa, ny mpianatra iray dia nanontany an’i Jesosy hoe: “Tompoko, mampianara anay hivavaka sahala amin’ny nampianaran’i Jaona ny mpianany.” Angamba tsy teo io mpianatra io, herintaona sy tapany talohan’izay, raha nanome ilay vavaka modely tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy. Namerina indray ny toromariny àry i Jesosy, nefa avy eo dia nanohy ny teniny izy tamin’ny fanoharana iray izay nanasongadina ny ilàna faharetana amin’ny fivavahana.
“Iza aminareo, hoy izy eo am-panombohana, no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tamin’ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? Hoy izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.”
Tamin’izany fampitahana izany dia tsy te-hilaza akory i Jesosy fa, sahala amin’ilay sakaiza tao amin’ny tantara, Jehovah dia tsy marisika hanatanteraka ny fangatahana atao aminy. Tsia, fa nasehony kosa fa raha ny “sakaiza” iray tsy vonon-kanao zavatra aza mamaly ny fangatahana mafy ihany, mainka fa ny Raintsika any an-danitra be fitiavana! Manohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Mangataha dia homena ianareo; dondòny dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.”
Avy eo dia naka ny ohatra ny amin’ny ray olombelona mpanota sy tsy tanteraka i Jesosy: “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Fampaherezana tsara mba haharetana amin’ny vavaka no omen’i Jesosy antsika amin’izany. Lioka 10:38 ka hatramin’ny 11:13.
◆ Nahoana i Marta no nisahirana be ho an’i Jesosy?
◆ Inona no nataon’i Maria, ary nahoana izy no noderain’i Jesosy fa tsy i Marta?
◆ Inona no nanosika an’i Jesosy hanome indray ny toromariny momba ny vavaka?
◆ Ahoana no nanoharan’i Jesosy ny ilàna haharitra amin’ny vavaka?