FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/11 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana ny Olona no Maty?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Amonjen’i Jesosy Antsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahotana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/11 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

■ Izao no nambaran’i Jesosy: “Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka.” (Jaona 9:41). Te-hilaza ve izy fa tsy manana ota ny olona sasany?

Tsia, ny olona rehetra izay velona ankehitriny dia mpanota, sahala amin’izay rehetra velona tamin’ny taonjato I, afa-tsy Jesosy. Tamin’ny fanononana ireo teny ireo, voatantara ao amin’ny Jaona 9:41, dia niresaka ny amin’ny karazam-pahotana iray i Jesosy.

Nametraka ny taranany rehetra teo ambany ziogan’ny fahotana i Adama razambe iombonantsika. Noforonina tanteraka, tsy nanana ota izy (Deoteronomia 32:4; 2 Samoela 22:31). Nanjary tsy tanteraka izy ireo rehefa tsy nankatò ireo toromarik’i Jehovah. Ny dikan’ny hoe ‘manota’ amin’ny ara-bakiteny, dia “tsy mahatratra ny zava-kendrena”. Izany indrindra no nataon’i Adama izay, rehefa nandika ny didin’Andriamanitra, dia tonga mpanota.

Noho isika rehetra taranak’i Adama, dia iharan’ny vokatry ny nataony isika. Izany no mitranga rehefa miteraka ny lehilahy iray nandova takaitra mahery: mandova an’io takaitra io ny zanany rehetra. Azon’ny mpahay siansa atao amin’izao fotoana izao ny mamantatra raha misy kilema nolovana sasany ao amin’ny selan’ny zaza any am-bohoka na ny zaza vao teraka iray. Mahatazan-davitra kokoa ihany anefa Jehovah. Ampahafantariny antsika fa ny kilema lehibe iray niseho teo amin’i Adama dia nifindra tamin’ny tsirairay avy amintsika. Tsy inona izany kilema izany fa ny fahotana. “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Nampanalavitra ny olona tamin’ny Mpamorona izany maha-mpanota izany, ary nahatonga azy ireny ho mora voan’ny aretina sy ny fahafatesana. Afa-tsy Jesosy Kristy, dia tsy nisy olona niseho ho tanteraka mihitsy ka hoe afaka amin’ny fanamelohana ho faty. —Romana 5:18-21; 6:23; 2 Tantara 6:36.

Lazain’ny Baiboly ho “mpanota” anefa ny olona sasany fantatra ho zatra manota na nanao fahotana mahatafintohina (Lioka 19:2-7; Marka 2:16, 17; 14:41). Tsy milaza anefa akory hoe tanteraka sy tsy nanana ota ny niara-belona taminy. Raha izany no izy, dia tsy ho nihantitra ary tsy ho faty izy ireny.

Ny fitantarana voarakitra ao amin’ny Jaona toko faha-9 dia mampiseho jamba iray hatry ny fony vao teraka izay nositranin’i Jesosy. Na dia tsy nahay namaky ny Soratra masina aza ny tenan’io lehilahy io, dia nanana fahalalana sasany izany izany. Fantany fa tsy mihaino ny vavak’ireo izay minia manota Andriamanitra. Taminy, dia mpaminany Jesosy, satria nomen’i Jehovah fahefana mahagaga hampahiratra jamba. Tsy nanaiky ny fanambarana misy fifandrindran-kevitra nataon’io lehilahy io anefa ny Fariseo ka nandroaka azy. — Jaona 9:13-17, 26-34.

Nanambara toy izao i Jesosy tamin’izay: “Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.” (Jaona 9:39). Ny fitorian’i Jesosy sy ny zavatra nataony hafa ary ny anjara noraisiny tao amin’ny fikasan’Andriamanitra tokoa dia hahatonga olona sasany ho afaka hahazo fahitana ny zavatra amin’ny ara-panahy ka handeha ao amin’ny fahazavana, raha mbola handeha ao amin’ny fahamaizinana ara-panahy ny hafa (Isaia 8:23; 9:1; 42:6, 7; Matio 4:13-17; 6:23; 2 Petera 1:9; 2 Korintiana 4:4). Raha toa ny Fariseo ka mpanota tsy nahazo fampitandremana fotsiny, dia nety ho navela ny fahotany tamin’ny fandavana ny Mesia. Kanefa izy ireo izay nihambo ho ‘nahiratra’, izany hoe nahataka-javatra, dia nanjary meloka indrindra noho ny fahalalany lehibe kokoa ny Lalàna sy ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra. Araka izany, ny fandavany an’i Jesosy dia fahotana lehibe nahatonga azy ireo hotsaraina mafimafy kokoa noho ny maha-olona tsy tanteraka sy mpanota fotsiny. Izany no antony nanambaran’i Jesosy toy izao tamin’ny Fariseo: “Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy hianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.” — Jaona 9:41.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara