FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/11 p. 4-7
  • Ny fomba fijery kristiana momba ireo sary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fomba fijery kristiana momba ireo sary
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny sary ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana — Ny fiandohany
  • Hamarinina ny fivavahana amin’ny sary
  • Ny sary — Inona ny fihevitr’ireo manaja azy?
  • Inona no ambaran’ny Baiboly?
  • Ny fomba hivavahana “amin’ny fahamarinana”
  • Marina ve fa ‘tsy tonga sampy mihitsy ny “icônes” ’?
  • Sary
    Mifohaza!—2014
  • Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?
    Mifohaza!—2008
  • Tokony Hampiasa Sary Masina ve Ianao Rehefa Mivavaka?
    Mifohaza!—2005
  • Efa Nisy Hatramin’ny Ela ny Sary Masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/11 p. 4-7

Ny fomba fijery kristiana momba ireo sary

NY APOSTOLY Paoly dia nanoratra toy izao ho an’ireo kristiana tany Tesalonika: “Nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina.” (1 Tesaloniana 1:9a). Maro tamin’ireo kristiana voalohany tokoa no mpanompo sampy (1 Korintiana 6:9-11). Niala tamin’ny fanaony anefa izy ireo rehefa nanaraka ny kristianisma.

Fanao nahazatra ny niondrika teo anoloan’ny sampy hany ka tonga fihomehezana ireo kristiana, izay nanao ny fanompoam-pivavahany tsy nampiasa sary. Nampangain’ny mpanompo sampy sasany ho tsy nino an’Andriamanitra aza izy ireny! Ahoana, tao anatin’ny toe-javatra toy izany, no nielezan’ny fanajana sary nitatra aoka izany teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

Ny sary ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana — Ny fiandohany

Fanaon’ny mpanompo sampy maro no nampidirina teo amin’ireo “kristiana” taorian’ny voalaza fa fiovam-pinoana nataon’i Constantin emperora romana. “Nanomboka tamin’ny andron’i Constantin, hoy ny nosoratan’i Edwyn Bevan, mpanoratra tantara ara-pivavahana tao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Ny sary masina (anglisy), no nahatonga ny lakroa ho marika nahazatra teo amin’izao tontolo izao kristiana sy ny nanomezam-boninahitra azy io avy hatrany.” Nanokatra ny lalana ho an’ny endri-pivavahana amin’ny sary maro hafa io fanao io. Manao fanamarihana toy izao koa ilay boky: “Ny fanajana lalina ny sary dia toa tatỳ aorian’ny fanomezam-boninahitra ny mariky ny lakroa, izay (...) tsy hita teo amin’ireo tsangambato kristiana sy ireo zava-kanto ara-pivavahana raha tsy taorian’ny nampidiran’i Constantin azy tao amin’ny labarum [faneva ara-tafika ahitana lakroa].”

Nitatra hatrany ny fivavahana amin’ny sary. Tamin’ny taonjato faha-8 amin’ny fanisan-taona iraisana, i Jean Damascène, izay noheverin’ny Eglizy katolika romana sy ny Fiangonana ortodoksa any Atsinanana ho toy ny “olo-masina”, dia nanoratra toy izao: “Arakaraka ny nandravan’ireo Ray masina ny tempoly sy ny alitaran’ny demonia no nananganany ho solony alitara natokana ho an’ireo olo-masina, ary nanompo azy ireny izahay; narodan’izy ireo koa ny sary mampiseho demonia, ary nanangana ny sarin’i Kristy, ny an’ny Renin’Andriamanitra sy ny an’ireo olo-masina teo amin’ny toerany izy ireo.”

Thomas d’Aquin, “olo-masin’ ”ny Eglizy katolika izay velona tamin’ny taonjato faha-13, dia nanampy toy izao: “Fanajana lalina toy ny atolotra ny tenan’i Kristy mihitsy no tokony homena ny sariny (...), ary manolotra ny fivavahana aminy [amin’ny lakroa] tsy fanao afa-tsy amin’Andriamanitra irery ihany [ny endriny ambony indrindra amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fivavahana katolika] izahay, toy ny amin’i Kristy mihitsy. Noho izany dia miresaka amin’ny lakroa ary mivavaka aminy izahay toy ny amin’ilay voafantsika mihitsy.”

Ho an’ny katolika, i Thomas d’Aquin dia mbola manan-kery lehibe foana eo amin’ny “fanompoam-pivavahana amin’ny sary”. Araka ny Firaketana Vaovao katolika (anglisy), dia izy no “nanamarina tanteraka ara-pampianarana ny fivavahana amin’ny sary”. Tsy isalasalana anefa fa ny fanompoam-pivavahana “kristiana” amin’ny sary dia tsy nanao afa-tsy ny nisolo ny fivavahan’ny mpanompo sampy amin’ny sary.

Hamarinina ny fivavahana amin’ny sary

Maro amin’ireo manaja ny sary no tsy maniry hotondroina hoe mpivavaka amin’ny sary. Tsy zava-baovao izany. Tamin’ny taonjato faha-4, dia nanaraby ny hevitra narahin’ireo mpanompo sampy tsy kristiana ny “masindahy” Augustin. Nanoratra toy izao izy: “Nefa indro mpiteniteny foana iray mihevi-tena ho mahay manambara aminay hoe: Tsy mivavaka amin’ity vato na ity sary tsy manana fihetseham-po ity aho; (...) Tsy manompo azy àry aho; nefa omeko voninahitra izay hitako sady manompo an’ilay Andriamanitra tsy hitako aho.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo tsy kristiana dia mihambo ho tsy manompo afa-tsy ilay persona tsy hita maso asehon’ny sariny. “Amin’ny fanazavana toy izany ny fivavahana amin’ny sampiny, hoy ny nanampin’i Augustin, dia mihevitra ny tenany ho hendry izy ireo satria tsy manompo ireny sampy ireny; nefa dia manompo demonia izy.” — Lahateny momba ireo Salamo nosoratan’i Augustin, Salamo xcvi 9.

Na dia nanameloka avy hatrany ny fivavahana amin’ny sary ataon’ireo mpanompo sampy aza ireo teolojiana katolika, dia noraisin’izy ireo matetika ho an’ny tenany ireo fanaporofoan-kevitra voalaza fa an’ny “mpanompo sampy” mba hanamarinana ny fampiasan’izy ireo sary. Aoka hotononintsika, ohatra, ny fanambarana natao tamin’ny taonjato faha-16, nandritra ny konsilin’i Trente, momba ny sarin’i Kristy, ny an’i Maria sy ny an’ireo “olo-masina”: “Tokony homena azy ireo ny voninahitra sy haja mendrika azy: marina fa tsy hoe satria misy maha-andriamanitra na fahaizana manao tsara na manao ratsy ao amin’izy ireny izay manamarina ny fivavahana aminy.” Raha izany, nahoana no manome haja azy ireny? “Satria, araka ilay konsily, ny voninahitra izay omena azy ireny dia mifindra amin’ireo olona asehony: hany ka amin’ny alalan’ny sary izay orohantsika sy eo anoloany no itsaohantsika sy iankohofantsika, dia manompo an’i Kristy sy manaja ireo olo-masina izay mitovy endrika aminy isika.”

Na dia ankehitriny aza dia mbola manonona io antony io ihany ny Eglizy katolika mba hanamarinana ny fanompoan-tsampy: hisarika ny saina ho amin’ilay persona any an-danitra izay asehony fotsiny no ampiasana ireny sary ireny, na dia tsy mahay manao tsara na manao ratsy aza izy ireny na manana fahefana ao amin’ny tenany. Kanefa hatraiza no mahamarina izany eo amin’ny fampiharana? Izay rehetra manaja sary ve dia tena mino avokoa fa tsy misy “maha-andriamanitra na fahaizana manao tsara na ratsy manamarina ny fivavahana aminy” ao amin’izy ireny?

Ny sary — Inona ny fihevitr’ireo manaja azy?

Any Espaina, ao Séville, ireo mpankasitraka ny Virijiny la Macarena sy ny Virijiny de la Esperanza dia mifamely mafy. Ny katedralin’i Chartres, any Frantsa, dia mirakitra virijiny telo: “Notre-Dame du pilier”, “Notre-Dame de la crypte”, ary “Notre-Dame de la ‘belle verrière’ ”. Manana mpivavaka aminy ny tsirairay avy ary toa samy miaiky izy ireo fa ny sarin’ny virijinin’izy ireo dia ambony noho ny an’ny hafa, na dia mampiseho olona iray aza izy telo ireo. Miharihary àry eto fa ny voninahitra dia atolotra ny sary mihitsy, fa tsy ny olona izay asehony.

Noho izany, io fanao io izay hamarinin’ny Fiangonana katolika amin’ny filazana azy ho fanompoam-pivavahana voafetra dia tsy inona matetika fa fivavahana amin’ny sary iray. Ireo hafetsena araka ny teolojia dia tsy manova na inona na inona amin’ny taonjato maro nanarahana fanao ara-pivavahana.

Inona no ambaran’ny Baiboly?

Mifanohitra amin’ny torohevitry ny Baiboly ny hevitry ny teolojiana. Nampahafantatra mazava an’ireo Isiraelita Andriamanitra fahiny fa nomelohiny ankitsirano ny endrika fanompoan-tsampy rehetra (Eksodosy 20:4, 5; Deotoronomy 4:15-19). Raha marina fa nanomezan-dalana hatao ny sary sasantsasany, toy ny bibilava varahina nambaran’i Mosesy, dia voarara mazava tsara kosa ny fiankohofana teo anoloany mba hivavaka aminy. — Fanisana (Nomery) 21:9; 2 Mpanjaka 18:1, 4).

Efa nisy fotoana tsy nankatoavan’ny Isiraelita io fandrarana io. Nitranga indrindra izany tany Sinay rehefa nanao ombilahy kely volamena ho azy ny Isiraelita mba hivavahana aminy. Tsy fitiavam-pivavahana toy inona no nasehon’izy ireo tamin’ny ‘fanakalozana ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny sarin’ny ombilahy homana ahitra’! (Salamo 106:20, MN.) Kanefa, toy ireo milaza ho tia fivavahana amin’ny andro ankehitriny, izy ireo dia nihambo ho nivavaka tamin’Andriamanitra mihitsy, fa tsy tamin’ilay ombilahy! “Ry Isiraely, io no andriamanitra, hoy ny fihiakan’izy ireo, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.” (Eksodosy 32:1-5). Jehovah, anefa, dia tsy nandefitra izany fivavahana “voafetra” izany sy izany fiverenana tsy nisy henatra ho amin’ny fivavahana egyptiana izany (Asa. 7:39-41). Fandikana ankarihary ny fanekena nataon’ny Isiraelita tao an-tendrombohitra Sinay izany, ary saika namoizan’izy ireo ny ainy. — Eksodosy 32:9, 10, 30-35; Detoronomy 4:23.

Nahoana Jehovah no nanameloka tamin’ny fomba hentitra toy izany ny fivavahana amin’ny sary? Satria fotsiny tsy manana hery mihitsy ireny sary ireny, tsinontsinona izy ireny (Deteronomy 32:21a; Salamo 31:6). Nampitahain’i Jeremia tamin’ny sariolona ampiankanjoina fampitahoram-borona, tsy manam-pofonaina izy ireny (Jeremia 10:5, 14). Isaia kosa dia manaraby izay mampiasa ny hazo sasany handrehetana afo sy handrahoany sakafo, ary ny sasany hosokirina atao andriamanitra. Manambara toy izao ny amin’ireny mpanompo sampy ireny ilay mpaminany fa “tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina”. — Isaia 44:13-18.

Tena mampidi-doza ihany koa ny fivavahana amin’ny sary, satria ny sary iray dia mety hampifandray amin’ny herin’ireo demonia. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo raha niresaka ny amin’ny Isiraelita: “Nanompo ny sampin’ireny [ny an’ireo mpanompo sampy], izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy.” Salamo 106:35-37; jereo Levitika 17:7; Deteronomy 32:17). Varavarana mivoha ho an’ny fanao misy finoanoam-poana sy spiritisma àry izany. Manase mpanjaka, izay namelona indray ny fanompoan-tsampy teo amin’ny Isiraely, dia ohatra iray koa ny amin’izany. Marina tokoa fa “otely ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’Iaveh” ary “narahiny ny fanandroana sy ny sikidy”. — 2 Mpanjaka 21:1-6.

Mampiseho loza mitovy amin’izany ny Soratra grika kristiana. Izao no azo vakina momba izany ao amin’ny Diksioneran’ny Baiboly Vaovao (anglisy): “Ny fanoheran’ny Testamenta Taloha ny fivavahana amin’ny sary (...) dia miorina amin’ny fahamarinana roa izay notononin’i Paoly tatỳ aoriana kokoa, dia ny maha-tsinontsinona ny sary nefa koa ny hery ara-panahin’ny demonia izay tsy maintsy heverina. Ny sary àry dia mahaforona loza ara-panahy tena misy mandrahona.” Nanoratra toy izao i Paoly: “Fantantsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.” Mandefa izao fampitandremana izao anefa izy io aoriana kely: “Ny zavatra aterin’ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony hianareo.” — 1 Korintiana 8:4; 10:19, 20.

Maniry mafy hanapaka eo amin’ny olombelona ireo hery ara-panahy ratsy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa tsy amin’ny nofo aman-drà no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.” (Efeziana 6:12). Araka izany, na inona na inona endriny, ny fivavahana amin’ny sary dia manamatroka ny fahitan-javatra ara-panahy, manamora ny finoanoam-poana ary mametraka izay manao azy eo ambanin’ny herin’ireo filoha miafin’izao tontolo izao ratsy sy maizina.

Ny fomba hivavahana “amin’ny fahamarinana”

Olona tso-po maro no mampiasa sary mba hanatonana an’Ilay mpihaino vavaka. Mendri-piderana tokoa ny faniriana hanatona an’Andriamanitra, nefa isika ve no tokony hanapaka ny fomba hanaovana izany? Tokony hitady sitraka aminy tokoa isika fa tsy hanao izay tiantsika. Nilaza toy izao i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Joany 14:6). Izany dia tokony hanilika voalohany indrindra ny fampiasana sary fanompoan-tsampy. Nampianatra toy izao koa i Jesosy: “Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.” — Joany 4:23, 24.

Azo atao ve ny mampiseho persona ara-panahy iray amin’ny alalan’ny sary hita maso iray? Tsia, tsy misy sary, na dia ny faran’izay mahatalanjona aza, mety hifanatahaka amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Noho izany dia tsy misy sary na dia iray aza afaka hampiseho araka ny tena izy an’Andriamanitra (jereo Romana 1:22, 23). Moa ve izay miantso an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sary mamitaka afaka milaza fa ‘mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana’?

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy olona an’arivony maro hiala amin’ny fanaony misy fanompoan-tsampy sy hilahatra miaraka amin’ny “mpivavaka izay tadiavin’ny Ray”. Rehefa nahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny sary izy ireo, dia maro taminy no nanapa-kevitra ny hanaisotra azy ireny tsy ho ao an-tranony, sy ho amin’ny fivavahany (jereo Deteronomy 7:25). Tsy mora tamin’izy ireo foana akory izany, nefa netsehin’ny faniriana amim-pahatsorana ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izay mamporisika ny kristiana marina amin’izao teny izao izy ireo: “Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo...” —1 Joany 5:21.

Marina ve fa ‘tsy tonga sampy mihitsy ny “icônes” ’?

Ny teny hoe “icônes” dia manondro sary hafa karazana: sary hosodoko ara-pivavahana ankalazain’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana ortodoksa. Ny sasany amin’izy ireny mampiseho an’i Kristy, ny hafa mampiseho ny Trinite, Maria, ireo “olo-masina” na ny anjely. Toa an’ireo katolika, ireo teolojiana ortodoksa dia manamarina ny fankalazana ny “icônes”, amin’ny famaritana izany ho toy ny fankalazana voafetra izay miantefa, raha ny marina, any amin’ilay persona any an-danitra izay asehony. Araka ny filazan’ilay teolojiana rosiana atao hoe Sergey Bulgakov dia “mijanona ho zavatra tsotra fotsiny ny ‘icone’ fa tsy mety ho tonga sampy na ody mihitsy”.

Nefa, miaraka amin’izany dia mampianatra ny Fiangonana ortodoksa fa mety hitondra soa ho an’izay mivavaka aminy ny “icone” raha toa ka efa “nohamasinin’ ” ny Fiangonana izy io. “Ny fanamasinana ny “icone”, hoy no nosoratan’i Sergey Bulgakov tao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Ny Fiangonana ortodoksa (anglisy), dia mampifandray ilay sary amin’ilay persona asehony, izay olona asehon’ny sary amin’ny tenan’ilay olona mihitsy. Ny fanamasinana ny “icône” mampiseho an’i Kristy dia ahafahana mampihaona an’ohatra an’ilay mpivavaka amin’i Kristy. Toy izany koa no izy ny amin’ny Virijiny sy ireo “olo-masina”; ny “icônes” mampiseho azy ireo dia azo lazaina hoe fitaran’ny fisiany etỳ an-tany.”

Ankoatr’izany dia heverin’ny maro fa manana hery mahagaga ny “icônes” maro mampiseho an’i Maria. “Na dia monina any an-danitra aza izy, hoy ny filazan’i Bulgakov, dia mbola miara-miaina amintsika foana ny fiainana eo amin’ity izao tontolo izao ity izay itondrany koa ny fijaliana sy ny ranomaso. Mifona ho an’ny olombelona eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy. Miseho amin’ny olona amin’ny alalan’ny “icône” izay mahatanteraka fahagagana maro izy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha tsy misy fanamarihana, dia notsoahina avy ao amin’ny Fandikan-teny katolika ny andininy ao amin’ny Baiboly rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara